Ny Fandraisana Diso, Ny Fandikana Diso Ary Ny Fampiasana Diso ny ‘Aspie’ Ao Japana

Asupe, tenin-jatovo Japoney milaza ny aretin'i Aspergers. Avy amin'ny sary ôrizinaly nozaraina betsaka tao amin'ny media sosialy .
Nisy antsafa iray vao haingana niarahana tamin'ny mpamorona manga Japoney malaza iray nanolotra ny topimaso momba ny fomba handraisana ny teny hoe “Asperger” izay sady tsy dia fantatra loatra ao Japana no sady ampiasain'ny karazana kolontsaina Japoney ao amin'ny aterineto ihany koa mandritra izany.
Tany am-piandohan'ny volana Aprily, tao anatin'ny antsafa niarahana tamin'ny tranonkalan-kolontsaina pop Niconico ao Japana, nanao fanehoan-kevitra amin'ny tarehin-tsoratra aretin'i Asperger ao anaty sarimiaina sy manga ilay mpamorona manga malaza Yamada Reiji (山田玲司).
Fikorontanan'ny atao hoe autism spectrum hita ao amin'ny iray isanjaton'ny mponina Japoney ny aretin'i Asperger. Yamada Reiji no mpamorona ny andian-tantara manga tsy avy amin'ny hay-famoronana antsoina hoe Zetsubō ni Kiku Kusuri ( ‘Fanafody amin'ny Famoizam-po’). Nilaza izy fa ataon'ny ny aretin'i Asperger ho tonga lafatra ny mpandray anjara fototra ao amin'ny manga sy ny sarimiaina:
最初に、ザックリ言ってしまうと、ちょっとイカれた変わり者が、何でもかんでも病名を付けられるというトレンドが、ここ20年ぐらいあるわけ。実際のところ、本当に障害なのか病気なのかは、定かではないし、専門家によっては、意見が分かれているんだけど、いわゆるアスペルガーヒーローみたいな人達が活躍する時代というのがあるのよ。
… Mba hilazana ny marina, vao roa-polo taona lasa teo ho eo izay no nilazana ny olona ho “hafakely” kokoa rehefa hita tamin'ny fitiliana momba izany ny olona iray.
Eto amin'ilay antsoina hoe ny “Maherifo Asperger ” isika izao raha mbola tsy azoko antoka raha tena aretina tokoa izy ity na fahasembanana fa miankina amin'ilay mpitsabo manam-pahaizana manokana iresahinao ihany izany.
Araka an'i Yamada, mpandray anjara fototra mahaliana ireo olona voan'ny aretin'i Asperger satria manana fomba fihevitra ambony izy ireo ary “mahay mandalina sy manana tsindrimandry” ihany koa, kanefa tsy manana fihetseham-po :
ザックリと特徴を言うと、ずば抜けた能力がある。これは、合理的な能力。分析力、直感力も含めて、能力は高いんだよね。スペックが高いという。だけど、共感力に欠ける。つまり、自分だけの世界にいて、美意識が高く、どこか人を馬鹿にしている。
Raha miresaka mikasika ny tena toetra mampiavaka ny olona miaina miaraka amin'ny Aspergers amin'ny ankapobeny, dia faran'izay mahay tokoa izy ireo, toy ny : fananana hevitra miavaka, ny fahaizana mandalina, ny lojika sy ny tsindrimandry. Azo antsoina hoe “manam-pahaizana” mihitsy aza izy ireo.
Na izany aza, tsy manana fihetseham-po ny olona voan'ny Aspergers. Satria noho izy ireo miaina ao anatin'ny tontolo azy samirery, sy sarotsarotiny be loatra, ka mahatonga azy ireo hampangorovitsika ny olona.
“Ny maherifon'ny Asperger ” manana endrika miavaka
Ireo mpandray anjara manana faharanitan-tsaina izay mahatonga azy ireo hankafizina, fa tsy dia tena tiana loatra no antsoin'i Yamada hoe “maherifon'ny Asperger” ary misongadina tsy tapaka ao amin'ny manga sy ny sarimiaina Japoney. Araka ilay endrika, azo leferina ny tsy fananan'ilay maherifo fihetseham-po satria (tondroina matetika ho zatovolahy izy ary) manana karazana ” fahaiza-manao mahagaga” izy. Ohatra iray malaza ny mpandray anjara ‘L’ ao amin'ny Death Note , polisy mpitsongodia iray izay hentitra sy kinga amin'ny fanenjehana ny andiana mpamono olona fantatra amin'ny hoe ‘Kira’. Raha matanjaka miaraka amin'ny volo mainty mikorontan-dava, angamba i L no tena maherifon'ny Asperger tonga lafatra . Azo leferina ny tsy fananany fifandraisana ara-tsosialy satria mahafapo ny asany.
