Tamin'ny 19 jolay lasa teo no notampenam-bava tao Malayzia ny tranonkala mpamoaka tsiambaratelo Sarawak Report noho ny famoahana ‘vaovao tsy voamarina’ momba ny raharahan-kolikoly manafintohina iray mahatafiditra ny 1MDB, orinasam-pampiasam-bola iray tantanin'ny fanjakana. Andro vitsivitsy taty aoriana, naato telo volana ny gazetin'ny The Edge [Ny Morony na Ny Sisiny] noho ny filazana fa namoaka tahirinkevitra noforonina mifandraika amin'ny 1MDB izy ireo. Ity raharaha ity koa dia mahatafiditra ny Praiminisitra Najib Razak taorian'ny namoahan'ny Wall Street Journal tati-baovao iray milaza fa nahazo 700 tapitrisa dôlara amerikana tamin'ny fandefasam-bola amin'ny banky amin'ny alalan'ny 1MDB izy.
Taorian'ny famoriam-bahoaka tao an-tsena, dia nizotra nankany amin'ny tranoben'ny Bar Council ireo vahoaka niorivory ireo. Notakiana tao amin'ny famoriam-bahoaka ny fiarovana ny fahalalaham-pitenenana, ny fanokafana ny fanampenambava ireo tranonkalam-baovao, ny fanesorana ny didy fampiatoana namelezana ny The Edge, ary ny fankatoavana ny zon'ny vahoaka hahalala ny fampahafantarana rehetra momba ny 1MDB.
Indreto ambany indreto ny sasantsasany amin'ny afisy sy sora-baventy tamin'ny fihaonambe :
Indreto ny sary sasantsasany hita ao amin'ny Twitter amin'ny fampiasana ny diezy #AtTheEdge [amin'ny morony] :
Proudly stood in protest with fellow Msians & journos at the #AtTheEdge rally today. #FreeMedia #FreedomofExpression pic.twitter.com/Vuqpcf3Q46
— CIJ Malaysia (@CIJ_Malaysia) August 8, 2015
Nijoro tamim-pireharehana tamin'ny fihetsiketseha-panoherana niaraka tamin'ny namana mpitendry mozika sy mpanao gazety tao amin'ny [amin'ny morony] androany
Feminists support freedom of expression & opinion #AtTheEdge @ivyjosiah pic.twitter.com/uItitSFsHk
— HRC Malaysian Bar (@hrc_bar) August 8, 2015
Mpandala ny mahavehivavy manohana ny fahalalaham-pitenenana sy fanehoana hevitra
“Asking questions about #1MDB is not a crime” #AtTheEdge pic.twitter.com/FxwpqJEiCI
— Sumisha Naidu (@sumishanaidu) August 8, 2015
Tsy heloka akory ny fanontaniana momba ny 1MDB
Journalism is not a crime. #AtTheEdge pic.twitter.com/iM2BTof63u
— Khairil Yusof (@kaerumy) August 8, 2015
Tsy heloka akory ny fanaovan-gazety
#AtTheEdge #808 http://t.co/PibBWYtaRn pic.twitter.com/y60xPrsTqv
— Umapagan (@umapagan) August 8, 2015
Amin'ny morony, 808
Tao amin'ny fanoratana tamin'ny Facebook i Aruna Sena no naneho firaisankina :
Curbing the media and curbing access to media is a blatant act of power to limit us, human beings, to our right to source information and news. It is also a blatant act to curb freedom of speech as well as limiting journalism.
All hope is not lost as I witness beforehand media players standing up for their right to report and deliver information to us the people #atTheEdge event yesterday. And that is a wonderful sight to see.
Fihetsika mivandravandra ataon'ny fahefana hamerana anay, olombelona, ny zonay hanana loharanom-baovao sy torohay ny fampiondrehana ny fampitam-baovao sy ny fampiondrehana ny fahazoana vaovao. Fihetsika mivandravandra ihany koa ny fampiondrehana ny fahalalaham-pitenenana sy ny famerana ny fanaovan-gazety.
Tsy very ny fanantenana rehetra raha efa nahita tamin'ny fijoroan'ny fampitam-baovao amin'ny zony hitatitra sy hamoaka vaovao amintsika vahoaka tamin'ny hetsika amin'ny morony omaly. Ary jery mahafinaritra tazanina izany.
Good turnout for #808 #AtTheEdge Free the media from political control! pic.twitter.com/k9E0jGC9uB
— Yin Shao Loong (@yinshaoloong) August 8, 2015
Fiolahana tsara ho an'ny 808 [amin'ny morony]. Afaho amin'ny fifehezana politika ny gazety!
.@Ambiga_S: we must never 4get abuses of power 2day. U can suspend edge, sr, but u can't suspend truth! #ATTHEEDGE pic.twitter.com/kyeT2HLaeN
— #AtTheEdge, Malaysia (@AtTheEdgeMsia) August 8, 2015
Tsy azontsika hohadinoina velively ankehitriny ny fihoaram-pahefana. Azonao atsahatra ny morony [sisiny], atoa, fa tsy azonao aato ny marina!
Misy fivoriana lehibe napetraka hihaonana amin'ny 29 aogositra. Amin'ity indray mitoraka ity dia tsy hianona fotsiny amin'ny famerana ny fahalalahan-gazety ny resaka. Raha mahazo anarana ho Bersih 4 ity fivoriana ity dia mitaky ny fialan'ny praiminisitra.