(Marihina fa tamin'ny 23 Jona 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)
Tetikasa Hivos sy VPRO TV any Holandy ny Metropolis TV, izay mampiray ireo mpanatontosa horonantsary sy ireo mpanao gazetin-dahatsary manerantany mba handrakitra an-tsary sy hampita ny lafiny samihafa amin'ny fiainana sy ny kolontsaina any an-tanindrazany. Ireto misy horonantsary vitsivitsy nofidina sy nalefa tao amin'ny fahitalavitra VPRO ao Holandy nandritra ny Andron'ny Maha-olona Iraisam-pirenena izay tao anatin'ny lohahevitra manokana toy ny fanasongadinana ireo olona izay miaina ao anatin'ny fahaleovantena ary mifehy ny fiainany manokana.
Mikasika an'i Sopiato ity lahatsary voalohany ity , tovovavy iray any Kenya izay nahiliky ny vondrom-piarahamoniny satria nanapa-kevitra ny tsy hanaiky hoforana izy. Nitsidika azy ny mpitati-baovao Makena ary toy izao ilay tantara :
Mampiseho an'i Bercam ity lahatsary manaraka ity, mpikatroka Kiorda 15 taona any Torkia izay mijoro ho an'ny zon'ny vahoaka Kiorda vitsy an'isa, manohana ny fahalalahany, ny fitoviana, ny firahalahiana ary ny fahalalahana ara-pinoana. Nanazava ny fomba hanilikilihana ireo vahoaka Kiorda any Torkia izy noho ny fitenenana na ny fihainoana mozika amin'ny fiteniny.
Mampiseho an'i Jiang ity horonantsary ity, mpikatroka Shinoa izay nikasa hanao fanentanana momba ny fandotoan-drivotra sy ny tontolo iainana. Notantarainy ny fomba nahitany ny horonantsary fanadihadiana iray momba ny sokatra 100 taona izay maty noho ny fihinanana harona plastika : namidiny ny trano fisakafoanany ary nanomboka ny diany nanerana ny firenena izy mba hanoherana ny fandotoana. Nifindrafindra tanàndehibe maro izy ary nilaza tamin'ny vahoaka mba hitandro ny tontolo iainana. Nihevitra ny olona sasany fa adala angamba izy manao izany, ny hafa kosa nihevitra fa mendrika ny zavatra nataony; nanohy ny diany hatrany izy na dia teo aza ny mahairery azy ary nametraka ny fiarovana ny tontolo iainana ambonin'ny filany sy ny fikasany manokana.
Azonao jerena ireo lahatsary voafantina ho an'ny Andron'ny Maha-olona Iraisam-pirenena ao amin'ny tranokalan'ny Metropolis TV . Nosarahana tamin'ny fizarana isam-bolana ny horonantsarin'izy ireo izay ahitana lahatsary manerana izao tontolo izao namaly tamin'ny lohahevitra manokana. Azonao atao ihany koa ny miara-miasa amin'izy ireo, izany hoe manana fomba hanoroana ny olona hamokatra lahatsary izy ireo mba hiseho ao amin'ny tranokalany, hahazo vola noho ny asa nataonao ianao raha miseho na mandeha ao amin'ny fandaharan'ny fahitalavitra izany.