
Fehezam-boninkazo napetraka teo amin'ny toerana nisian'ny fanafihana nampivarahontsana tamin'ny Zoma (26 Jona), ho fahatsiarovana an'ireo niharam-boina. Sary nozarain'i Farah Samti tao amin'ny Twitter.
Nanakiana ny tsy fahombiazan'ny fandriam-pahaleman'ny governemanta ny vahoaka Toniziana taorian'ny fanafihana nampivarahontsana teo amin'ny toeram-pandraisam-bahiny teo amoron-dranomasin'i Sousse, 140 kilometatra any atsimon'i Tunis renivohitra.
Tamin'ny faha 26 Jona, nisy lehilahy 23 taona nitam-basy izay fantatra taty aoriana kely amin'ny anarana hoe Seifeddine Rezgui, nanomboka nitifitra vahiny mpizahatany izay nitanin'andro teo amoron-dranomasina, talohan'ny nanenjehany azy ireo tany anaty dobo filomanosana ka hatrany an-dalantsaran'ilay trano fandraisam-bahiny manan-kaja Marhaba, izay nahafatesana olona niisa 39 sy naharatràna olona hafa niisa 38 ihany koa. Ny ampitson'io andro io, nilaza ho tompon'andraikitra tamin'io fanafihana io ireo kaonty taminà media sôsialy mpiara-dia amin'ny ISIS
Io Zoma nisian'ny fanafihana io dia efatra volana latsaka taorian'ny fanafihana ny Mozean'i Bardo tao an-drenivohitra, fanafihana izay nataonà lehilahy hafa anankiroa nitondra basy Kalashnikovs, nahafatesana vahiny mpizahatany niisa 23 sy polisy iray.
Tao amin'ny haino aman-jery sosialy, nomen'ny vahoaka Toniziana tsiny ny tsy fahaiza-miasan'ny manampahefana sy ny governemanta teo amin'ny ireo loza mitatao amin'ny fandriampahalemana izay ataon'ireo vondrona na singan'olona mahery setra.
Hoy ny bitsik'i Asma Ghrbi, Toniziana mpanao gazety, tamin'io andron'ny fanafihana io:
The lesson #TNgov should've learnt from #Bardo is that touristic sites are targeted but it did not. Hence today's #sousseAttack &maybe more
— أسمى غريبي (@AsmaGhribi) June 26, 2015
Ny lesona tokony ho raisin'ny #TNgov (governemant Toniziana) avy amin'i #Bardo dia ny hoe lasibatra ireo faritra tsidihan'ny mpizaha tany nefa tsy nataony izany. Vokatr'izany ny #FanafihanaTaoSousse androany ary mety mbola hisy maro hafa
#TNGOV has never had a clear strategy to halt militant insurgency. It has only resorted to fruitless ad hoc measures. Even Nida Tounes 1/2
Tsy mba nanana paikady nazava tsara mihitsy ny #TNGOV nampitsaharana ny hetsi-panoheran'ireo mpihoko mafana fo ireo. Ny hany zava-bitan'izy ireo dia ny fangalàna fepetra tsy nahitana vokany akory. Eny fa na dia ny Nida Tounes 1/2
— أسمى غريبي (@AsmaGhribi) June 26, 2015
which campaigned on an anti-terrorism platform has failed. One can argue that it actually did worse than the previous post-uprising govts2/2
- أسمى غريبي (AsmaGhribi) 26 Juin, 2015
izay nanao fanentanana tao amina sehatra iray manohitra ny asa fampihorohoroana aza fa tsy nahomby. Afaka milaza ny tsirairay fa mbola ratsy lavitra noho ny vitan'ilay governemanta teo aloha, taorian'ny fitroarana aza 2/2
— أسمى غريبي (@AsmaGhribi) June 26, 2015
Nibitsika i Papillon nanao hoe:
2 attentats en 4 mois à 2 endroits censés être sous haute surveillance. Près de 60 morts. 0 démissions. Aucune remise en question du gvt.
— Papillon (@Papiillon) June 27, 2015
fanafihana roa tao anatin'ny efatra volana taminà toerana roa izay noheverina fa tena tsara ambina indrindra. Manodidina ny 60 no namoy ny ainy. Fametraham-pialàna = 0. Tsy nisy akory ny fandinihan-tena nataon'ny governemanta.
Pire encore. Le pouvoir se replie sur lui même, accuse la petite opposition et veut impliquer le peuple dans la lutte anti-terrorisme.
— Papillon (@Papiillon) June 27, 2015
Mbola zava-doza noho izany aza. Mikombona tsy miteny ny fanjaknàna, miampanga ireo mpanohitra madinika ary te-hampiditra ny vahoaka amin'ny ady amin'ny fampihorohoroana.
Après le Bardo, aucune leçon n'a été retenue. Rien n'a changé. Ce qui faisait de l'attentat de Sousse une évidence.
— Papillon (@Papiillon) June 27, 2015
Tsy nisy lesona voaray mihitsy taorian'i Bardo. Tsy nisy zavatra niova na kely aza. Izay mahatonga indrindra ny fanafihana tao Sousse ho porofo mivaingana.
