Shina: Niharan'ny tsikera Shinoa ny Tafika Antserasera Iraniana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2010)

Nitazona ny tontolon'ny twitter Shinoa hitabataba saika nandritra tontolo andron'ny talata ny fanafihan'ny Tafika Antserasera Iraniana ny mili-pikarohana lehibe indrindra Baidu.

irancyberarmy(2)

Mbola tsy mazava ny anton'ilay fanafihana; mihevitra ny sasany fa noho ny fahitana ireo mpiserasera Shinoa maneho fanohanana ny Hetsika Maintso Iraniana izany.

Ora vitsy taorian'ny Baidu lasa mainty, maitso, fotsy sy mena, namoaka ny valim-panafihan'izy ireo ny vondrona Shinoa mpijirika milaza ny tenan'izy ireo fa Shinoa Honker, nijirika na naka ny lisitr'ireo tranonkala izay nahitàna ny an'ireo Mpitarika Faratampony ao Iran, ny filoha Ahmadinejad, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, ny Fiarovana sy ny Atitany, ankoatra ny hafa. Mbola azo jerena ato ny asan'izy ireo.

cncyberarmy(2)

Na dia malaza be ao Shina aza ny Baidu, mbola mankatò ny manampahefana Shinoa izy ka vokatr'izany, dia nahazo ny anjara dokambarotrany noho ny sivana mavesatra tamin'ireo valim-pikarohana sy ny votoatin'ny mpiserasera amin'ny tolotra hafa omen'ny orinasa. Rehefa hita  niharihary fa nihevitra ireo mpanafika aterineto Iraniana fa nandefa hafatra ho an'ireo feo Shinoa liam-pandrosoana manakiana ny governemantany, nanomboka nivezivezy tao amin'ny Twitter ny vazivazy ary niparitaka tany amin'ny tranonkala Shinoa hafa. Mbola tsy fantatra raha fantatr'ireo “miaramila-antserasera” avy amin'ny firenena roa tonta ny antony nifanafihan'izy ireo.

Avy amin'ny Twitter androany:

@shizhao: 伊朗人民被中国人民伤害了感情….

@shizhao: Noratrain'ny vahoaka Shinoa ny fahatsapan'ny Iraniana…..

@line_4: 千万不要让伊朗网军知道我们中国互联网的命脉是GFW,如果GFW被搞垮了那中国就完蛋了。 #CN4Iran

@line_4: Na inona na inona atao, aza lazaina amin'ny Tafika Antserasera Iraniana fa ny GFW no tambajotra lehibe aterineto Shinoa. Raha mikatona ny GFW, dia ho very i Shina. #CN4Iran.

@lianyue: 让他们爽:伊朗网军,你们黑了百度以后,我的生活全乱套了,根本上不了 #twitter (这条是美国的朋友代发),求求你饶了中国人吧。 #CN4Iran

@lianyue: Lazao amin'izy ireo ity: Ry Tafika Antserasera Iraniana, hatramin'ny nakanao an'ny Baidu, dia nikorontana ny fiainako. Tsy afaka miditra Twitter aho (namana Amerikana iray no nanampy ahy nandefa ity sioka ity), miangavy anareo izahay Shinoa mba tsy haninona anay #CN4Iran
@mranti: Faly aho mijery ny tafika Cyber Iraniana mpomba ny governemanta manao adalana amin'ny Baidu.com mpomba ny governemanta. Eny, ataovy maro kokoa azafad
@hecaitou: Tafika Antserasera Iraniana Adala manao adalana amin'ny Baidu.com. Hey!maharikoriko ianao, LAVAKA RATSY izany! #CN4Iran

@hecaitou: 如果伊朗黑客攻破了我们的GFW,或者我们攻破了它们的GFW,都是咬牙切齿地冲进去,结果里面涌出来几百万喜出望外的人,见面就握手道谢,这会让黑客们多么尴尬呀。

@hecaitou: Raha esorin'ireo Iraniana mpijirika ny GFW-anay, raha esorinay ny azy ireo, dia ho torana ny roa tonta, ary amin'ny farany, hisy olona an'hetsiny vitsy ho faly fa tsy voakasika, izay hifandray tanana sy hifampisaotra rehefa mihaona izy ireo. Dia hahatsapa fa kanosa tanteraka ireo mpijirika ireo araka izany…
@LEMONed: Efa ho adiny efatra no nojirihan'ny Tafika Antserasera Iraniana ny baidu.com. Nilaza ny media fehezin'ny fanjakana, CN fa nosomparan'ny mpandray fisoratana anarana Amerikana ny anaran-tsehatra reg info.

@daxa: 百度被黑,我很开心,这个甘心做太监、做党奴的公司,被黑一下很好!

@daxa: Faly aho fa nakatona ny Baidu. Mahafinaritra fa rava nandritra ny fotoana lavalava ity orinasa maniry fatratra ny ho tokana, andevon'ny Antoko ity.

@fearlessz: 给这两个邮箱发邮件,告诉伊朗网军中国互联网的命门是GFW!soldier@cyberarmyofiran.com soldier@ircarmy.com #CN4Iran #ICA #baidu

@fearlessz: andefaso mailaka ireto adiresy roa ireto, lazao amin'ny Tafika Antserasera Iraniana fa ny lakilen'ny aterinetontsika dia ny GFW! [manda afo lehibe] soldier@cyberarmyofiran.com soldier@ircarmy.com #CN4Iran #ICA #baidu

@cctvWeb: 伊朗网军我告诉你:即使你搞了baidu.com,我们还有更强大的qq.com和cctv.com和people.com.cn和xinhuanet.com #CN4IRan

@cctvWeb: Henoy, ry Tafika Atserasera Iraniana, na dia nahazo an'ny baidu.com aza ianareo, mbola manana ny matanjaka qq.com, cctv.com, people.com.cn sy xinhuanet.com izahay #CN4Iran
@QmQ: #CN4IRan tsy misy dikany ny fijirihana ny baidu satria mampiasa cctv.com xinhuanet.com izahay. Saingy tsy mihevitra aho fa afaka mijirika ireo tranonkala ireo ny tafika antserasera iran
@CN4IranMsVFAB: miahiahy aho fa nojirihana ny Baidu satria mahafantatra ny fanohanan'ny #cn4iran ny #iranelection. Nojirihan'izy ireo ny Twitter tamin'ny farany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.