Japàna: Topimaso Amin'i Yasukuni, Ilay Sarimihetsika.

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2008)

(Vaovao farany: nofoanana daholo ireo tetikasa ho fampisehoana ny “Yasukuni” ao amin'ireo efitrano fijerena sarimihetsika any Tokyo.)

Nahatonga adihevitra ny sarimihetsika fanadihadiana iray naha-be resaka momba ilay fasan'i Yasukuni, notontosain'ny Shinoa iray mpanatontosa sarimihetsika tamin'ny alalan'ny famatsiambola nomen'ny masoivohom-panjakana Japoney, taorian'ny nikarakaran'ny vondrona iray eo amin'ny fitondrana, ny LDP, ny fandefasana izany mba hitsarana ny “tsy fiandaniany”. “Yasukuni” izay notontosain'i Li Ying, natao hivoaka any amin'ny trano fijerena sarimihetsika ny 12 Aprily, dia tavela ho fampisehoana tokana ihany hatreto, noho ny finoana fa mety hiteraka “olana” ilay sarimihetsiaka. Avy any amin'ny lohahevitra sy ny fampahafantarana ilay sarimihetsika ny olana, izay mamakivaky ny tantaran'ny fasan'i Yasukuni amin'ny alalan'ny zanakevitr'ireo sabatra namboarina tany Yasukuni, ny 8.100 amin'ireo dia nampiasana tamin'ny ady nandritra ny taona 1933 sy 1945. Nanao famelabelaran-kevitra ho an'ny mpanao gazety tao amin'ny Klioban'ireo Vahiny Mpampifandray ao Japana i Ineda Tomomi, mpikambana ao amin'ny vondrona LDP, tao anatin'izany no nanazavany ny fomba fijeriny (jereo ny horonampeo sy ny lahatsary amin'ny teny Anglisy / Japoney) momba ny fanatontosana ilay horonantsary ary ilay fanapahankevitra nampifanditra be momba ny hijerena ilay sarimihetsika alohan'ny hamoahana azy.

YasukuniYasukuni shrine (from Wikipedia, see license conditions)… Fasana Yasukuni (avy amin'ny Wikipedia, jereo ny lisansa)

Maro ny mametraka fanontaniana raha mety ny hamatsian'ny governemantam-panjakana vola ny zavatra heveriny ho fanehoankevitra politika aseho ao anatin'ilay sarimihetsika. Manipika ny fampiasana ny volan'ny mpandoa hetra ao amin'ilay sarimihetsika ny blaogera Takeda Jumei:

中国人監督のドキュメンタリー映画「靖国 YASUKUNI」。
何と日本の文化庁から750万円の助成金が出るのだという。
この反日映画に日本の税金が投入されるというのは、文化庁のノー天気ぶりだ。
日本は、映画製作はもちろん言論の自由の国だが、中国の政治指導部の支援を受けなければ活動できない中国人監督の映画は、日本の税金を使わずに中国の金で制作するべきだ。

Horonantsary fanadihadiana “YASUKUNI”, notontosan'ny Shinoa iray mpanatontosa sarimihetsika.
Inoy na tsia, fa raha ny hita dia famatsiambola mitentina 7,5 tapitrisa yen no toa natolotry ny Masoivoho momba ny Kolontsaina ao Japana [ho an'ity sarimihetsika ity] .
Nolaniana tamin'io sarimihetsika tsy tia / manohitra an'i Japana io ny hetran'ireo Japoney — moramorainy loatra ny Masoivoho momba ny Kolontsaina.
Japana dia firenena ahitana ny fahalalahana miteny sy ny famokarana sarimihetsika, saingy Shinoa iray mpanatontosa, izay tsy afaka miasa raha tsy misy ny fanohanan'ny mpitondra Shinoa, dia tokony hovokarina avy amin'ny volan'ny Shinoa fa tsy amin'ny hetran'ny japoney.

