Maninona No Ao Shina Ny Antsasany Amin'ireo Solosaina Tratry Ny Viriosy WannaCry Fitakiana Vola?

Ny tambajotram-piarovana ao Shina, tratry ny WannaCry, viriosy fitakiana vola. Sary tao amin'ny Weibo nalefan'i Letscorp

Shina no firenena iray isan'ny voadona mafy indrindra tamin'ilay rindrambaiko fitakiana vola fantatra amin'ny hoe “WannaCry” nivoaka ny 12 May teo, izay namely solosaina efa maherin'ny 230.000 tany aminà firenena 99 tanaty andro iray monja.

Nanamafy ny Ivontoeran'ny Vonjitaitra ao amin'ny Tambajotran'ny Solosaina Nasionaly ao Shina fa ny 14 May, tao Shina no nahitàna ny antsasak'ireo adiresy IP voadona. Andrimpanjakana 30.000 no tratra, isan'izany ny anjerimanontolo, ny toerana fisavana ireo mpifindra monina ary ny tobin-tsolika.

Ilay rindrambaiko fitakiana vola, izay ninoana ho mitrandraka ny tsy fahatomombanan'ny “Eternal Blue” novokarin'ny National Security Agency (NSA) ao Etazonia, dia mamely ireo solosaina mampiasa ny Microsoft Windows ary manidy ireo mpampiasa tsy ho afaka hiditra amin'ny solosainany, amin'ny alàlan'ny famehezana ny failon'izy ireo. Takiana amin'izy ireo ny handoavany  USD $300 amin'ny alàlan'ny Bitcoin ho takalon'ny famahana ny fehezana. Vantany vao tafiditra ao anaty solosaina amin'ny alàlan'ny  “port 445″ ( port natao ho an'ireo fepetra fifampizaràna antontan-kevitra), izay rehetra solosaina miasa eo ambanin'ny Windows dia mety ho tratr'ilay fanafihana daholo raha tsy nisintona ireo ampaham-panavaozana ny fiarovana navoaka tamin'ny Martsa 2017.

Fotoana fohy ihany no nahafehezana ilay rindrambaiko fitakiana vola, rehefa hitan'ny Britanika iray mpikaroka ny “kill switch”, saingy ny 14 May dia nisy dika vaovao iray hafa nivoaka indray.

Mety marefo kokoa mora iharan'ilay fanafihana ireo Shinoa mpampiasa solosaina noho ny ankamaroan'izy ireo zatra mampiasa hosoka (izany hoe piraty) na Windows efa tranainy be ka vokatr'izay dia tsy mahazo fanavaozana ny fiarovana intsony.

Mba haharatsiratsy kokoa ny tantara, maro be ireo solosaina tsy nanampo ny fiavian'ilay fanafihana satria vitsy dia vitsy ireo famoahambaovao nanao tatitra momba ireo loza mitatao amin'ny resaka fiarovana io.

Na maro aza ireo mpanome tolotra aterineto ao Shina no nibahana ny port 445 (hirika 445), izay tena ampiasain'ny Windows betsaka amin'ny fizaràna antontan-kevitra, mba hisorohana ny mety ho fanafihana faobe ikendrena ireo mampiasa Microsoft Windows, betsaka ireo sampan-draharaham-panjakana, toy ny anjerimanontolo, ny biraon'ny mpitandro filaminana sy ny tobin-tsolika no tsy nibahana ilay “port”.

Ireo toeran-ponenan'ny mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo no tena isan'ireo voa mafy indrindra. Ireo anjerimanontolo manerana ny firenena, toy ny ao Qinghua, Beida, Shanghai Jiaotong ary Shandong, samy tratra daholo. Be dia be ireo fanohanana fikarohana nataon'ireo mpianatra sy mpikaroka no (mbola) voafehin'ilay rindrambaiko fitakiana vola. Ireo mpamoaka vaovao ao an-toerana dia nitatitra fa :

截至到5月13日20点,国内有29372家机构组织的数十万台机器感染,其中有教育科研机构4341家中招…

Hatramin'ny 20:00 ny 13 May, an'arivony maro tamin'ireo solosaina miisa 29.372 any amin'ireo andrimpanjakana no tratr'ilay rindrambaiko fitakiana vola. Toerana  4341 mifandraika amin'ny fampianarana no nahitàna trangam-pahavoazana…

Ny tatitry ny haino aman-jerim-panjakana Xinhua dia nitanisa ny Ivontoeran'ny Vonjitaitra ao amin'ny Tambajotran'ny Solosaina Nasionaly ao Shina, tamin'ny filazàna hoe:

截至14日10时30分,国家互联网应急中心已监测到约242.3万个IP地址遭受“永恒之蓝”漏洞攻击;被该勒索软件感染的IP地址数量近3.5万个,其中中国境内IP约1.8万个。

Tamin'ny 10:30 ny 14 May, IP niisa 2.423.000 no voamarin'ny Ivontoeran'ny Vonjitaitra ao amin'ny Tambajotran'ny Solosaina Nasionaly ao Shina fa eo ambany raho-mitataon'ilay fanafihana noho ny fitrandrahana ny Eternal Blue Exploit; maherin'ny 35.000 [manerantany] no isan'ireo IP tratran'ilay rindrambaiko fitakiana vola, ary ao anatin'i Shina, manodidina ny 18.000 eo ho eo no tratra.

Ankoatry ny sehatry ny fampianarana, marobe ireo toerana fanamarinana mpifindramonina no nihitsoka satria tratra ny tambajotran'ny mpitandro filaminana.

Teny anaty haino aman-jery sosialy, ireo manampahefana avy amin'ny mpitandro filaminana ao an-tanànan'i Xiangshui, faritanin'i Jiangsu dia nitatitra fa ireo fotodrafitrasany momba ny fifindramonina dia niharan'ny fanafihana ka voatery izy ireo nanakatona ny toerana fanamarinana ireo mpifindramonina. Nitatitre ireo mpisera ety anaty aterineto fa ireo biraon'ny fifindramonina ao an-tanànan'i Shanghai sy Beijing koa dia nihitsoka noho ny fanafihana avy amin'ilay rindrambaiko fitakiana vola.

Ny sasakalin'ny 13 May, marobe tamin'ireo milina mpitsinjara solika mibaiko tena an'ny  PetroChina no nihitsoka ary tsy mbola tafaverina hatramin'ny 14 May tamin'ny 12 ora alina.

Eo anatrehan'ilay “WannaCry2.0” dika vaovao amin'ilay rindrambaiko fitakiana vola, izay tsy afaka sakanana amin'ilay antsoina hoe “kill switch”, namoaka fampitandremana tamin'ny alàlan'ireo vavahadin-tserasera be mpampiasa, ny haino aman-jery, ny tambajotran'ny anjerimanontolo ireo Shinoa manampahefana, mba ho ezaka fibahanana ny fiparitahan'ilay rindrambaiko fitakiana vola.

Hatreto aloha, mbola kely ihany ny tombana vita mikazika izay antony nahatonga an'i Shina ho hany firenena tokana tena marefo tamin'ny fanafihan'ity rindrambaiko ity. Sosokevitr'ireo fampahalalam-baovao ofisialy ny hoe mety ho ny fampiasàn'ireo mpianatra ny tambajotran'ny anjerimanontolo hilalaovana amin'ny aterineto no niteraka ny fiparitahan'ilay rindrambaiko. Saingy izany tsy manazava ny antony nahatratra koa ny tambajotran'ny mpitandro filaminana sy ireo tobin-tsolika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.