Shina: Voafonja nandritra ny efa-taona ilay mpanohitra an-tserasera

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nogadrain'ny Fitsarana Shinoa any amin'ny faritany atsimo-atsinanana Zhejiang i Chen Shuqing, mpanoratra an-tserasera sady mpikambana mpanorina ny Antoko Demaokraty Shinoa voarara, nandritra ny efa-taona noho ny fiampangana azy ho “nandrisika hamilivily ny fahefam-panjakana.” ” Tena tsy mety ny fanamelohana azy … Naneho ny heviny ara-politika fotsiny izy. Tokony hanana fahalalahana miteny izy. “Hoy i Li Jianqiang, mpisolovava azy, tamin'ny Reuters .

Manamafy ny antsonay amin'ny famotsorana an'i Chen sy ireo mpanohitra an-tserasera hafa miisa 50 sy ireo mpisera aterineto notanana tany Shina izahay,” hoy ny Reporters Sans Frontières.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.