
Mpanohana ny fifanarahana nokleary mitazona afisy mitondra teny ho amin'ny filaminana ho entin'ny fifanarahana. Sary nalaina avy amin'ny pejy Facebook #SupportIranDeal
Nisy vondrona tanora 10 ka hatramin'ny 15 manao ny fanamiana t-shirt an'ny Israeli Defence Force (IDF na Tafika Isiraeliana) sady manofahofa ny saina Kanadiana, Isiraeliana ary an'ny IDF mihodidina tsimoramora ny vondrona iraniana mitazona ireo sora-baventy mivky hoe “#SupportIranDeal” (Tohano na Manohana ny Fifanarahana Iraniana) sy ny “we choose peace” [mifidy ny fandriampahalemana izahay].
Mbola vao nanomboka ny fandrindran'ny vondrona iraniana ny fihaonamben'ny 15 aogositra, vao teo ampamoahana ny saina mampiseho ny sary famantaran'ny #SupportIranDeal ahitana domohina sy sampan'oliva, sady mamorona afisy goavana. Tany Toronto izany, iray ami'ny faritra anjatony nikarakara fihaonana ho fanohanana ny fifanarahana ara-nokleary teo amin'i Iran sy ny P5+1 nosoniavina tamin'ny 14 jolay.
Ireo vondron'olona nanatona dia manana afisy mivatsy hafatra tahaka ny hoe “Esory ny sarontavan'i Obama. Obama manohana ny Kalifa. Jihad mandady tsimoramora io” ary ny “Izay tsy miraharaha ny tantara dia voaozona ny hamerina azy indray”, mampifanandrify ny sarin'ny fifanarahana ara-nokleary iraniana amin'ny fifanaovan'i Adolf Hitler sy Neville Chamberlain sonia isian'ny fitoniana tamin'ny 1938.
Manatona ny vondron'olona iraniana mitondra ny voromailala sy ny sampan'oliva ry zareo no sady mihiaka hoe “ajanony ny mpampihorohoro” sy ny “mpamono olona ireo”.

Mpanohitra ny fifanarahana manofahofa ny saina kanadiana isiraeliana ary IDF mihodidina ny fanombohan'ny fihaonana #SupportIranDeal tao Toronto. Sary navoakan'ny mpanoratra.
Niditra an-tsehatra ny polisy hametraka sakana manelanelana ny ankolafy mifanohitra, saingy tsy talohan'ny hiakan'ny Iraniana hoe “fandriampahalemana, fandriampahalemana, fandriampahalemana” ho setriny.
Io no miforitra kely tamin'ny hetsika an-jatony notontosaina tamin'ny toerana isan-karazany manerana izao tontolo izao tamin'ny Asabotsy. Araka ny famoahana an-gazety napetraky ny mpanao gazety Negar Mortazavi tao amin'ny pejy Facebook #SupportIranDeal Worldwide, nahangon'olona bebe kokoa ny hetsika teny ifotony ho setrin'ny feo mihamiakatra ho fanoherana ny fifanarahana.
On August 15th 2015, Global Day of Peace for Iran, thousands of people are gathering in cities across the world to show support for peace and prevent another war in the middle east. This is a grassroots movement organized by dozens of volunteers in over 100 cities in 20 countries in 4 continents. Hundreds of volunteers, with no affiliation to any organization or group, have joined this grassroots movement.
Thousands of volunteers all around the world are gathering to show support for the historic nuclear deal with Iran, which will make the world and the Middle East a safer place, give Iranian civilians a relief from harsh economic sanctions, and allow for resumption of peaceful relations between Iran and the United States. This is happening while pro-war lobbies in the U.S. are spending millions of dollars on campaigns to kill this deal and the prospect for a sustainable peace.
Tamin'ny 15 Aogositra 2015, Andro Iraisampirenen'ny Fandriampahalemana ao Iran, olona an'arivony no nanao fihetsiketsehana tany amin'ny tanàndehibe maro manerana izao tontolo izao ho fanehoana fanohanana ny fandriampahalemana sy fisorohana ady iray hafa ao afovoany atsinanana. Hetsika ifotony nokarakarain'ireo mpilatsaka an-tsitrapo ampolony amin'ny tanàndehibe maherin'ny 100 tao amin'ny firenena 20 amin'ny kaontinanta 4 izany. Mpilatsaka an-tsitrapo anjatony, tsy mpikambana amina fikambanana na vondrona no nanatevin-daharana ity hetsika ifotony ity.
