Mandrara Ny Mpikambana Ao Aminy Tsy Hankalaza Ny Krismasy, Izay Nofaritana Ho Fetin'ny Fahafaham-baraka Ny Antoko Komonista Shinoa

Hetsi-panoherana manohitra ny Krismasy tamin'ny taona 2014. Sary tao amin'ny Chine Nouvelle, faritra an'ny Fanjakana Shinoa .

Namoaka fanambarana mandràra ny mpikambana ao aminy mba tsy hankalaza ny fetin'ny Tandrefana toy ny :  Andron'ny Mpifankatia, Paska, ny Fetin'ny Lainga, ny Halloween ary vao haingana ny Krismasy ny biraom-paritany ao amin'ny Antoko Komonista Shinoa. Nampilazaina ihany koa ny fampahalalam-baovao mba tsy hitatitra vaovao momba ny Krismasy raha vao hiandoha ny fety, fankalazana izay inoan'ny antoko fa mampatsiahy ny fanalam-baraka an'i Shina ara-tantara avy Amin'ny Tandrefana.

Folo taona lasa izay no nipoiran'ny hetsi-panoherana manohitra ny fetin'ny Tandrefana ary notarihan'ny vondrona manam-pahaizana Confucian amin'izao fotoana izao izay manohitra ny “Fiparitahan'ny kolontsaina tandrefana”. Vao haingana, no nanaiky ity hevitra ity ho toy ny fanavaozana ara-kolontsaina nasionaly ny Filoha Shinoa Xi Jinping.

Tamin'ny volana Janoary 2017,  namoaka fanambarana lehibe iray mitondra ny lohateny hoe “Soso-kevitra amin'ny fanatanterahana ny tetikasa hampiroboroboana sy hampandrosoana ny hatsaran'ny kolontsaina Shinoa nentim-paharazana” ny Biraon'ny Komity foibe ao amin'ny Antoko Komonista Shinoa sy ny Filankevi-panjakana. Manoritsoritra tetikasam-panavaozana ara-kolontsaina izay mampifanaraka ny soatoavin'i Confucius miaraka amin'ny rafitra politika amin'ny antoko tokana ny fanambarana, izany dia natao mba hanarenana indray ny rehareha ara-kolontsain'ny vahoaka Shinoa.

Tamin'ny taona 2017,  nomarihana tamin'ny alàlan'ny famoahana lahatsoratra iray izay manolotra ny tantaran'ny fanafihan'ny tafika tandrefana tany Shina nandritra ny Ady Lehibe Voalohany sy Faharoa ny hetsika fanoherana ny Krismasy, ary milaza fa fety izay maneho ny fahafaham-baraka Shinoa ny Krismasy .

Mamaritra ny fankalazana ny Krismasy ho toy ny fanao ara-pivavahana ilay lahatsoratra :

平安夜、圣诞节等,这些带有浓郁宗教色彩的西方节日,因其特殊的文化底蕴和异域风情,加之一些机构和个人的极力推介,越来越受到中国一些年轻人的追捧,商家也借机造势,营造气氛,吸引消费者,洋节的社会影响是越来越大,让许多民族节日相形见拙。
年轻人爱标新立异,追赶时髦,商人在商言商,借洋节赚钱,这都可以理解。但一些党员干部也参与其中,糊里糊涂过洋节,这就是政治修养问题了。
这些影响大的洋节,基本上都有宗教背景,是宗教信仰的一部分。

Nankalazain'ireo tanora Shinoa noho ny toetra ara-kolontsaina tsy mahazatra azy ireo ny alin'ny Krismasy sy ny Andro Krismasy, miaraka amin'ireo fety tandrefana hafa manana lanjany ara-pinoana. Natao ihany koa ny fety noho ny fanentanana nataon'ny olona sasany sy ny fikambanana.  Manampy amin'ny fampiroboroboana ity fotoana mahafinaritra ity mba hisarihana ny mpanjifa ihany koa ny sehatry ny fihariana. Nihamafy kokoa ny fiantraikan'ny fety tandrefana amin'ny fiarahamonina raha tsy dia nisongadina loatra ny fetim-pirenena.

