Nisarika ny sain'ny media sosialy ao Japana ny dokambarotra iray tamin'ny fomba vaovao natao ho anà kojakoja fanolo amin'ny fiara japoney.
G Sports, an'ny Toyota no sady tantanany rahateo, dia namokatra dokambarotra iray tamin'ny fomba vaovao, nomena anarana hoe “G's Baseball Party”.
Ahitàna mpandeha an-tongotra miditra tampoka manatevina ny lalao amin'ny fisamborana ny baolina baseball ny fiaingàn'ilay lahatsary. Fisamborana mahazendana no ataon'ireo mpandray anjara, ary tsy mipoitra mihitsy ireo fiara nasiam-panovàna — izay heverina voalohany indrindra fa amidin'ilay dokambarotra — mandrapahatonga any amin'ny faran'ilay lahatsary tselatra.
Navoaka tamin'ny Martsa 2015 ilay lahatsary, ary hatreto dia mampitogaigy fa nahangona mpijery efa 8 tapitrsa ao amin'ny YouTube.
Araka ny ambaran'ireo media sosialy sasany, ny ampahany amin'ny antson'ilay dokambarotra dia tsy toy ny tena dokambarotra tanteraka no fahitàna azy:
TOYOTA G's Baseball Party https://t.co/YX4vNrLHtl CMのクオリティがすんげえ高い。 だが売ろうとしている「商品」がCMに追いついてない、気がするw pic.twitter.com/dVk1U7GqG5
— まさひろ⊿P10広島最終日へGO!! (@masahiro2010) August 7, 2015
Tena tsara kalitao tokoa ilay dokambarotra! Na heverina aza hoe tokony hivarotra karazam-bokatra vitsivitsy ry zareo, tsy hahatsapa velively ianao hoe namarotan-javatra. TPT.