Ho an'i Kais, dia tsy tsara fiofanana hiady amin'ny fampihorohoroana ireo mpitandro filaminana, tamin'ny fanampiana hoe andraikitr'izy ireo foana hatrizay ny manara-maso ny vahoaka.
on est vraiment pas prêts pour ça. nos flics ne sont pas formés pour protéger les citoyens et les touristes ni à lutter contre le terrorisme
— kaïs (@MKais) June 27, 2015
Tena tsy mbola vonona amin'izany mihitsy isika. Ny mpitandro filaminana eto amintsika dia tsy nofanina hiaro ny mponina ao aminy sy ny mpizahatany na koa hiady amin'ny fampihorohoroana.
nos flics ont depuis tjr été formés pour contenir une population désarmée et à la mater pas à la protéger. le terrorisme leur est étranger
— kaïs (@MKais) June 27, 2015
Ny mpitandro filaminana eto amintsika dia nofanina hatrany hifehy vahoaka tsy mitam-piadiana sy hijery azy ireo fotsiny fa tsy mba miaro azy ireo. zava_baovao amin'izy ireo ny asa fampihorohoroana
Mitovy amin'izany ny fanehonkevitra nataon'i Wafa Ben Hassine:
Govts like my own are the best at suppressing freedoms in the name of terrorism but the worst in actually protecting us from it. #Tunisia
— Wafa Ben Hassine (@ousfourita) June 26, 2015
Ny Governemanta toy ny ahy manokana no manampahaizana amin'ny fanafoanana ny fahalalahana, amin'ny anaran'ny asa fampihorohoroana, fa ny ratsy indrindra amin'ny fiarovana antsika amin'izany raha ny marina. #Tonizia
Ary ahoana moa no fomba nahafahan'ireo mpitam-basy ireo nitondra fitaovam-piadiana any amin'ny firenena izay voatondro ho manana ny taha ambany indrindra maneran-tany eo amin'ny fanànana basy?
Je vois des gens se demander comment le terroriste a-t-il pu accéder à la plage. C'est une plage. C'est par définition ouvert.
— Heger (@heger_) June 27, 2015
Olona manontany tena hoe ahoana no nahatongavan'ireo mpampihorohoro teo amin'ny morontsiraka no hitako. Morontsiraka anie io e. Ara-pamaritana dia toerana misokatra.
Le gars endoctriné et armé, s'il veut tuer, tuera, peut-importe qu'il y ait un flic derrière chaque civil.
— Heger (@heger_) June 27, 2015
Lehilahy manana tsangan-kevitra ary mitondra fitaovam-piadiana, ka rehefa te-hamono olona izy, dia tanterahany izany, eny na dia misy mpitandro filaminana iray aza aorian'ny olona tsirairay avy
Là où l'action est efficace est à ce niveau: pourquoi est-il endoctriné? comment est-il armé?
— Heger (@heger_) June 27, 2015
Ireto sehatra ireto no mila fantarina raha tiana hahomby ny zavatra rehetra kasaina ho atao: Nahoana izy no manana tsangan-kevitra toy izany? Ahoana no fomba nahazoany fitaovam-piadiana?
Tsy norahirahian'ny mpampiasa aterineto ihany koa ny fanambaràna nataon'ny manam-pahefana sy ny fandàvan'izy ireo. Ora maromaro taorian'io fanafihana tamin'io andro zoma io, dia nanao antso avo ho amin'ny firaisankina ny Filoha Beji Caid Essebsi ary nanameloka ireo mpanakiana ny governemanta ho “mamely ny Fanjakàna Toniziana, sy ny fandriampahalemany.”
Toa “Rediredy” fotsiny ny fanambaràna nataon'i Essebsi raha ny fijerin'i Monia Ben Hamadi, tonian-dahatsoratry ny Huffpost ao Tonizia.
La 1ere décla de BCE après l'attaque était délirante, à la lumière d témoignages elle est dangereusement horrifiante http://t.co/zB9BbYPgdy
— Monia Ben Hamadi (@MoniaBH) June 28, 2015
Toa rediredy fotsiny ihany ny fanambarana voalohany nataon'i BCE taorian'ilay fanafihana ary azo lazaina fa tena mampihoronkoditra mihitsy aza raha tarafina avy amin'ireo fijoroana ho vavolombelona
Tetsy andaniny, nanambara fepetra maromaro horaisina ny Praiminisitra Habib Essid taorian'ny takaitra navelan'ny fanafihan'i Sousse, ao anatin'izany ny fanaparitahana miaramila fiandry ho eny amin'ireo toerana fitsangantsanganana sy arkeolojika, sy ny fanakatonana ireo maoske izay tsy eo ambany fahefan'ny governemanta.
Kanefa, toa tsy ny reheta no resy lahatra ny amin'ny ho fahombiazan'ireny fepetra rehetra noraisina ireny.
Les mesures annoncées par Essid auraient dû être prises 3 ans plus tôt. Je ne suis pas sûre de leur efficacité aujourd'hui.
— Sarah Ben Hamadi (@Sarah_bh) June 27, 2015
Tokony efa noraisina tamin'ny telo taona lasa ireo fepetra rehetra nolazain'i Essid ankehitriny ireo. Tsy mino ny fahombiazan'izany intsony aho ankehitriny