Vaovao momba ny Fahalalaham-pitenenana 

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny fivoarana farany momba ny fandrahonana ny Fahalalaham-pitenenana nandritra ny herinandro .
Miaraka amin'ny Reporters sans frontières

Shina: Mpanohitra an-tserasera roa no naraha-maso nandritra ny fitsidihan'ny mpiaro ny zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana

Nanara-maso an'i Liu Di, tanora mpisera aterineto izay nogadraina nandritra ny herintaona (2002-2003), sy i Liu Xiaobo, olo-malaza tamin'ny hetsika manohana ny demokrasia Shinoa ny manampahefana Shinoa, nandritra tontolo andron'ny 29 Aogositra 2005 rehefa nandray ny fitsidihan'i Louise Arbor, lehiben'ny komity mpiaro ny zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana izy ireo .

Vietnam: Norisihina hamela heloka ireo mpanohitra an-tserasera amin'ny aterineto ny governemanta

Niantso ny minisitry ny fitsarana Uong Chu Luu sy ny filoha Tran Duc Luong ny Reporters Sans Frontières mba hampiditra an'i Pham Hong Son, Nguyen Khac Toan sy Nguyen Vu Binh tao amin'ny lisitry ny gadra izay nahazo famelan-keloka tamin'ny faha-60 taonan'ny fahaleovantenan'i Vietnam ny 2 Septambra 2005.

Fifaninanana bilaogy Deutsche Welle 

Nasaina hifaninana amin'ny sokajy fahalalahana maneho hevitra izay tohanan'ny Reporters Sans Frontières ireo bilaogera .
Nikarakara ny andiany faharoa tamin'ny Best Of The Blogs (Bilaogy Tsara Indrindra) – na BOBS ny Deutsche Welle- fifaninanana natao ny 1 Septambra 2005. Nanohana ny sokajy manokana ho an'ny bilaogy miaro ny fahalalaham-pitenenana ny Reporters Sans Frontières.  Nasaina hampiasa ny pejy an-tserasera mba hanolorany ny bilaoginy tiany indrindra (ao anatin'ireo fiteny miisa sivy) ireo mpisera aterineto.

Ny tranonkala BOBs 
Atolory ny bilaogy tianao

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.