Inona anefa no dikan'ny hoe “tsy tia / manohitra an'i Japana”? Manontany ny blaogera dj19:

だいたい、この人達の言っている「反日」ってなんでしょう。靖国神社が現在かかえている様々な問題が記録映画によってあからさまにされることを恐れ「反日」とレッテルを貼って攻撃し「表現の自由」を規制するような圧力を加え人々の目と耳をふさごうとすることの方がよっぽど国民を侮辱した反日活動だと思うんだけど。

Inona izany no antsoin'ny olona hoe “tsy tia / manohitra an'i Japana”? Ny fitsikerana [ilay sarimihetsika] amin'ny alan'ny fiantsoana azy ho “tsy tia / manohitra an'i Japana” ary ny fanampenana ny maso sy ny sofin'ny vahoaka mba hifehezana tsotra izao ny fahalalahana maneho hevitra satria fotsiny matahoatra izy ireo sao ho avoakan'ilay sarimihetsika fanadihadiana ireo olan'ny fasana Yasukuni – Mihevitra aho fa hetsika iray fanampiny “tsy tia / manohitra kokoa an'i Japana izany”, fanompàna ireo Japoney.

Nandritra izany fotoana izany, naka ny toerany mba hanohitra ilay sarimihetsika ny blaogera ponko69:

いかにもサヨクらしい言いがかりだ。
稲田朋美議員は「検閲の意図はまったく無い」と言ったが、国の在りように係わる靖国神社の映画であり検閲して当然である。
反日的な日韓合作映画「あなたを忘れない」や「パッチギ」に文化庁はそれぞれ3000万円の奨励金を与えて話題を呼んだ。
またもや日本の文化庁は反日活動を支援している。
反日イデオロギーを主張する映画に私たちの税金を使ってはならない。

Niteny ny mpikambana ao amin'ny Dieta, Inada Tomomi hoe “tsy mikasa ny hanao sivana izahay”, saingy sarimihetsika momba ny fasana Yasukuni izy ity, izay miresaka ny fomba fitantanana ny firenena, tsy mahagaga izany raha voasivana izy.
Nomen'ny Masoivoho ara-kolontsaina ao Japana famatsiambola mitentina 30 tapitrisa Yen ilay “Ananata wo wasure nai” , sarimihetsika tsy tia / manohitra an'i Japana, sy ny “Pacchigi!”, izay fiarahamiasan'ny Koreanina sy ny Japoney , ary lasa lohahevitra goavana eny anaty adihevitra.
Manohana ny hetsika tsy tia / manohitra an'i Japana ny Masoivoho ara-kolontsaina ao Japana. Tsy tokony laniana amin'ny fanohanana sarimihetsika izay maneho ideolojia  tsy tia an'i Japana ny hetranay.

Mifanohitra amin'izany kosa, manamafy ny blaogera chidakatsu fa tsy olan'ny ny havia / havanana io:

もう一つ。これは、本来なら左右関係ないことなんですが、自分のイデオロギーに自信があるなら、こういう、些細なことでガタガタ騒ぐなよ、と。

この作品を観て、国籍関係なく、靖国神社の存在に興味を持って、それこそ、遊就館を訪れたりとか、そういうことがあれば、“そっちサイド”としてはポジティヴなことなんじゃないの、と。

“反対意見”の存在自体、というか、あること自体が許せない、みたいな雰囲気がある気がするんですよ。国会議員という立場にある人たちの口調の中にも。

Ary ny zavatra iray hafa, tsy misy idiran'ny hoe avy any amin'ny havia ianao na avy any amin'ny havanana, fa izao fotsiny no tiako ambara hoe rehefa manana fahatokisana amin'ny ideolojianao manokana ianao, dia aza manitatra be an'ireo olana maivana.

Taorian'ny fijerena ilay asa, ivelan'ny zom-pirenena, raha lasa liana amin'ny fisian'ny fasan'i Yasukuni ny olona, na ihany koa mitsidika azy mihitsy, dia heveriko hoe lasa zavatra tsara izany “amin'izay lafiny izay”.

Mahatsapa aho fa misy toe-draharaha iray izay ao anatiny ny olona dia tsy afaka mandefitra ny fisian'ny “hevitra tsy mitovy” na ny zavamisy hoe misy ireny hevitra ireny. [Hita taratra izany] na dia amin'ny feon'ireo mpikambana ao amin'ny Dieta aza.

