· Mey, 2017

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Mey, 2017

Shina: Mibitsika Ny Nitànana Azy Vonjimaika Tany Am-ponja

  21 Mey 2017

Azo eritreretina ho tsy nahita antony mitombina ry zareo, ka izany no antony tsy nakàny ny telefaona finday teny aminay [...]. Nivory nandritry ny ora roa ry zareo, ary avy eo dia nanoratsoratra fanontaniana. Nila naka ny hevitry ny amboniny ry zareo vao tonga tamin'io. Nambarako azy ireo fa tsy hanao afa-tsy ny hiteraka fahafaham-baràka ho azy ireo izao rehetra izao.

Singapaoro: Tanàna Sa Firenena?

  20 Mey 2017

Tanàna ve sa firenena iray i Singapaoro? Toa adaladala ihany io fanontaniana io satria fantatra erantany i Singapaoro amin'ny maha-firenena mahaleotena azy. Saingy ho an'ny Ministry ny Lalàna ao Singapaoro, K. Shanmugam, tokony ho toy ny fitondra tanàna iray no hitondràna an'i Singapaoro. Niteraka adihevitra tao amin'ny haino aman-jery sosialy io fanamarihany io.

WeChat? Tsy Ao Rosia.

Nakaton'ny mpanao fanampenam-bava federaly ao Rosia ny WeChat, fampiharana fandefasan-kafatra amin'ny finday lehibe indrindra avy ao Shina. Araka ny filazan'ny Roskomnadzor, tsy nahavita nisoratra anarana tao amin'ny governemanta federaly ho "mpandrindra ny fanapariahana vaovao" ny WeChat.