Fantatra araka izany fa mankafy kokoa ny fanarahana ny kolontsaiana tsy nentim-paharazana sy malaza ny tanora ary mitady vola amin'ny alàlan'ny fetin'ny tandrefana ny sehatry ny fihariana. Kanefa tsy tokony hanaraka ity fironana ity ny mpikambana ao amin'ny Antoko Komonista Shinoa (AKS) sy ny manampahefana satria resaka finoana sy fanao ara-politika izany.

Manana tantara ara-pinoana ireo fety tandrefana rehetra ireo ary tokony heverina ho anisan'ny fanao ara-pivavahana.

Nanamafy ihany koa ny lahatsoratra fa  endrika fibahanana ara-kolontsaina ny lazan'ny fety Tandrefana izay tsy tokony handraisan'ny mpikambana ao amin'ny AKS anjara .

无神论者去过宗教性节日,这是信仰不坚定、思想不清醒的体现了。
另一方面,节日是民族文化的瑰宝,每个民族都有其传承的节日,这是民族凝聚力的维系。
如果一个民族的群体热衷于另一个民族的节日,这说明文化入侵已是极其严重了。党员干部如果认识不到这点,那就是丧失政治敏锐性,也失去了先进性。

Mitongilana ny finoany raha mankalaza ny fety ara-pivavahana ny tsy mpino an'Andriamanitra. Ankoatra izany, mampiseho ny lanjan'ny kolontsaina nasionaly ny fety. Manana ny lova ara-kolontsainy izay mampivondrona ny firenena ny tondrom-pirenena tsirairay avy .

Raha mankafy ny fankalazana ny fetin'ny firenena hafa ny tondrom-pirenena iray dia manondro ny fihanaky ny kolontsaina lehibe izany tranga izany. Very ny fahatsapany ara-politika sy ny fomba fijeriny ny fandrosoana raha tsy mahatsikaritra izany ny mpikambana ao amin'ny antoko sy ny manampahefana.

Mampahatsiahy ny tantaran'ny Firenena Valo Mpiaradia ny lahatsoratra mba hilazana fa fety fanalam-baraka ho an'ny Shinoa ny Krismasy. Natsangana ho setrin'ny hetsiky ny Boxers tamin'ny taona 1899-1900 tany Shina ny miaramila mpiaradia iraisam-pirenena . Raha notohanan'ny governemanta Qing, nanafika sy namono ireo misiônera vahiny, ireo olom-pirenena sy ireo Kristiana Shinoa tany avaratr'i Shina ny Boxers. Nitarika ny fanafihana, ny fibodoana ary ny fandrobana tao Beijing tamin'ny taona 1900 ny fifandonana .

除了日本外,其他七国都是信基督教的。[…] 基督教在被侵略时期传入中国的目的就是同化中国人的思想,以便于进行殖民地统治。基督教传入中国的历史上深深的印刻着“耻辱”两个字。圣诞节是基督徒的节日,也是中国人的伤疤,不适合中国人,勿忘国耻!

Any ivelan'i Japana, manana ny finoana Kristiana ho fivavaham-pirenena ny firenena rehetra. […] Nomarihana tamin'ny teny hoe “fahafaham-baraka” ny fielezan'ny finoana Kristiana ao Shina nandritra ny ady.  Fety ankalazan'ny Kristiana ny Krismasy ary midika ratra ho an'ny vahoaka Shinoa izany. Tsy mety amin'ny vahoaka Shinoa izany, tsy tokony hohadinointsika ny tantara manala baraka ny firenentsika.

