· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Janoary, 2019

Shina: Ady amin'ny fihazonam-baovao

GV Mpisolovava  25 Janoary 2019

Nisy sary niparitaka tamin'ny twitter milaza ny fomba fiadian'ny olom-pirenena ao Shina ny fanakanam-baovao sy fanodikodinam-baovaoo ataon'ny andrim-panjakana tao anatin'ny andro vitsy lasa. Eto ambany ny dikanteny momba ny sary.

Shina : Nakatona ny sehatra bilaogy nandritra ny Lalao Olaimpika

GV Mpisolovava  23 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Tsy afaka nidirana intsony efa ho nandritra ny herinandro ny Sohoxiaobao, ilay sehatra ho an’ny bilaogy Shinoa, tsy dia hoe arifomba indrindra, fa iray amin’ireo efa tranainy indrindra ao Shina. Nitatitra ny sakana natao tamin’ny Sohoxiaobao izahay teo aloha;...

Singapaoro: Nogadraina noho ny faniratsirana mpitsara ilay bilaogera 

GV Mpisolovava  23 Janoary 2019

Voasazy higadra telo volana an-tranomaizina noho ny faniratsirana mpitsara ambony tao amin'ny bilaoginy i Gopalan Nair izay nizaka ny zom-pirenena Singapaoreana teo aloha ary nomena ny zom-pirenena Amerikana. Nitatitra ny gazety fa lazain'ny tribonaly fa "nanala baraka ... ny fitsarana sy ny sampan-draharahan'ny fitsarana tao Singapaoro" i Gopalan

Tantsaha Birmana nampangaina tamin'ny lalàna elektronika

GV Mpisolovava  22 Janoary 2019

Notorian'ny Tafika Birmana ireo tantsaha nametraka fitarainana niaraka tamin'ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny asa (OIT) tamin'ny nandraofan'ny Foiben'ny fitoeram-pitaovam-piadiana tany mirefy 2000 hekitara mahery tamin'ny 3 aogositra 2008. Nampangain'ny kapiteny Phyo Wei Lin, mpitondratenin'ny tafika, ireo voampanga ho nandefa vaovao sy zavamisy any amin'ny haino aman-jery vahiny", hoy ny Mizzima News.

Nosakanan'i Indonezia ny YouTube noho ilay sarimihetsika “Fitna”  

GV Mpisolovava  22 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2008 no nivoaka voalohany lahatsoratra) fanavaozam-baovao: Nesorin'Indonezia ny fandraràna ny Youtube.com ny 11 Aprily 2008. Ny pejy izay misy ny sarimihetsika nataon'i Geert Wilders sisa no nosakanan'ny mpanome tolotra Aterineto, hoy ny filoha lefitry ny Fikambanan'ny Mpanome Tolotra Aterineto Indoneziana. Nomen'ny governemanta Indoneziana baiko ny mpamatsy...

Thailandy: Nakatona ny vohikalan'ny trano famoaham-baovao

GV Mpisolovava  22 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nakaton'ny Net Service Ltd mpampiantrano azy ny tranonkalan'ny Fah Diew Kan (Same Sky), gazetiboky ara-tsosialy sy ara-politika mivoaka isan-telo volana, noho ny fanivaivana ny mpanjaka. Nitranga taorian'ny fanerena avy amin'ny Minisiteran'ny Teknolojiam-baovao sy ny Fifandraisana (TIC) izany. Nilaza tamin'ny tranonkalan-gazety...

Malayzia: Nohadihadiana ilay mpiangaly Rap tao amin'ny YouTube

GV Mpisolovava  21 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nohadihadian'ny polisy momba ny hirany rap, izay nanasongadina ny hiram-pirenena Maleziana “Negaraku”, tao amin'ny feo lafika i Wee Meng Chee, fantatra amin'ny anarana hoe Namewee.  Niteraka resabe tamin'ny taon-dasa (2007) ity hira ity izay mitondra ny lohateny hoe ‘Negarakuku’,...