Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hetsi-panoherana Shinoa tamin'ny famoretana ny BBS

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Qinghuademo1_1 Qinghuademo2_2

Sary: 18-03-2005. Andro Fetin'ny SMTH BBS ao amin'ny Community.webshots.com

Nitatitra tao amin'ny China Digital Times i Xiao Qiang fa nanao hetsi-panoherana tamim-pahavitrihana an-tserasera – ary tamim-pilaminana kokoa ivelan'ny aterineto ireo mpianatra Shinoa- taorian'ny nanombohan'ny manampahefana Shinoa nametra ny fahafahana miditra amin'ireo famoaham-baovao an-tserasera manan-danja sasany ao Shina. Hoy i Xiao raha nitatitra :

From March 16, some of the most influential University BBS (Bulletin Board System) in China, including the one of Tsinghua University (smth.org), Peking University (ytht.org) and Nanjing University (lilybbs.org), have been restricted to users with an IP inside the university only. That means public users, who make remarkable contribution to the conversation, are not able to access these BBS any more. Before, these BBS hosted very active public forums and attracted millions of registered visitors inside and outside the university. Protests have been organized around Chinese universities. People are calling it an insult on the freedom of speech, but soon their posts were deleted and their voice stifled by university administration.

Ny 16 Martsa 2005, voafetra ho an'ireo mpisera manana IP ao anatin'ny oniversite irery ihany ny sasany tamin'ireo BBS (Bulletin Board System ~lahatsoratry ny rafitra fafana) Oniversite manan-danja indrindra ao Shina, anisan'izany ny an'ny Oniversiten'i Tsinghua (smth.org), ny Oniversiten'i Peking (ytht.org) ary ny Oniversiten'i Nanjing (lilybbs.org). Midika izany fa tsy afaka miditra amin'ireo BBS ireo intsony ireo daholobe mpisera izay mandray anjara mavitrika amin'ny resaka. Talohan'izany dia nampiantrano ireo sehatra fifanakalozan-kevitra mavitrika ho an'ny daholobe ary nahasarika mpitsidika voasoratra anarana an-tapitrisany anatiny sy ivelan'ny oniversite ny BBS. Nisy ny hetsi-panoherana natao nanerana ireo Oniversite Shinoa. Niantso izany ho fanevatevana ny fahalalaham-pitenenana ny olona, ​​saingy tsy ela dia nesorina ny lahatsoratr'izy ireo ary notsetseman'ny tompon'andraikitry ny oniversite ny feon'izy ireo.

Vakio ny tatitra feno momba ny antsipiriany rehetra.

Mahaliana, efa misy ny fanamarihana technorati  FANAVAOZAM-BAOVAO: fipaingorana Technorati tsara kokoa .

Ho an'ireo izay tsy afaka mamaky ny bilaogy Shinoa dia mitatitra ny tantara rehetra i Danwei . Mitatitra ny tranga ihany koa i Fons Tuinstra.

Toa seriny ireo gazety mitantara ny Vary Condi ka tsy mbola niraharaha momba ity tantara ity izy ireo.

FANAVAOZAM-BAOVAO: Nanana ity fanehoan-kevitra ity i Isaac Mao:

I wrote on CNBlog that not only BBS is dying in China as a majoy window to watch China's public voice, but also those centralized Blog hosting services. They are all very easy to be blocked or orderred to shut down by gov. I'm happy to see that more and more netcitzen and bloggers realized it and moving to more distributed blogging solutions.

But another funny thing is that China government is commanding all internet web sites to register(including personal web sites)[via zheng]. If you have a web site hosting in China, e.g. abc.com, you should register under China gov central database first. They want to control the whole internet in this way, but I think it's so foolish they didn't understand how huge the web will be and the explosion of internet objects will eventually flood their stupid effort.

Nosoratako tao amin'ny CNBlog fa tsy hoe eo andalam-pahafatesana ihany ny BBS ao Shina amin'ny varavarankely lehibe mba ahitana ny feon'ny besinimaro ao Shina, fa toy izany ihany koa ireo foiben-tolotra fampiantranoana bilaogy. Tena mora tokoa ho an'ny governemanta ny manakana sy mibaiko azy ireo hakatona. Faly aho mahita fa maro ireo mpisera amin'ny aterineto sy bilaogera no nahatsapa izany ary nifindra nankany amin'ny vahaolana amin'ny famahanana bilaogy azo zaraina bebe kokoa.

Saingy ny zavatra mahatsikaiky iray hafa dia mandidy ny tranonkalan'ny aterineto rehetra mba hisoratra anarana (anisan'izany ny tranonkala manokana) [amin'ny alàlan'ny zheng] ny governemanta Shinoa. Raha manana tranonkala fampiantranoana ao Shina ianao, ohatra ny abc.com, dia tokony hosoratana ao amin'ny fitoeran'angondrakitry ny governemanta Shinoa aloha izany voalohany indrindra. Te-hifehy ny aterineto iray manontolo izy ireo amin'izany fomba izany, saingy heveriko fa hadalana tanteraka izany satria tsy takatr'izy ireo hoe hatraiza ny halehiben'ny habaka ary hanafotra ny ezaka tsy misy fotony ataon-dry zareo ny fipoahan'ny tontolon'ny aterineto hiroborobo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.