Naneho ny heviny momba ny hakelin'ilay tena famatsiambola, mitentina 73.000 Dolara Amerikanina ny blaogera virginia-woolf :

だいたい、偏向のない映画なんてゴミに決まっているということもわからない政治家たちの文化レベルの低さにも呆れるし、芸術文化振興基金のたった750万円程度の助成を問題視って、たったの750万にケチをつける、まさにその「どケチ」ぶりに唖然としましたね。

基金サイドも一応の審査はやるわけですが、公序良俗にでも反しない限りはイデオロギー的な検閲はやらないわけだし、映画制作における750万なんて、極めてつましい予算で作られ公開されるドキュメンタリー映画の予算を考えれば、政治家が目くじらを立てるほどの話とは、とてもわたしには思えない。

Gaga aho amin'ny hakelin'ny fahaizana ara-kolontsain'ireto mpanao politika izay tsy mahatakatra akory hoe fako ireo sarimihetsika tsy misy fitsarana an-tendrony. Olana ihany koa no fahitàn-dry zareo ilay famatsiambola mitentina 7,5 tapitrisa Yen avy any amin'ny Masoivoho ara-kolontsaina ao Japana – gaga aho amin'ny fitarainan'izy ireo hoe 7,5 Tapitrisa Yen fotsiny ve. Any amin'ny kaonsily, manao karazana tombana izy ireo, saingy raha tsy manohitohina ny filaminam-bahoaka sy ny maoraly [ilay fampiaharana], tsy teren'izy ire ny tsy maintsy hanarahana sivana ideolojika. Raha jerenao ihany koa ny fanganana ny tetibolan'ireo sarimihetsika fanadihadiana izay vokarina sy avoaka amin'ny vidiny tena mirary, ny vola 7,5 tapitrisa Yen ho an'ny fanatontosana sarimihetsika iray amiko dia tsy tokony ho zavatra hahatezitra ireo mpanao politika.

Mitsikera ny zavatra hitany ho toy ny fihatsarana ivelan-tsihy ny blaogera Wally:

この作品の監督・リ・イン氏は日本在住の中国人、映画内容は反日ではなく日本ラブだと述べている。なぜ「ヤスクニハンタイ」の声がアジアから聞こえてくるのか、そのことも知らない日本人は少なくないはずだ。靖国神社についての性格を知り、靖国神社について考えていくことこそ、明日の日本を考えていく国民を生み出すことにつながる。靖国を教えられない靖国親派こそ、反日分子ではないのかな?

Atoa Li Ying, talen'ity sarimihetsika ity, dia Shinoa mipetraka any Japana, ary lazainy fa izay aseho amin'ity sarimihetsika ity dia tsy fankahalàna an'i Japana fa fitiavana an'i Japana aza. Tsy maintsy hoe betsaka ireo Japoney izay tsy mahalala akory ny antony mampisy feo manohitra an'i Yasukuni avy any Azia. Ny fahalalana ny mombamomba an'i Yasukuni sy ny fieritreretana ilay Fasana no hitondra ireo olom-pirenena vaovao izay hieritreritra ny hoavin'i Japana. Ireo olona mpandàla an'i Yasukuni nefa tsy te-hampianatra ny momba an'i Yasukuni, tsy ireny aza ve no tena tsy tia an'i Japana kokoa?

Mifanohitra amin'izany kosa, manambara i Ampontan fa ity no tranga nahitana fa “manao zavatra tsara ireo mpanao politika, saingy noho ny antony maro diso tanteraka”, ary ireo fanehoankevitra dia tsy tokony hanana toerana amin'ny famaritana ny karazana sarimihetsika afaka mahazo famatsiambola avy amin'ny governemanta:

Na inona na inona fanehoankevitra, dia tsy tokony hiteraka fahasamihafàna izany. Ireo izay manohitra ny fitsidihana an'i Yasukuni dia tokony ho eo amin'ny laharana voalohany ihany koa amin'ny fanoherana ny famatsiambola nomen'ny governemanta ho an'ilay sarimihetsika. Ny tsy fisian'ny fijery mangarahara eo amin'ilay resaka no mampirefarefa ilay adihevitra ho any amin'ny ambaratonga fandrisihana ny tarika eo an-toerana, izay tsy nahazo ny isa.

Mahamenatra fa tsy naka izay eritreritra momba ny fiantohan'ny lalam-panorenana ny fahalalahana maneho hevitra izay Rtoa Inada, satria izay no ivon'ny olana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.