‘Nivonona ny higadra aho': Manolotra fanantenana mialoha ny fitsarana azy ny mpanorina ny Hetsika Elo tao Hong Kong

Benny Tai, Chan Kin-man ary ny Reverend Chu Yiu-ming. Saripika: Ezra Cheung nandalo Hong Kong Free Press izay misy fifanaraham-pifampizarana votoaty.

Naotin'ny tonia: vondrona mpianatra nahazo diplaoman'ny sosiolojia avy ao amin'ny Oniversite Shinoa ao Hong KOng no nandray anjara tamin'ny fanaovana ity lahatsoratra ity.

Hijoro eo anoloan'ny fitsarana anio alatsinainy 19 novambra 2018 ireo telo mirahalahy mianaka nanorina ny Hetsika tao Hong Kong manana ny anarana hoe hetsika ‘Occupy Central’ [bodoy ny foibe], izay fantatry ny olona kokoa amin'ny hoe ‘Umbrella Movement’ [Hetsika Elo] noho ny fiampangana ho manao tetika manelingelina ny vahoaka, fandrisihana olona hanelingelina ny vahoaka. Raha meloka amin'izay ny mpampianatra profesoran'ny sosiôlojia Chan Kin Man, ny profesoran'ny lalàna Benny Tai, ny Reverend Chu Yiu-ming, ary ireo mpikatroka pro-demaokrasia enina hafa dia mety hiatrika sazy faratampiny fito taona.

Hetsika nahazo vahoaka be tanelanelan'ny Septambra-Desambra 2014 ny ‘Hetsika Elo’ izay nanosika ho amin'ny amin'ny zon'ny olom-pirenena ao Hong Kong hanendry ny mpitarika faratampon'ny tanàna. Na izany aza dia niafara tamin'ny fandefasan'ny governemantan'i Hong Kong etona mandatsa-dranomaso tamin'ny mpanao fihetsiketsehana milamina izay lasa niparitaka tamin'ireo toerana telo afovoan-tanàna sady akaiky ny Central, Causeway Bay ary Mongkok izany. Nifarana tamin'ny desambra ity hetsika sit-in mbola tsy hita tany eo aloha ity rehefa nisy ny fifandonana sasantsasany tamin'ny polisy. Nanomboka tamin'io fotoana izao, mpikatroka mihoatra ny arivo no nosamborina noho ny nandraisany anjara tamin'ny fihetsiketseham-panoherana, mihoatra ny 220 no efa voatsara ary tokotokony ho 81 amin-dry zareo no efa nahazo didy fanagadrana.

“Efa nivonona higadra aho”

Mialoha izao fotoam-pitsara izao, efa nampianatra tao amin'ny Oniversite Shinoa ny profesora Chan tamin'ny 14 novambra izay niarahany tamin'i Benny Tai, Chu Yiu-ming ary voampanga enina hafa. Ny resaka naharitra telo ora izay nitondra ny lohateny hoe Fahatsiarovana ho an'ireo mpandrehitra, dia natrehin'olona maherin'ny 600 izay mpianatr'i Chan taloha sady mpikatroka pro-demaokrasia ny ankamaroany.

Nanazava ity profesoran'ny sosiolojia 59 taona ity fa efa nitsinjo mialoha ny amin'ny mety handehanana any am-ponja izy ary efa nangataka ny hisotroronono mialoha tamin'ity taona ity.

Ho fandrisihana ireo tanora hijoro hiaro izay hinoany dia hoy izy,

I am prepared to go to jail… So long as we are not crushed by the trial and the prison sentence, and we do not become depressed or angered, then we will come out stronger.

Efa nivonona ny ho any am-ponja aho… Raha mbola tsy potipotiky ny fitsarana sy ny didy mankany amponja isika, ary tsy kivy na tezitra, dia hivoaka matanjaka kokoa isika.

Nosoritany fa tsy ratsy fijery izy mijery ny hoavy ary tsy manana fahatezerana na alahelo, fa fankasitrahana ihany. Nolazainy fa mihetsi-po amin'ny fanohanana voarainy sy voarain'ny hafa izy:

It makes me believe in the goodness in people – it is our hope. I hope you do not give up – “we can only see the stars in the darkest hours.”

