· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Novambra, 2018

Vaovao momba ny Fahalalaham-pitenenana 

  20 Novambra 2018

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ny fivoarana farany momba ny fandrahonana ny Fahalalaham-pitenenana nandritra ny herinandro . Miaraka amin'ny Reporters sans frontières Shina: Mpanohitra an-tserasera roa no naraha-maso nandritra ny fitsidihan'ny mpiaro ny zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana Nanara-maso an'i Liu Di, tanora mpisera aterineto...

Fanentanana Takio ny Fahalalahana Maneho Hevitra Ao Kambodza

  19 Novambra 2018

Tamin'ny Fiandohan'ny Taona, nanakoako ireo asan'ny Governemanta Kambodziana mba hampanginana an'ireo tsikera atao amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana, narahin'ireo fisamborana mpikatroka Mpiaro ny Zon'Olombelona Kem Sokha, Yeng Virak ary Pa Nguon Teang. Ireo fisamborana ireo dia nateraky ny sora-baventy narantiranty noho ny Andro Natokana ho an'ny zon'olombelona natao ny 10 Desambra 2005

Mangina avokoa ny ao amin'ny mandatehezana Shinoa

  18 Novambra 2018

Mbola nisarika adihevitra mafana hatrany ny lohahevitra momba ny aterineto sy ny fanivanana gazety ao Shina taorian'ny fandrenesan'ny kongresy Amerikana momba ity olana ity tamin'ny herinandro lasa.

Famahanana bilaogy amin'ny fiteny Kambodziana

  17 Novambra 2018

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Masoivohom-panjakana manara-maso ny politikan'ny fifandraisan-davitra ao amin'ny firenena ny NIDA, (Fahefana Fampandrosoana ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao Nasionaly). Mandrisika ny fampiroboroboana sy ny fametrahana ny rindrambaiko Open Source ny politikan'ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao an'ny Governemanta Kambodziana. Ny Tetikasa Khmer Open Source no niara-niasa...

Tandindonin-doza ny tokatandroka mainty ao Zimbaboe noho ny fanafoanan'i Shina ny fandraràna nihatra 25 taona

  15 Novambra 2018

Tsy mbola manana ny loharanom-bola ilaina mba hanamafisana ny fiarovana sy hampiroboroboana ny fahaiza-manao amin'ny fanaraha-maso sy ny fitsongona dia ireo mpihaza tsy ara-dalana any amin'ny valan-javaboary nasionaly any Zimbaboe ireo mpandala ny tontolo iainana.Vao mainka hanasarotra ny toe-draharaha ny fanafoanan'i Shina amin'ny ampahany ny fandrarana ao anatin'ny 25 taona.

Shina: Ny krizin'ny rano tany Harbin

  14 Novambra 2018

Tapaka ny famatsian-drano nandritra ny efatra andro tao Harbin, tanàndehibe iray any avaratra atsinanan'i Shina, taorian'ny fipoahana nitranga tao amin'ny orinasan'ny akora simika ka nahatonga ny fandotoana ny ranony rehefa niparitaka izany.

Myanmar (Birmania) : Ny Barcamp Yangon voalohany

  14 Novambra 2018

(Marihina fa tamin'ny volana Febroary 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Fahombiazana lehibe ny Barcamp Yangon 2010 izay natao voalohany tao Myanmar (Birmania) nandritra ny roa andro, niaraka tamin’ny mpandray anjara maherin’ny 2.700 tamin’ity hetsika ity. Ireo nanatrika nandritra ny lanonana fanokafana Natao tao amin’ny Info-Tech tamin’ny faha 23 sy...

Hetsi-panoherana Shinoa tamin'ny famoretana ny BBS

  13 Novambra 2018

Nitatitra tao amin'ny China Digital Times i Xiao Qiang fa nanao hetsi-panoherana tamim-pahavitrihana an-tserasera - ary tamim-pilaminana kokoa ivelan'ny aterineto ireo mpianatra Shinoa- taorian'ny nanombohan'ny manampahefana Shinoa nametra ny fahafahana miditra amin'ireo famoaham-baovao an-tserasera manan-danja sasany ao Shina. Hoy i Xiao raha nitatitra :