Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety tamin'ny Marsa, 2017
Tanàna Japoney Misarika Mpizaha Tany Noho ny Fijerena Fiarandalamby Fotsiny
Nahoana no mahasarika mpizaha tany an'arivony ny tanàna kely ao andrefan'i Japana ? Liana amin'ny fijerena fiarandalamby fotsiny.
Fitaka, Hosoka, Diso, Namboarina: Fitadiavana ny Voambolana Ho An'ny Marina Amin'ny Vaovao
Mety hampametra-panontaniana momba ny fetran'ny fitaterana zavamisy atosiky ny filazàna "vaovao tsy marina", saingy htanay ao ihany koa fa mety zavatra tsara ihany koa izany.
Mijoro Ho An'ny Katedralin'I St. Isaac I St. Petersburg
Na dia eo aza ny fanalàm-baraka toa fandatsahan-drà isankarazany natao tamin'ny mpikarakara, sy ny famoretana avy amin'ny manampahefana mba hampihemotra azy ireo, mbola manohy mijoro hatrany ireo mpikatroka ao Saint Petersburg ho an'ny Katedralin'i St Isaac
Nogadrain'ny Fitsarana Emira Arabo Mitambatra Ilay Mpanao Gazety Jordaniana Tayseer al-Najjar
Tsy nankasitraka ny lahatsoratra Facebook izay navoakan'i Tayseer al-Najjar talohan'ny nifindrany tao amin'ny firenena ny manampahefana Emira Arabo Mitambatra.
Fampitandremana Sivana Nataon'i Rosia Tamin'ny Foibe Fampielezam-Peo, Nahatonga Tebiteby Vetivety
Haingana -sady vetivety- no niparitahan'ilay tebiteby momba ilay famoretana iray hafa atao amin'ny haino aman-jery Rosiana tamin'ny 10 Febroary rehefa novakian'ny vaovao fa nampitandreman'ny Roskomnadzor, mpiandry ny haino aman-jery avy amin'ny fanjakana, ny foibe fampielezam-peo Ekho Moskovy (Akon'i Maosko) fa mety hakatona.
Misaona an'i Lazarova, Mpihira Nentin-drazana, Izay Nanome Aingam-panahy Ho An'ny Mpikatroka ny Nanjò Azy, ny Makedoniana
Nanjary tantaran'ny fikatrohana nomeraka tao Makedonia i Vanja Lazarova, izay namoy ny ainy tamin'ny Alahady 12 Marsa tao Skopje teo amin'ny faha-86 taonany.
Kyrgyzistan, Fampahalalam-baovao Torian'ny Mpampanoa Lalàna ho Manevateva ny Filoha
Niampanga fampahalalam-baovao lehibe roa ho nanevateva ny filoha tamin'ny fanapariahana "vaovao diso" momba azy ny mpampanòa lalàna ambony ao Kyrgyzistan ary nilaza fa hangataka onitra any amin'ny tribonaly ny biraony.
Nyango Star, Ilay Endrika Famantarana Miendrika Paoma Mively Ampongamaroanaka Hanavotana ny Faritr'i Tohoku Ao Japana
"Isaky ny miseho vahoaka i Nyango Star dia hanampiana an'i Tohoku amin'ny fanasitranana azy izy izay [famerenana amn'ny laoniny ny faritra]. Tsy mively ampongamaroanaka ho amin'ny tombontsoany manokana ilay endrika famantarana, fa hanavotany ny tanindrazany malalany ."
Lasibatra ny Fanehoana Hevitra an-kalalahana Satria Natsahatr'i Venezoelà ny CNN Amin'ny Teny Espaniola
Ho azo maimaimpoana ao Venezoelà amin'ny Youtube izao ny CNN amin'ny teny espaniôla — saingy olana ve izany ao amin'ny firenena iray izay manana ny fifandraisana aterineto mihisatra indrindra ao amin'ny faritra?
Ho Anao Mpankafy Zavakanto Japoney, Manana Fanomezana Miisa 300.000 Ho Anao Ny Mozea An-tanàndehiben'i New York
Afaka mampiasa ny asakanto avokoa ny olona rehetra na inona na inona antony, rehefa mbola manome voninahitra ilay mpanolotra ny asakanto tany am-boalohany sy ny Met ihany koa izy ireo.