· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Janoary, 2019

Malezia: Fitsipi-pitondrantena amin'ny rehefa mibilaogy?

GV Mpisolovava  18 Janoary 2019

Taorian'ny fisavorovoroana be teo amin'ny bilaogy Maleziana, nanolo-kevitra ny Minisitry ny Atitany, Datuk Seri Syed Hamid Albar vao haingana fa tokony hanangana fitsipika momba ny fitsipi-pitondrantena azy ireo manokana ny bilaogera mba hiantohana ny maha-tompon'andraikitra sy izay rariny amin'ny asa soratr'izy ireo.

Shina: Voafonja nandritra ny efa-taona ilay mpanohitra an-tserasera

GV Mpisolovava  15 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nogadrain'ny Fitsarana Shinoa any amin'ny faritany atsimo-atsinanana Zhejiang i Chen Shuqing, mpanoratra an-tserasera sady mpikambana mpanorina ny Antoko Demaokraty Shinoa voarara, nandritra ny efa-taona noho ny fiampangana azy ho “nandrisika hamilivily ny fahefam-panjakana.” ” Tena tsy mety ny fanamelohana...

Mijery ny mari-panondroana Indo miaraka amin'ilay mpaka sary Holandey, Ello

  12 Janoary 2019

Ny Indo dia olona manana fototra Indoneziana sy Eoropeana (indrindra indrindra ny Holandey). Manodidina ny roa tapitrisa ireo Indo monina any Holandy, firenena iray izay nanjanaka an'i Indonezia ny taona 1600 hatramin'ny 1945. Misy ihany koa ireo Indo any amin'ny firenena hafa toa an'i Aostralia, Etazonia, ary ny maro hafa.

Shina: Fanaraha-maso ny aterineto taorian'ny fihetsiketsehana Xiamen

GV Mpisolovava  12 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) ” Teo ambanin'ny fandrindrana vaovaon'ny tanàna, tsy maintsy mampiasa ny tena anaran'izy ireo rehefa mandefa hafatra amin'ny tranonkala maherin'ny 100.000 izay voasoratra ao Xiamen ireo mpisera aterineto.” Xiamen dia tanàndehibe any Atsimon'i Shina iray izay ahitana olom-pirenena mampiasa bilaogy, fifanakalozan-kevitra ary hafatra...

Bilaogera Maleziana nosamborina noho ny fanehoan-kevitra nivoaka tao amin'ny bilaoginy

GV Mpisolovava  12 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nosamborina noho ny fanehoan-kevitra nivoaka tao amin'ny iray tamin'ireo bilaogin-dahatsorany tamin'ny taona 2006 ilay bilaogera Maleziana Nat Tan. Nogiazana ny solosainy sy ny solosainy entin-tanana. Notanana vonjimaika nandritra ny efatra andro i Tan, mba hanamorana ny fanadihadiana eo ambanin'ny Lalàna Ofisialin'ny...

Brunei: Twestival Mampiray ny Mpiondana Aterineto

  11 Janoary 2019

Nahavory ireo bilaogera sangany sy mpisehatra aterineto avy amin'ny lafivalon'ny firenena ilay Twestival Brunei voalohany ho fanohanana ny Ivontoerana Fampivoarana ny Ankizy, vondrona iray izay manome fanohanana ho an'ireo ankizy manana filàna manokana.