
Fari-ponenana tao Aleppo, taorian'ny daroka baomba tamin'ny 2014. Sary avy amin'ny Freedom House tao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)
Ny 8 Jolay 2015, voalaza ho nijirika ilay Tranonkala Siriana Fanarahana Maso Ny Zon'Olombelona ny miaramilan'ny aterineton'ny ISIS ary norahonany ilay Siriana Talen'izy io, Rami Abdelrahman, noho ny andraikitra notànany tamin'ny fandraketana ireo fanitsakitsahana zon'olombelona nataon'ny mpisehatra rehetra tamin'ny ady misy ankehitriny ao Syria.
Nanamafy ilay vaovao ny Reuters. Nitatitra momba ilay fijirihana ihany koa ny SITE Intel Group tao amin'ny tranonkalany any Royaume-Uni:
“Cyber Army of the Khilafah” Purportedly Hacks Website of Syrian Observatory for Human Rights http://t.co/2KITr5dGvH pic.twitter.com/DIjNckAVPp
— SITE Intel Group (@siteintelgroup) July 8, 2015
Toa hoe Mijirika ny Tranonkala Siriana Fanarahana Maso Ny Zon'Olombelona ny “miaramilan'ny aterineton'ny Khilafah”
Ny vondrona iray mifandray tendro amin'ny ISIS, izay mitonona ho “Miaramilan'ny Aterineton'ny Khilafah” no nanao ilay fijirihana, ny Khilafah ilay nilaza samirery ny maha-Califat azy, mandrakotra velaran-tany midadasika manerana an'i Siria sy Iràka.
Ito ambany ito ny dikasary avy amin'ilay tranonkala, izay mikatona amin'izao fotoana izao.

The Syrian Observatory for Human Rights website is down, after being allegedly hacked by ISIS supporters