Mpilatsaka an-tsitrapo an'arivony manerantany no nanao fihetsiketsehana mba haneho fanohanana ny fifampiraharahana ara-nokleary manatantara tamin'i Iran, izay mahatonga izao tontolo izao sy ny Afovoany Atsinanana ho toerana azo antoka kokoa, manome vonjy avy amin'ny fanasaziana henjana mianjady amin'ny Iraniana olon-tsotra, ary mamerina indray ny fifandraisana mitandro ny fandriampahalemana eo amin'i Iran sy i Etazonia. Mitranga izany raha mandany vola an-tapitrisany dolara ho fanentanana ho amin'ny famonoana ity fifanarahana ity sy ny famonoana ny fikarohana fandriampahalemana maharitra ireo vondron'olona mpanao lobbies mpankasitraka ady ao Etazonia.
Nandritra ny herinandro vitsivitsy nialoha ity hetsika amin'izao fotoana izy no nampielezan'ireo mpanohana fatratra sy teny faneva sy ny sary famantarana.
Nandray fanamarihana amin'izany mihitsy moa y mpikambana iray avy amin'ny ekipa diplaomatikan'i Etazonia Marie Harf tao amin'ny sioka iray nandritra ny fifandresendahatra:
I have no idea who is doing this, but it's kind of awesome. https://t.co/uO9Geb8LvO
— Marie Harf (@marieharf) August 8, 2015
Tsy fantatro mihitsy hoe iza no nanao izao fa karazany tena mampihiratra ny maso mihitsy.
Tao amin'ny governemanta iraniana, Massoumeh Ebtekar, Filoha Lefitra sady filohan'ny fiarovana ny tontolo iainana ao amin'ny fitondran'i Rouhani, nametraka rohy iray tao amin'ny hetsiky ny pejy Facebook.
Ninatso ny fanohanana ny fifanarahana i Ebtekar eo imason'ny mpanohitra avy ao amin'ny kongresin'i Etazonia sady “Zionista”.
Indro ny fantina avy amin'nysioka tamin'ireo tanàna nahitana fivorian'olona ho fanohanana ny fifanarahana :
Auckland
We now pass on the torch to other cities round the globe to continuing #SupportIranDeal @SupportIranDeal #Auckland pic.twitter.com/L2tRzmQ7Er — AKLSupportIrandeal (@irandeal_akl) August 15, 2015
Ankehitriny izahay mampita ny fanilo amin'ny tanàna manerana ny glaoby hanohy ny [Fanohanana Fifanarahana amin'i Iran]
Amsterdam
#SupportIranDeal Amsterdam pic.twitter.com/wJS4W7muVj — Ehsan Mansouri (@ehsanmansuri) August 15, 2015
Washington D.C.
Gathering in support of #IranDeal in front of the White House #SupportIranDeal pic.twitter.com/6yKNEDvBo0 — Golnaz Esfandiari (@GEsfandiari) August 15, 2015
Fivorian'olona ho fanohanana ny fifampiraharahana amin'i Iran eo anoloan'ny Trano Fotsy
Toronto
#SupportIranDeal #toronto pic.twitter.com/8Nh7w8HYZc
— Mahsa Khalili (@MahsaKhalili_) August 15, 2015
Los Angeles
Los Angeles came out to #SupportIranDeal. Follow our campaign @SupportIranDeal. pic.twitter.com/LMLsqPVTvC — Negar نگار (@NegarMortazavi) August 16, 2015
New York
#SupportIranDeal NYC pic.twitter.com/1znddwpQ08 — Mani Mostofi (@manimostofi) August 15, 2015
Vienna
#SupportIranDeal #IranDeal @hotelcoburg, @vienna pic.twitter.com/PZOZ42jbGv
— Soodeh (@SoodehFa) August 12, 2015
Kampala
#Kampala #SupportIranDeal with love pic.twitter.com/SKOBXuxwmU — Nazanin Kargosha (@NazaninKargosha) August 15, 2015
San Diego
@SenSchumer via @SupportIranDeal San Diego pic.twitter.com/pOmLUcJU4D — Margaret Christman (@mgc_rrt) August 16, 2015
Paris
تجمع حامیان توافق در پاریس #Paris #SupportIranDeal pic.twitter.com/K7zr7NoBTU — amir ebtehaj (@amirebtehaj) August 16, 2015