· Janoary, 2018

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Janoary, 2018

SketchPAN:  Ataovy Sary Ny Tontolo Tsy Miteny 

  16 Janoary 2018

(Marihina fa tamin'ny 30 Oktobra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy) Ahoana ny fomba hanehoanao hevitra antserasera? Amin'ny teny ve sa amin'ny sary, sa lahatsary sa sary hosodoko? Tsy nihevitra ny fanaovana sary antserasera ny sasany amintsika , kanefa azo atao izany ankehitriny, miaraka amin'ny SketchPAN. Nanomboka tamin'ny volana...

Shina: Ny Fomba Nanovan'ny Bilaogy Ny Fiainako

  16 Janoary 2018

Ho atao ao Hanzhou amin'ity faran'ny herinandro ity ny Fihaonamben'ny Bilaogera Shinoa. Mba hiomanana amin'izany, nanambara fandefasana lahatsoratra momba ny "Fomba nanovan'ny bilaogy ny fiainako?" ireo mpikarakara.

Timor Atsinanana : “Andro Mahafalin'ny” Fifidianana Malalaka

  15 Janoary 2018

Nankalaza ny tsingerin-taona faha-10n'ilay fitsapankevi-bahoaka izay nitarika ho amin'ny fahaleovantena ara-dalànan'ny faritra ireo Timore mpitoraka bilaogy. Ny sasany mahatsiaro ilay " andro mahafaly", ny hafa mampatsiahy ny fahavononany handroaka ireo tafika indoneziana mpibodo, ary ankehitriny misy ireo mampiasa ilay andro hametraham-panontaniana ny fotoana any Timor amin'izao fotoana izao.

Azia: Ny Aziatika Sy Ny Fampitam-baovao Tandrefana

  10 Janoary 2018

Nanamarika i Liu Jiang, talen'ny toniandahatsoratra ao amin'ny Sampam-baovao Xinhua tao amin'ilay lahatsoratra, fa ""manjaka amin'ny roa ampahatelon'ny randram-baovao amin'ny ankapobeny ny fahaiza-mamoroporona efa mivoatra, izay ananan'ny ampahafiton'ny vahoaka manerantany."

Hong Kong: Vonjeo Ny Honahonan'i Ha Pak Nai

  09 Janoary 2018

Araka ny tatitra iray nivoaka tao amin'ny gazety mpivoaka isan'andro [ao Hong Kong] (nalaina tao amin'ny inmediahk.net) , nikasa ny hanangana tetikasa fanorenan-trano goavana tao amin'ny faritra mando voajanahary mahafinaritra indrindra antsoina hoe Ha Pak Na. (下 白泥,), ao Yuen Long ny iray amin'ireo mpandraharaha lehibe indrindra ao Hong Kong.