Tantara misongadina mikasika ny Holandy
Tantara mikasika ny Holandy
Ankizivavy “Trans” avy any Rosia namono tena tao amin'ny toby fialokalofana
Mampiharihary ny olana amin'ny fahazoana fitsaboana ara-tsaina sy ara-pahasalamana any anatin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana ity tranga mahatsiravina ity. Atahorana fatratra ny amin'ireo solontenan'ny vondrom-piarahamoninaLGBTQ+ raha tonga amin'ny famonoantena ny resaka.
Ahoana izany any Fryslân, Holandy, henika fiteny Frisian ny toerana rehetra amin'ny fiainana andavanandro, eny fa na dia amin'ny aterineto aza
".. hifanena amin'ny Frisian ianao ary hampiasa izany na aiza na aiza ao amin'ny faritany: any amin'ny mpanao mofo, any amin'ny fivarotan-dehibe, any amin'ny trano famakiam-boky, any amin'ny dokotera, any am-pianarana.."
Ireo tantara sangany ao amin'ny Global Voices momba ny olan'ny toetrandro, raha mandinika ny Andron'ny Tontolo Iainana Manerantany izao tontolo izao
Andron'ny Tontolo Iainana Manerantany, topimaso momba ireo fitantaran'ny Global Voices momba ny fiovaovan'ny toetrandro izay nahasarika ny sainay indrindra hatreto tamin'ity taona ity.
Nosakanan'ireo mpikatroka Holandey momba ny toetrandro ny fidirana ao amin'ny Minisiteran'ny Toetrandro hitakiana ny famoahana ny “Shell Papers”
Antso ho an'ny fangaraharan'ny governemanta mikasika ny fampiasana ny volam-bahoaka sy ny fifandraisan'ny fanjakana amin'ny Shell no anton'ny fihetsiketsehana.
Mandefa taratasy any amin'ny ICC (CPI) momba ny famonoana ireo mpitarika ara-tsosialy ireo Kolombiana mpikatroka
Mpitarika ara-tsosialy sy mpikatroka ara-piarahamonina mihoatra ny 163 no novonoina nandritra izay telo taona lasa izay tany Kolombia.
Holandy: Firenena voalohany ao Eoropa ahitana tsy fitongilanana antserasera
Andro iray hankalazaina any Holandy ny 8 May 2012 noho izy lasa firenena voalohany ao Eoropa miaro ny olom-pireneny amin'ny alalan'ny fametrahana ny tsy fiandaniana amin'ny aterineto ao anaty lalàna.
Mijery ny mari-panondroana Indo miaraka amin'ilay mpaka sary Holandey, Ello
Ny Indo dia olona manana fototra Indoneziana sy Eoropeana (indrindra indrindra ny Holandey). Manodidina ny roa tapitrisa ireo Indo monina any Holandy, firenena iray izay nanjanaka an'i Indonezia ny taona 1600 hatramin'ny 1945. Misy ihany koa ireo Indo any amin'ny firenena hafa toa an'i Aostralia, Etazonia, ary ny maro hafa.
Holandy: Tafaray ireo vehivavy am-pielezana Amerikana Latina
Nikarakara fihaonambe ho an'ireo vehivavy mpifindra monina Amerikana Latina sy Karaiba any Amsterdam ny fikambanana Eoropeanina DiasporaSolidaria.org, izay nifanakalozany hevitra toy ny zon'izy ireo, ny toetra miovaova amin'ny fianakaviana sy ny fandaniana. LA Ruta mitondra antsika lahatsary fohy mandrakitra ny sasantsasany amin'ny zavatra niainan'izy ireo.
Holandy: Ao amin'ny Twitter i Sven Kramer, nahazo medaily volamena
Ho an'ny Holandey, nanomboka tamin'ny fifaninanana tena lehibe ny Lalao Olaimpika Ririnina 2010 tany Vancouver: fikorisana an-dranomandry 5000 metatra haingam-pandeha. Nanantena ny firenena iray manontolo (sy ny hafa eo amin'ny tontolon'ny fikorisana andranomandry haingam-pandeha) fa ilay Holandey Sven Kramer no hahazo ny volamena,
Holandy: Namoy ny ainy teo amin'ny faha-100 taonany i Miep Gies, Vehivavy nanampy an'i Anne Frank
Araka ny tatitry ny BBC, namoy ny ainy teo amin'ny faha-100 atona i Miep Gies, ilay hany mpikambana sisa velona tao amin'ny tarika izay nanampy an'i Anne Frank sy ny fianakaviany Jiosy handositra ny fisamborana tao Holandy nandritra ny Ady Lehibe Faha-2.