· Mey, 2017

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Mey, 2017

Kambodza : Azo Atao ny Manao Fihetsiketsehana, Saingy Ao Anatin'ny Zaridainan'ny Fahafahana Irery Ihany

  26 Mey 2017

[amin'ny teny anglisy ireo rohy] Vaovao tsara: efa azon'ireo Kambodziana atao amin'izao ny mikarakara fihetsiketsehana manohitra ny fanjakana tsy arahin'ny tahotra ho voakorontan'ny polisy amin'ny fomba feno herisetra. Vaovao ratsy: ao anatin'ilay Zaridainan'ny Fahafahana vaovao ihany no azo anaovana ireo fihetsiketsehana. Ankoatra izay, ilàna fahazoandàlana ny fahafahan'ireo mpanao fihetsiketsehana miditra ao...

Anjerimanontolo Rosiana Saika Hanolotra Mariboninahitra “Doctorat Honoraire” an'i Duterte, Saingy Nandray Sidina Nody Aloha Loatra Lery

Akon  24 Mey 2017

Nanome 'doctorat honoraire' ho an'ny filoha Filipiana Duterte ny MGIMO. Ilay olona iray izay nikarakara rà mandriaka sy nitifitra ny vahoakan'ny fireneny. “Ny mariboninahitra 'Doctorat Honoraire' avy amin'ny MGIMO dia atolotra ireo olom-panjakana, politika sy olontsotra ary diplaomaty miavaka,.." Ireo efa nahazo izany tany aloha : Nicolas Sarkozy, Tayyip Erdogan ary Ban Ki-moon.

Singapaoro GovCamp 2011

  24 Mey 2017

Ny 18 Nov 2011 no natao ny GovCamp andiany faharoa tamin'iny taona iny tao Singapaoro, teo ambanin'ny lohahevitra hoe “Mampifandray ny Olona, ny Angondrakitra ary ny Hevitra". Tamin'ny fampiasàna ny tenifototra #govcampsg, ireto ny fanehoankevitra avy amin'ireo nandray anjara tamin'ilay kaonferansa

Japàna: Afaka Isorohana Famonoantena Ve ny Twitter?

  23 Mey 2017

Rehefa nandinika ny fitomboana mampivarahontsan'ny isan'ireo tanora manapaka hevitra hamono tena isantaona, nifanakalo hevitra ireo bilaogera vitsivitsy momba ny hampiasàna ny Twitter ho fampiroboroboana ny fifampiresahana sy ho fanampiana amin'ny fisorohana ny famonoantena.

Fiarahamonina ho an'ireo Mitondra Otrikaretina SIDA

  22 Mey 2017

Nampangain'ireo vondrona isankarazany mpiaro zon'olombelona ny governemanta Kambodziana ho nametraka tsy araka ny sitrapony fiarahamonina iray ho an'ireo mitondra otrikaretina SIDA rehefa nametraka fianakaviana 40 miaina miaraka amin'ny otrikaretina VIH sy SIDA ho any amin'ny vohitra iray 25 kilaometatra miala ny tanànan'i Phnom Penh