Tsy voafetra ao Japana ny endriky ny olona miavaka “manana ny herim-po Aspergers”. Araka an'i Yamada, ohatra amin'ny fanehoana ny mpandray anjara toy izany ny tantara ao amin'ny BBC Sherlock lalaovin'i Benedict Cumberbatch sy Martin Freeman milalao an'i Watson namany akaiky:
例えば、名探偵シャーロック・ホームズを現代に蘇らせたと評判になった。英国BBCのドラマ『シャーロック』…アスペルガーっていうのはバディー物に向いてるんだよ。クールでバンバンやっていく人の横に、一般的な人情派が付く。だから、『シャーロック』は見事。
Ohatra, misy ilay mpitsongodia Sherlock Holmes, izay efa nitsangana tamin'ny maty tao amin'ny andian-tantara malaza ankehitriny ao amin'ny fahitalavitra BBC … mampiseho ny tenany ho “tantaran'ny mpinamana” ny aretin'i Asperger. Misy mpandray anjara mahafinaritra iray izay manao izany zavatra rehetra izany ary miseho ho olona “salama tsara” iray mijoro eo akaikiny. Ohatra iray tonga lafatra amin'izany i “Sherlock” .
Ny fampiasana ny “Aspie”, ho toy ny tenin-jatovo ao Japana
Ny lohatenin'ny Niconico izay nahitana ny antsafan'i Yamada dia ny hoe “Raha Jerena hoe Nahoana Isika No Tia Ireo Mpandray Anjara ‘Aspies’ Na Manana Fikorontanana amin'ny Fivelarantsaina ” (Asupe Ya Hattatsu Shogai No Shujinko Ga Ai Sareru Riyu Wo Kangaete Mita, アスペや発達障害の主人公が愛される理由を考えてみた).
Mampiasa ny tenin-jatovo Japoney milaza ny Aspergers ho asupe ny lahatsoratra Niconico izay adika tsotra avy amin'ny teny Anglisy hoe “aspie“, ary midika hoe olona iray maneho ny toetra mampiavaka ny aretin'i Asperger. Mampiasa ny teny Japoney ara-pitsaboana kokoa “aretina Asper ” (アスペルガー症候群) i Yamada .
Ao Japana ny teny hoe “asupe” (アスペ ) dia fantatra ho teny fanompana ary matetika hitarina mba ahitana olona izay manao fihetsika tsy mitovy amin'ny maro an'isa, na tahaka ny “hafahafa”.
Ohatra, mampiasa ny asupe ny mpisera Twitter iray mba hanaovany fanamarihana manivaiva momba ny tarika mpihira tanora AKB48 Ozono Momoko:
顔面から滲み出るアスペ臭 pic.twitter.com/p1gfp6nKst
— ぼぶ田ぼぶ子 (@RIKACHAN_SUCHI) May 3, 2017
Tahaka ny asupe ny tarehiny .
Vao haingana no tsikaritry ny Korea Times ity lamaodin'ny Aterineto ao Japana ity :
Japanese netizens in their 20s to 30s are using the term “asupe” to refer to a mentally disabled person or “those who behave differently from the majority.”
Mampiasa ny teny hoe “asupe” ny mpisera Japoney eo amin'ny 20 taona ka hatramin'ny 30 taona mba hilazana ny olona manana fahasembanana ara-tsaina na “ireo manana fihetsika tsy mitovy amin'ny maro an'isa.”
Mitanisa ireo fiteny japoney avy amin'ilay mpitsabo aretin-tsaina Japoney Hoshino Geinan ny lahatsoratra tao amin'ny Korea Times . Raha nanoratra isan-kerinandro tao amin'ny gazetiboky Bunshun ao Japana tamin'ny volana Aprily, dia nanoratra momba ny fampiasana ny teny hoe asupe, toa hita fa mamaly ny tenin'i Yamada i Hoshino eto:
簡単に「お前まじアスペ」とは言えないはずです。なぜなら、精神医学を専門に学んだ医師でも「アスペルガー症候群」と診断を確定するには相当な勇気が要ります。それほど難しい診断なのに、人と違っているというだけで簡単に「アスペ」と言うのは、ただの誤診です。
Raha tsorina, dia tsy tokony hiteny na amin'iza na amin'iza hoe “asupe ianao” . Ny antony dia satria, na dia ny dokotera manam-pahaizana manana traikefa manokana amin'ny psikolojia aza dia tsy maintsy matoky tanteraka ny tenany alohan'ny ilazana fahitana ny aretin'i Asperger tamin'ny fitiliana ara-pitsaboana. Koa satria sarotra ny manao fitiliana ny zava-misy dia mety handiso ny fitiliana ny milaza fotsiny ny olona iray ho asupe .
Nanoratra tamin'ny fanakianana ihany koa i Hoshino tamin'ny fampiasana ny teny rehefa manivaiva olona:
その方々が、「アスペ」という言葉を聞いて、嬉しいと思うでしょうか。たとえ「お前まじアスペ」と軽い気持ちで言う相手が、通院などを要さない人であったとしても、周りで聞いたり見たりする人で間接的にショックを受ける人がいるかもしれません。それくらい繊細に考えるべきだと思います。
Manontany tena aho hoe moa ve ho faly (ireo olona miaina amin'ny aretina Aspergers) rehefa mihaino ny teny hoe asupe ampiasaina ho tenin-jatovo? Eny fa na dia lazaina ao anatin'ny vazivazy malefaka aza ny hoe “asupe tanteraka ianao ” amin'ny olona izay mety ho voan'ny aretina Asperger dia mety hanafintohina ny hafa ny mihaino izany.
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 11 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 123 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 128 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...