Nilaza ny Mpikambana maro fa nahazo filazana avy amin'ny sampana AKS tany amin'ny oniversite na ny orinasam-panjakana izy ireo mampahalala fa tsy tokony handray anjara amin'ny fankalazana ny Krismasy izy ireo. Tao amin'ny Twitter, nizara vaovao momba ny fandraràn'ny AKS ny fankalazana ny fety Tandrefana i @szshu:

Nanoratra tao amin'ny Weibo tamin'ny 17 Desambra  ny Ligin'ny Tanora Komonista (CYL) ao Anhui fa  tokony ho raisina ho toy ny fety manala baraka ny Shinoa ny Krismasy noho ny tantaran'ny fanafihana Tandrefana. Maro ireo manampahefana no nandrara ny mpikambana ao amin'ny AKS tsy hankalaza ny fety Tandrefana. Tao Hengyang, Hunan, nandrara ny mpikambana sy ny manampahefana ary ny fianakavian'izy ireo ny Departemanta mifehy ny AKS mba tsy hanatrika ny fetin'ny Krismasy .

Nahazo torolàlana sivana ihany koa ny fampahalalam-baovao tao an-toerana. Araka ny China Digital Times, ny torolàlana milaza hoe:

Les médias ne doivent pas signaler des informations liées à Noël. Les sites d'information de tous les niveaux ne doivent pas transmettre des messages liés au sujet des “vacances à l'étranger”. (22 décembre 2017)

Tsy tokony hitatitra ny vaovao momba ny Krismasy ny fampitam-baovao. Tsy tokony handefa hafatra mifandraika amin'ny lohahevitra momba ny “fialantsasatra any ivelany” ireo tranonkalam-baovao amin'ny sehatra rehetra. (22 Desambra 2017)

Tao amin'ny Weibo, iray amin'ireo sehatry ny media sosialy malaza indrindra ao Shina,  niombon-kevitra tamin'ny fandraràna ny Krismasy nataon'ny AKS ny mpisera sasany.

因为苏东剧变以来的这三十多年,以美国为首的西方国家在意识形态领域对中国实行和平演变,温水煮青蛙!而这30年来中国的意识形态阵地几乎是主动弃守的!看今天洋奴遍地就知道了!所以这是一种逼不得已的绝地自卫行为!是迫在眉睫的无硝烟的文化战争!

Nandritra ny telopolo taona nanaraka ny fanovàna goavana tany amin'ny Firaisana Sovietika sy tany Eoropa Atsinanana, nikasa ny fanovàna [mandeha tsikelikely] am-pilaminana tao Shina ny ideolojia tandrefana notarihin'i Etazonia, toy ny mahandro sahona ao anaty rano mangotraka. Resy tamin'ny ady ideolojika i Shina nadritra ny 30 taona. Jereo ny manodidina anareo, maro ireo andevo tandrefana. Ady fiarovana ao anatin'ny hakiviana izany, ady ara-kolotsaina tsy misy poa-basy.

Ny hafa kosa naneso ilay fandraràna

弘扬传统节日的手段就是禁止过其他节日,哇,我是不是要夸你很棒棒啊?

Ny fandrarana ny fety hafa no fomba hampiroboroboana ny fety nentim-paharazana. Hay ve e, tokony ho arahabaiko ve ianao satria tena maranin-tsaina ?

马克思可是纯洋货,还要不要信?

Vahiny tanteraka i Karl Marx , tokony hino azy ve isika?

过洋节就是忘祖?是我们祖先不自信还是存在感低?公历纪年是以耶稣诞生为公元元年,我们也不要用了,用农历吧。

Adinontsika ireo razambentsika satria mankalaza ny fety tandrefana isika? Tsy manana fahatokisan-tena firy ireo razambentsika sa efa very ny fahatsapany ny fisiany? Midika hoe “aorian'ny Jesoa Kristy” ny Anno Domini (AD) , tsy tokony hampiasaintsika intsony izany fa aleo mampiasa  ny Taom-baovaon'ny Volana eo amin'ny toerany.

我过中国特色社会主义圣诞节还不行?

Tsy afaka mankalaza ny Krismasy miaraka amin'ny toetra sosialista Shinoa ve aho?

我是党员,我女朋友不是。她要我和她过,怎么办?

Mpikambana ao amin'ilay antoko aho, kanefa tsy mpikambana ao ny sipako. Te hanao Krismasy miaraka amiko izy, inona no tokony ataoko?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.