Mahatonga ahy hino ny fahatsarana ao amin'ny vahoaka izany – izay no fanantenanay. Manantena aho fa tsy hijanona ianareo – “Ao anatin'ny ora tena maizina indrindra ihany no ahitantsika ireo kintana maro”

Ny lalany mankany amin'ny tsy fankatoavan'ny sivily

Nitantara indray ny lala-nizorany amin'ny maha-mpikatroka azy i Chan niverina tany amin'ny taona 1977 rehefa nasain'ny mpianatra zokiny hanatrika fihetsiketseham-panoheran'ny mpianatra amin'ny tsy fahaiza-mitantana ny jobilin'ny sekoly ambaratonga faharoa. Taorian'ny fihetsiketsehana izy nisafidy ny hianatra sosiolojia tao amin'ny Oniversite Shinoa.

Nandritra ny fotoana nianarany tao amin'ny onversite, nandray ny politikam-pisokafana i Deng Xiaoping, mpitarika faratampony tao Shina tamin'izany fotoana izany. Na izany aza anefa, tsy nitondra nankany amin'ny tontolo politika misokatra kokoa ny fanalalahana ara-toekarena. Nahazo aingam-panahy avy amin'ny Shinoa mpikatroka avy ao amin'ny tanibe antsoina hoe Wei Jingsheng izay nigadra 15 taona noho ny fanoratana lahatsoratra lava mitondra ny lohateny hoe “ny maodernizasiona fahadimy” izany hoe ny maodernizasiona politika tamin'ny taona 1978 i Chan. Nankamamian'i Chan ihany koa i Hu Ping, mpianatra mbola haka diplaoma tao amin'ny Oniversiten'i Beijing tamin'ny taona 1979, izay nanoratra ho an'ny gazety iray mivoaka tsy ara-dalàna momba ny lanjan'ny fahalalaham-pitenenana sy nilaza fa “Raha tsy afa-maneho ny fijeriny sy ny zony ny olona iray, dia ho lasa andevo sy fitaovana politika izany olona izany.”

Tamin'izany fotoana izany i Taiwan mbola tao anaty fitondrana anaty tany miady sy ny jadon'ny Kuomingtang. Tanora maro ihany koa no nijoro nitaky ny demaokrasia ary lasa fakan-tahaky ny vondrom-piarahamonina shinoa hafa tao Azia, ary tafiditra amin'izany i Hong Kong. Mbola tsaroany hatrany ny tsiky tamin'ilay mpikatroka politika tao Taiwan antsoina hoe Shih Ming-teh rehefa nodidiana higadra mandra-pahafaty izy io tamin'ny taona 1979.

Tany amin'ny fanombohan'ny taompolo 1980s, efa nanomboka tamin'ny fanaovana fifampiraharahana ara-diplaomatika amin'ny hoavin'i Hong Kong ny governemanta britanika sy shinoa. Nisy ihany koa ny adihevitra mafana tao Hong Kong nandritra izany fotoana izany izay nifanaovan'i Chan sy ireo sendikan'ny mpianatra ao amin'ny Oniversite Shinoa manohana ny ‘Fiverenana demaokratika’ mankany Shina.

Nandeha nankany amin'ny Oniversite Yale tany Etazonia hianatra hahazo ny maripahaizana doktorà i Chan. Tany izy resy lahatry ny profesora espaniola Juan J. Linz, izay manana teoria politika mifandrohy amin'ny hetsika demaokratizasiona any amin'ny firenena tahaka an'i Brezila.

Rehefa niverina avy nianatra tao Yale nankany Hong Kong i Chan tamin'ny taona 1992, dia nanapa-kevitra ny hampiroborobo ny fivelaran'ny firaisamonim-pirenena tao Shina Tanibe. Tamin'izany fotoana izany izy nanatevin-daharana ny hetsika pro-demaokrasia tao Hong Kong. Eny fa nandritra izany fotoana izany, nilaza tsy am-pihambahambana izy fa mhafeno ny fepetra handraisana ny demaokrasia i Hong Kong  – matanjaka ny firaisamonim-pirenena, ny fampanjakana ny lalàna ary nisy ny mpanohitra ara-politika.

Na izany aza, ao anatin'izao tontolo politika sy ny fanafoanana ny Hetsika Elo izao, ahoana ny fihetsehan”ny vahoakan'i Hong Kong? notondroin'i Chan ireo tolona lava niainana nandritra ny fotoam-pahaveloman'i Nelson Mandela, Martin Luther King, ary Mohandas Karamchand Gandhi. Mihevitra izy fa ny fanagadrana an'i Nelson Mandela no niteraka fahatanjahana ara-maoraly sy aingam-panahy tamin'ny hetsika tsy fankatoavan'ny sivily hihaika ny antoko nitondra.

