Haseho Sa Tsy Haseho Ao Shina

(Fanamarihana.: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febraory 2006)

Ilay Tantara navoakan'ny Tranom-pamokarana lehibe iray ao Hollywood mitondra ny lohateny Memoir of A Geisha dia toa nandalo fahasahiranana raha vao tonga tao amin'ny trano fijerena sarimihetsika tao Shina. Nalaina avy tamin'ny  boky best-seller an'i Arthur Golden ilay sarimihetsika izay mitondra io lohanteny io ihany, mitantara ny fiainan'ilay Japone mpandàla ny nentim-paharazana, nandritry ny ady lehibe faharoa. Notontosain'i Rob Marshall izay fantadaza ao Chicago.

Nahatonga resabe tao Shina sy tao Japana ilay sarimihetsika tamin'ny nanomezana ho anà vehivavy Shinoa mpilalao sarimihetsika ny toerana fototra telo maneho ireo vehivavy Japone  geisha : Zhang Ziyi sy Gong Li izay samy avy ao Shina, ary Michelle Yeoh avy ao Malezia avy any Hong Kong fa kosa Shinoa ny razambeny .

Ilay sarimihetsika dia voalaza fa nahazo fankatoavana avy amin'ilay andrarezin'ny fandrindràna  sarimihetsika Shinoa SARFT (State Administration of Radio, Film and Television), izay taty aoriana dia notsipahan'ireo manampahefana ambony. Mazava ho azy, nahian'ireo manampahefana ireo sao vao aminka hanamafy ny fankahalan'ny Shina ny Japone ilay sarimihetsika . Ny taona 2005, nipoaka ny hetsika ho fanoherana ny Japone teny amin'ny tanàna maro tao Shina taorian'ilay nanitsian'i Japàna ny tantarany voalaza tanaty boky miresaka ny Ady Lehibe Faharoa. Voatery nandràra ilay hetsika ny governemanta alohan'ny tsy hitaran'ilay izy. Sarina taovam-pananahana miboridana izay voalaza fa avy ao amin'ilay sarimihetsika, ahitàna an-dramatoakely Zhang Ziyi, no nipariaka be tanaty aterneto, nanetsika ny fankahalàna ny Japone talohan'ny fivoahan'ilay sarimihetsika. Maneho izany fihetsempo izany an-katezerana, ny blaogera Shinoa iray tamin'ny fanontaniana hoe :

[nadika] Zhang Ziyi, tamin'ny ianao nanary lamba teo ambony vatana Japone iny , nosaininao ve ny maha Shinoa anao ? Ito taona ito no hankalazàna ny faha 60 taonan'ny filavoan'i Japana teo anatrehantsika. Adinonareo ve ny tantara ? Adinonareo ve ny henatra nobaben'ny firenentsika ? …

Ziyi tsy ampy vola ve ianao ? Tsia. Ziyi tsy ampy laza ve ianao ? Tsia. Koa nahoana ary ianao no niadaladala nanaiky hiantsoroka ny toerana geisha izay tsy tian'ny vehivavy Japone ho lalaovina akory?…

Na oviana na oviana, tsarovy fa Shinoa ianao. Ny teny aloaka ny vavanao sy ny fihetsika rehetra ataonao ivelan'i Shina dia tsy anao amin'ny maha Zhang Ziyi anao, fa an'ny Shinoa rehetra. Maneho ny fahamendrehan'ny firenena ianao…

Tsy ny Memoir of A Geisha irery ihany akory no sarimihetsika nokianin'ireo Shinoa mpanivana . Brokeback Mountain, izay tantaram-pitiavan'ireo pelaka cowboy roa lahy niaraka  nifampisankambina tsy misy fiafarany tao anatin'ilay sarimihetsika Amerikana nahazo loka tamin'izany vaninandro izany, dia voalaza fa  voaràra ihany koa. Nitranga izany, taoriana kelin'ny nanasoasoan'ilay filoha mpitantana Ang Lee an'i  Azia  ho firenena malala-tsaina amin'ny resaka firaisana ara-nofo. Ny tena marina, A Date With Lu Yu (Lu Yu You Yue), (Fotoana iarahana amin'i Lu Yu) iray amin'ireo fandaharana malaza ao Shina, dia nanindrahindra ilay sarimihetsika Brokeback Mountain tamin'ilay fandaharany manokana” maningotra ny rehetra ny fitiavana ” tao anatin'ny fotoana natokana ho an'ny fiarahan'ny lahy samy lahy ny volana Novambra 2005,

Impiry isika no hamaky ny fanivanana ireo sarimihetsika roa ireo? Shinoa iray mpanao fanadihadiana no nilaza fa ny fanivanana ilay Geisha dia

maneho ny tsy fahatomombanan'ny fifandraisana eo amin'ny Japana sy Shina …Raha sivanin'ny departemanta misahana ny fanarahamaso ny sarimihetsika amin'izao fotsiny ilay sarimihetsika ka tsy mijery ny lalam-barotr'ilay orinasa izy ireo dia mety hihevitra ny maro fa tena tsy misy fihetsempo tokoa izy ireo na koa tena mampihatra fitiavantanindrazana bontolo amin'ny vahoaka mihitsy.

Ny resaka ao amin'ilay Angry Chinese Blogger no nanohana fa ny fanivanana ny Brokeback dia hevitra avy amin'ireo mpanivana ihany, fa tsy hevitry ny fiarahamonina akory. Ny ankamaroan'ireo filazambaovao Shinoa, anatin'izany ny gazety an'ny fanjakàna, dia samy nihirahira ny hatsaran'ilay sarinihetsika avokoa, araky ny voalazan'ilay fanadihadiana fohy tao amin'ny Sina, vavahadin-tserasera Aterineto lehibe indrindra ao Shina :

[nadika] Taorian'ny fijerena ilay Brokeback Mountain, talanjona avokoa izahay rehetra. Sarimihetsika miresaka tantaram-pitiavan'ny lahy samy lahy, tena manohina ny fo….Tsaroako ny fanamarihana nataon'ny namako iray fony aho nijery Happy Together taloha. Hoy izy hoe raha tsy raisinao ho lehilahy roa ireo, fa ataonao toy ny vavy sy lahy, dia ho azoko tsara ny fandehan'ny tantara. Kanefa tamin'ilay sarimihetsik'i Ang Lee, tsy nila nihevitra lehilahy sy vehivavy akory aho. Satria tena natoraly be ilay tantara. Miresaka fitiavan'olon-droa ilay izy.

Na ho inona na ho inona, tsinjaraina betsaka eraky ny fivarotàna DVD manerana an'i Shina ireo kapila mangirana DVD hosoka. Taorian'ny fijerena ny Memoir of A Geisha, nanoratra toy izao ny blaogera Shinoa iray :

[nadika] Indraindray aho mihevitra fa ankoatran'ireo vadiny, ny lehilahy koa dia tena mila fanohanana avy amin'ny vehivavy hafa. Ny Geisha dia vady amin'ny antsasany. Fa maninona no lokoina fotsy ny tarehin'izy ireo ? Matahotra ve izy ireo sao ho fantatry ny olona ny marina ? Mila miasa mafy aho, manangom-bola be amin'izay afaka ny hisidina ho any Japana any aoriana any, ka hahalala ny kolontsaina Japone.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.