· Marsa, 2018

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Marsa, 2018

Japàna: Topimaso Amin'i Yasukuni, Ilay Sarimihetsika.

  14 Marsa 2018

Nahatonga adihevitra ny sarimihetsika fanadihadiana iray naha-be resaka momba ilay fasan'i Yasukuni, notontosain'ny Shinoa iray mpanatontosa sarimihetsika tamin'ny alalan'ny famatsiambola nomen'ny masoivohom-panjakana Japoney, taorian'ny nikarakaran'ny vondrona iray eo amin'ny fitondrana, ny LDP, ny fandefasana izany mba hitsarana ny "tsy fiandaniany". Nanolotra fomba fijery samihafa momba ilay toe-draharaha sy ilay hevitry ny governemantan'izy ireo izay lazain'ny sasany fa sarimihetsika "politika" ireo blaogera.

Japana : Fitomboana Tahanà Famonoantena Be

  09 Marsa 2018

Nandritra iny faran'ny herinandro iny, nitatitra resaka trangana famonoantena maro ny filazambaovao Japone izay misy ifandraisany amin'ny fampiasàna "gaz de sulfure d'hydrogène", tamin'ny fanomezany famaritana amin'ny antsipirihany ny singa ao anatiny sy ny fomba nampiasana azy, hatramin'ny mombamomba ireo niharan-doza ihany koa. Tena nipariaka be sy namendrofendro be ilay fanadihadiana vao nivoaka tsy ela akory izay, hany ka notakian'ny Japan Suicide Prevention Association (Fikambanana Japone Miady Amin'ny Famonoantena) ny mba hitandreman'ireo vondrona filazambaovao misimisy kokoa amin'ny famoahana ireo fanadihadiana ataony