Navoakan'i Chan fa niezaka izy ny hifandray amin'i Beijing mialoha ny handraisany anjara mavitrika amin'ny hetsika tsy fankatoavan'ny sivily. Saingy tsy nahomby ny fifandraisana ary nahatsapa izy fa tsy hiantoka ny hisian'ny demaokrasia marina ho an'ny vahoakan'i Hong Kong i Beijing. Nifanindry tamin'izany ny nanoratan'i Benny Tai lahatsoratra an-gazety miresaka tsy fankatoavan'ny sivily ary nanatona azy hiresaka amin'ny hanombohana hetsika “Occupy Central”. nihevitra i Chan fa 5 isanjato monja ny taham-pahombiazana tamin'izany, “saingy mety ilay fotokevitra tohanana, ka maninona tokoa raha raisina ilay herijika 5 isanjato?”

Namarana ny fampianarany izy tamin'ny fanatsongana teny avy amin'i Irving Stone tao amin'ny Lust for Life – izay tantaram-piainan'i Vincent van Gogh lasa toy ny noforonina:

You cannot be firmly certain about anything. You can only have enough courage and strength to do what you consider to be right. Maybe it turns out that was wrong, but still you would have done this, and it is most important.

Tsy afaka ny matoky feno amin'ny zavatra iray ianao. Fa herimpo sy tanjaka ampy ihany no azonao ananana hanaovana izay heverinao fa marina. Mety hivoaka avy eo fa diso iny, saingy tokony hanao izany ihany ianao, ary izay no tena zava-dehibe.

Ary ny toroheviny amin'ny mpianatra:

I want you to follow your nature, create truth, goodness, beauty, I want you to feel your life is worthy.

Tiako ianareo hanaraka ny natioranareo, hanangana (ny) marina, (ny) fahatsarana, (ny) hatsaran-tarehy, tiako ianareo hahatsapa fa misy lanjany ny fiainanareo.

Nandritra ny valan-dresaka misokatra dia nanontaniana izy amin'ny fifandraisany amin'ireo taranaka vaovaon'ny tanora mpikatroka radikaly izay mino ny fahaleovantenan'i Hong Kong. Izao no nasetrin'i Chan:

Although I don’t agree with independence nor violence. I understand they are doing what they could to find a way out for Hong Kong, and are searching for a new discourse of democracy. They argue intensely with me, or outrightly ignore me, but at least they haven’t given up, and still hope to find a way. It is a chaotic situation, no one would be entitled to say that he/she knows best. I could only offer them some insight about potential problems, to the best of my experience and knowledge.

Na dia tsy ekeko aza ny hevitra fahaleovantena sy herisetra. Dia takatro fa nanao izay ahitana lalana ho an'i Hong Kong ry zareo, ary mitady fomba fiteny vaovao amin'ny demaokrasia. Mifandresy lahatra fatratra amiko ry zareo, na manao izay tsy iraharahiana ahy, saingy farafahakeliny aloha tsy nitsahatra ry zareo, ary mbola manantena ny hahita lalana. Toe-draharaha mikorontana tanteraka izao, tsy misy manaiky hilaza fa izy no mahafantatra izany tsara indrindra. Ny zavatra azoko atolotra an-dry zareo dia ny olana mety hitranga, amin'ny tsara indrindra tamin'ny zava-niainako sy ny fahalalako.

Faly izy fa efa nieritreritra ny amin'ny fijoroana politika ananany sy ny tetipanorony ny olona taorian'ny Hetsika Elo. Nataon'i Chan ho ohatra fakan-tahaka i Edward Leung. Nodidiana higadra enin-taona noho ny nandraisany anjara tamin'ny rotaka tao Mongkok tamin'ny taona 2016 ity mpikatroka mpanohana ny fanaleovantenan'i Hong Kong 27 taona ity.

I could see it on Edward Leung, that he did a lot of reflection… He remarked, ‘Independence might not be the only way,’ and [now] he’d talk about this sort of things. I could also see it on other senior democrats, as they start to understand the frustration behind the slogan ‘I am Hongkonger, not Chinese’. I hope such kind of empathy would be a starting point for mutual understanding.

Hitako izany ao amin'i Edward Leung, fa efa nieritreritra lalina izy… Nanamarika izy fa tsy ny fahaleovantena ihany no lalana, ary [ankehitriny] izy te-hilaza zavatra maro. Hitako ihany koa izany amin'ireo mpitarika demaokraty hafa, rehefa manomboka tonga saina ry zareo amin'ny likiliky ambadiky ny teny tarigetra hoe ‘HongKonger aho fa tsy Shinoa’. Manantena aho fa izany karazana fahatsapana izay tsapan'ny hafa izay no toeram-piaingana ho amin'ny fifankahazoana ny hevitry ny hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.