· Marsa, 2018

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Marsa, 2018

Thailandy: Ao Anatin'ny Fonjan'i Bangkok

  23 Marsa 2018

Voafonja tao amin'ny fonjan'i Bang Kwang i Gary Graeme Jones , fonja mafy fiarovana ho an'ny lehilahy ao Thailandy. Navoaka tao amin'ny bilaogin'ireo mpanohana azy ny taratasy sy ny tatitra nataon'i Gary. Mampahafantatra ny vahoaka ny momba ny fepetra iainan'ny voafonja ao amin'ity tranobe famonjana malaza ratsy ity ilay bilaogy.

Korea: Ireo Koreanina Mpianatra Any Etazonia

  19 Marsa 2018

Izao ny zavatra tena manan-danja indrindra: tokony hiova ilay toetra tia mifikitra loatra amin'ny teny Anglisy. Andao ho sarihana ho aty Korea ireo mpianatra ireo, tokony ho ataontsika tsy afa-miala amin'ny asa fanompoana firenena izy ireo ary homentsika diplaoma ahafahany mampianatra

Myanmar : Lahatsary Avy Amin'ny Mponina Taorian'ny Fandalovan'ny Rivodoza Nargis

  18 Marsa 2018

Na teo aza ny fandraràna natao tamin'ireo mpanao gazety napetraky ny junta Birmàna mpitantana ny firenena, dia nivoaka ihany ny olona ary naka sary ny zava-misy marina niainan'ireo niharam-boina tamin'ilay loza voajanahary. Ny 2 May 2008, nandalo tao Myanmar (Birmania) ilay rivodoza Nargis, izay nahatonga fahasimbana goavana ary an'arivony ireo olona namoy ny ainy sy ireo tsy hita popoka.

Taiwan: Adihevitra Momba Ny Volavolan-Dalàna Ataon'ny NCC

  18 Marsa 2018

Toherinay ny famelàna ireo mpampiasa vola avy any ivelany hanana taha ambony (49%) amin'ny petrabola any anatin'ireo orinasanà fandefasana fahitalavitra eto amin'ny firenena....Ao anatin'ilay volavolan-dalàna, ny fandefasam-baovao sy ny fandaharana ho an'ny ankizy ihany no tsy azo andefasana dokambarotra