Ny tawjihi dia ny fanadinana ankapobeny aorian'ny dingana faharoa any amin'ny faritr'i Gaza, sisiny andrefan'i Jordana, ary mamaritra ny safidin'ny mpianatra iray momba izay anjerimanontolo sy ny sampana horaisiny. Tamin'ity taona ity, ny fiatrehana miaraka ny fanadinana any amin'ny sisiny andrefana sy ao Gaza dia noraisina ho toy ny taratry ny firaisam-pirenena sahady. Ao anatin'ity hafatra ity, mandre isika ny fanehoan-kevitr'ireo mpitoraka blaogy avy ao Gaza momba ny vokatry ny tawjihi.
Amin'ny ankapobeny dia antsasany ihany amin'ireo mpianatra miatrika ny tawjihi amin'izao fotoana no raisina. Navoaka tamin'ny fampahalalam-baovao ny vokatry ny Tawjihi, ary dia nikarakarana lanonam-pankalazam- bahoaka ho an'ireo voaray. Isan-taona izay mahazo ny isa ambony indrindra – tamin'ity taona ity dia lasan'i Tala Al-Battia avy any Nablus ny anaram-boninahitra – dia tonga olo-malaza. Jawwal, ilay orinasan-tserasera amin'ny finday Palestiniana, no “mpanohana voalohany” ny fanadinana tawjihi, ary tamin'ity taona ity dia nampanao fifaninanana nantsoina hoe “Vinanio ny vokatra azonao amin'ny Tawjihi ary mahazoa Dolara an'arivony [Guess Your Tawjihi Result and Win Thousands of Dollars]”. Fa kosa, ho an'ny fianakavian'ireo tanora maro maty nandritra ny fanafihana tao Gaza tsy ela akory izay tamin'ity taona ity, dia fotoanan'ny alaheloho lalina izany – ary ho fankasitrahana ireo mpianatra ireo, ny governemanta Hamas dia nanolotra mari-boninahitra [sertifika]tawjihi.
Ao amin'ny Electronic Intifada, Rami Almeghari dia nitatitra ny fikirizan'ireo mpianatra ao Gaza amin'ny fianarana mba hiatrika ny fanadinana, tsy ijeren'izy ireo izay toe-draharaha iainana. Mpianatra iray, Abeer Abu Shawish, no nilaza taminy hoe:
“Talohan'ny ady tamin'ny faramparan'ny Desambra 2008, niomana fatratra hiatrika ny tawjihi aho. Indray andro, tao anatin'ny ady indrindra, nandre daroka baomba aho tsy lavitra ahy tany amin'ny 11:00 alina tany. Na izany aza, naka aina nifoka rivotra tsara aho ary nanohy ny fianarako. Na dia tohina mafy amin'ny fanafihana ataon'ny Israeliana avy any an'habakabaka, an-dranomasina sy an-tanety aza aho, dia hoy aho hoe, tsy maintsy tafita aho mba hiadiako amin'ny fananiham-bohitra ataon'ny Israeliana ary amin'ny fombako manokana, ny fanabeazana!”
Mazava be ny rarin-tsaina nateraky ny fanadinana ao anatina hafatra iray nalefan'ny mpianatra iray, Ghost of Palestine , nitondra ny lohateny hoe “Nivoaka ny valim-panadinana”:
Mutasharrid dia isan'ireo voaray, tamin'ny isa 91.9:
Hazem milaza fa:
ونقول رغم الحصار والدمار رغم الحرب الاخيرة على غزة الا ان النسب مبشرة والنتائج افضل من نتائج العام الماضى
Tanatina hafatra iraisana, Nazek Abu Rahma sy Hanadi Al Qawasmi dia manoratra hoe: