Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Aogositra, 2015
Hosihosen'ny Kyrgyz mpanao rap ao amin'ny vaovao atao hip-hop ireo mpandray tsolotra
"Tsy misy olona madio eo ambonin'ity kianja tranainy ity."
Iraniana Mandrindra Hetsika Manerantany ho Fanohanana ny Fifanarahana ara-Nokleary amin'i Iran
"Tsy fantatro mihitsy hoe iza no nanao izao fa karazany tena mampihiratra ny maso mihitsy."
Japana: Dokambarotra Mahazendana Anaty TV, Mahasarika Mpijery Maro
Miparitaka be ao Japana ny dokambarotra iray mahazendana miresaka lalao baseball.
Nahatohina An’i Shina Ny Fividianan’ny Vondron’orinasa Japoney Misahana Media Ny Financial Times
Raha jerena ny tsy fifankahazoana hatry ny ela eo amin'i Shina sy Japana tamin'ny heloka bevava momba ny ady nataon’ny Japoney nandritra ny Ady Lehibe faha-II ary koa ny disadisa ara-jeopolitika tany Azia, maro ny Shinoa no tsy nandray ny vaovao ho tsara.
Tsy Ireo Vondrona Mpikirakira Rongony Intsony No Loza Lehibe Indrindra Mitatao Ho An'ireo Meksikana Mpanao Gazety
Ankehitriny, ireo tomponandraiki-panjakana sy polisy no ahiahiana ho nanao ny ankamaroan'ireo fanafihana mpanao gazety.
Japoney Mpanao Zavakanto, Manao Asa Mahavariana Mampiseho Ny Fiainana Isan'andro Amin'ny Alalan'ny Broccoli, Fitazonana Taratasy Sy Singa Elektronika
Manao fanehoana ny fiainana amin'ny hakelezany mahafinaritra, amin'ireo fitaovana fampiasa isanandro ny Japoney iray mpanao zavakanto, ary nahazo mpanjohy maro tokoa ao amin'ny Instagram.
Famotsiam-bola Rosiana Ao Londra: Mampiseho Ny Fanaovana Izany Ireo Mpanao Gazety Miafina
Ny vaovaon'ny famelabelarana mafy fiantraika nataon'i From Russia With Cash dia mampiseho ny fomba fanadiovana vola maloto avy ao Rosia sy ny toeran-kafa amin'ny alalan'ny tsenan'ny fivarota-trano aman-tany ao Londra.
Fihetsiketseham-panoherana noho ny nampiatoan'i Malayzia gazety roa namoaka trangan-kolikoly
"Tsy azontsika hohadinoina velively ankehitriny ny fihoaram-pahefana. Azonao atsahatra ny Ny Morony fa tsy azonao aato ny marina!!"
Mamoaka Gazety Amin'ny Fiteny Maya Ny Gazety An-tsoratra Meksikana
Maya no faharoa amin'ireo fiteny teratany manan-danja indrindra ao Meksika, tenenin'ny olona miisa eo amin'ny 800.000 eo.
Tanzaniana Mpamboly Ireo Olo-malaza Vaovaon'ny Televiziôna Mampiseho Ny Fiainana Andavan'andro
Fampisehoana amin'ny Televiziôna Tanzaniana, vokarin'ny Oxfam ny "Vehivavy Maherifon'ny Sakafo", mitady izay hanomezana hery sy hampianarana ireo vehivavy any ambanivohitra izay mampisakafo ny ankamaroan'ireo fianakaviana any amin'ny firenena Afrikana.