Malezia: Miady amin'ny bilaogera ny governemanta

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2011)

Nanakarama bilaogera telo ny governemantam-panjakan'ny saikanosin'i Pahang ao Malezia hanoherana ireo fiampangana tsy marina na manendrikendrika sy ireo fanehoan-kevitra navoaka tao amin'ny aterineto.

Araka ny voalazan'i Bernama, nanambara i Datuk Mohd Sharkar Shamsudin, filohan'ny Komitim-panjakana misahana ny Fampahalalam-baovao, ny Siansa, Teknolojia ary ny Fanavaozana, fa handray vola sy omena solosaina ary fidirana amin'ny aterineto any an-tranony ireo bilaogera nokaramaina.

Manantena ny governemantam-panjakana fa afaka manohana ny traikefany ireo mpikarama mba hanazava ny toe-javatra marina amin'ny mpiserasera, ankoatra ny fanomezana domberina sy hevitra amin'ny governemanta.

Lilian Chan nanambara tao amin'ny bilaoginy:

I don’t know [whether] to laugh or to apply for a job with the Pahang Government. Well….what’s with this craze and paranoia on getting bloggers to do white washing?

With all due respect to pensioners and senior citizens, I think this is really a sign that our ruling political parties are getting paranoid. They can hire a thousand pensioners to write a thousand blogs but will we hear and believe them?

Tsy fantatro [raha] tokony hihomehy na hangataka ny asa amin'ny Governemanta Pahang. Eny ary … .inona ity hadalana sy paranoia amin'ny fitadiavana bilaogera hanao fanadiovana ity?

Ao anatin'ny fanajana rehetra ireo olom-pirenena mpikarama sy ny zokiolona, ​​mieritreritra aho fa tena marika tokoa izany fa lasa feno fanahiana tafahoatra ny antoko politika mitondra. Afaka manakarama bilaogera an'arivony izy ireo mba hanoratra bilaogy an'arivony saingy hihaino sy hino azy ireo ve isika?

Ny mety ho nahatonga ity fanapahan-kevitra ity dia noho i Menteri Besar ao Pahang, DatukSeri Adnan Yaakob, nanambara tamin'ny fivorian'ny antenimieram-panjakana fa voaendrikendriky ny bilaogera iray izy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.