Azia: Ny Aziatika Sy Ny Fampitam-baovao Tandrefana

(Marihina fa tamin'ny 24 Aprily 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Naneho hevitra momba ny lahatsoratra tao amin'ny sehatra fifanakalozan-kevitra Boao ho an'i Azia, izay navoaka tao amin'ny Xinhua ny Imagethief. Nanamarika i Liu Jiang, talen'ny toniandahatsoratra lefitra ao amin'ny Sampam-baovao Xinhua tao amin'ilay lahatsoratra, fa “manjaka amin'ny roa ampahatelon'ny randram-baovao amin'ny ankapobeny ny fahaiza-mamoroporona efa mivoatra, izay ananan'ny ampahafiton'ny vahoaka manerantany.”

Ny valinteny mavesa-danja nataon'i Imagethief dia hoe : tanety tsy misy mpikarakara mandry an-driran'antsy ny fampitam-baovao ara-barotra aziatika… Manameloka ny governemanta aho. Tsy tokony hiditra amin'ny fampitam-baovao ny governemanta, amin'ny ankapobeny . Saingy  tsy te hiala amin'ny fitsabahany amin'ny fampitam-baovao fa iankinan'ny ainy ireo governemantan'i Azia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.