Tanàna Japoney Misarika Mpizaha Tany Noho ny Fijerena Fiarandalamby Fotsiny

Hitachi Class 800. York.

“Hitachi Class 800. York.” Sary avy amin'ny mpisera Flickr Carl Spencer. Lisansa: Attribution-NonCommercial 2.0 Generic (CC BY-NC 2.0)

An'aliny ny mpankafy fiarandalamby no nifampitaona tao amin'ny tanàndehibe iray miala ny Ranomasina Anatiny ao Japana tamin'ny fiandohan'ny volana Martsa mba hitazana ny fiarandalamby vaovao natokana ho an'ny Fanjakana Britanika. Manazava ny fomba hisarihana mpizaha tany any amin'ny tanàndehiben'ny faritany Japoney ity zava-nitranga ity raha nivadika ho faniriana fatratra tao Japana ny fitiavana fiarandalamby tao anatin'ny taona vitsivitsy,.

Tamin'ny 6 Martsa, olona tokony ho 30.000 eo no nanao valalamanjohy an-dalamben'i Kudamatsu, tanàna kely iray ao amin'ny prefektioran'i Yamaguchi , tokony ho 900 kilometatra any andrefan'i Tokyo, mba hijery ny andiana Class 800 izay karazana fiarandalamby mandeha elekitirika sy gazoala taterin'ny tiraktera avy ao amin'ny orinasa Hitachi  ho any amin'ny seranan-tsambo.

Notaterina an-dalàmbe ilay fiarandalamby natokana ho fiarandalamby haingam-pandeha any amin'ny Fanjakana Britanika ny tolakandro teo. Nivory tao Kudamatsu, Yamaguchi ireo mpankafy miisa 30,000 .

Nambara tao an-tanàndehibe ny fanaterana ilay fiarandalamby ho any amin'ny seranan-tsambo, anisan'izany ny lalana izay handalovany sy ireo toerana tsara indrindra mba hanaovana topimaso ilay fiarandalamby. Tanàna kely iray manana mponina miisa 55.000 ​​ tsy dia fantatra loatra ho toeram-pizahan-tany amin'ny ankapobeny i Kudamatsu. Na izany aza, miroborobo be tokoa ny fizahantany anatiny ao Japana hany ka misy ny tsy fahampian'ny toerana fandraisam-bahiny any amin'ireo toerana betsaka mpizaha tany. Misy ny ezaka fampiroboroboana sy fampivelarana ny fisarihana mpizaha tany isam-paritra ao Japana mba hihazonana ny filàna.

Ho an'ny ben'ny tanànan'i Kudamatsu:

Tena tsara indrindra fotsiny izao ilay “Tetikasa Fitaterana ny Fiaran-dalamby Haingam-pandeha Mandalo Ny Lalàmbe Makany Amin'ny Seranan-tsambo “. Na dia 4 kilaometatra  fotsiny aza ny elanelan'ny orinasa sy ny seranan-tsambo dia mampiseho ny zava-misy momba ny fanatrehan'ny olona miisa 30,000  fa tokony ao Kudamatsu ihany no miseho ny zava-nitranga. Tena manantena anao hanohy ity tetikasa ity hatrany aho!

Na dia sarotra aza ny fomba hijerena ny mety hampalaza ity hetsika ity ho an'ny mpitsidika an'i Japana dia toa hita fa nahomby izany niaraka tamin'ny kolontsaina mampientanentan'ny mpankafy fiarandalamby tao Japanailay karazana fizahan-tany vaovao nahasarika olona liana amin'ny indostirian'ny fanamboarana ao Japana “, izay nirohotra mba hijery ilay fiarandalamby ho any amin'ny seranan-tsambo izay ho alefa any amin'ny Fanjakana Britanika.

Mety hampisy lanjany ara-panembonana ho an'ireo mpankafy lalamby Japoney ny fiarandalamby Class 800  nalaina avy amin'ny fiarandalamby andiany 681 haingam-pandeha tao Japana izay mampitohy an'i Osaka sy ireo tanàndehibe any amoron-dranomasin'i Japana izy ity. Ny 681 no fiarandalamby haingam-pandeha indrindra amin'ny lalamby tery eto amin'izao tontolo izao, izay afaka mandeha mihoatra ny hafainganam-pandeha 160 km isan'ora.

Nanaitra ireo mponina tao amin'ny firenena ny habetsahan'ny mpijery :

Androany ny andro izahan'ny mpijery ao an-toerana ny fitaterana fiarandalamby vaovao avy any amin'ny orinasa Hitachi ho any amin'ny toby. Nieritreritra ny handeha hijery aho rehefa avy miasa, kanefa feno vahoaka mifanitsa-kitro ny ankamaroan'ny lalana ka dia tsy afaka nahita tsara aho. Na izany aza, nahita ihany aho tatỳ aoriana rehefa nalefa tamin'ny fandaharana fahitalavitra mandalo hosina ilay izy .

Tsy nampino ny hamaroan'ny olona teo an-toerana… tena mbola maro kokoa noho ireo mipetraka ao Kudamatsu mihitsy ny olona tao!

Nangala-tahaka haingana ny fampiroboroboana fizahana fiarandalamby tao Kudamatsu ireo tanàndehibe hafa tao Japana izay nanantena ny hahazo tombontsoa tamin'ny fanamboarana lalamby.  Nisioka i Hakata, ao Fukuoka any amin'ny faritra andrefan'i nosy Kyushu hoe:

Salama! Araka ny mety efa hitanareo tao amin'ny vaovao omaly, nisy hetsika iray tao Kudamatsu, Yamaguchi, izay nahitana fiarandalamby vao novokarina nentina avy any amin'ny orinasan'ny lalamby Hitachi ho any amin'ny seranana, ary mpankafy lalamby maro be no nivoaka hijery izany.

Raha ny marina,  nahazo fiarandalamby haingam-pandeha maromaro ho an'ny tolotra Shinkansen faran'izay haingana ao amin'ny seranan-tsambon'i Hakata ny Lalamby ao Andrefan'i Japana. Zava-nitranga tena tsy fahita firy amin'ny fiainana ihany koa izy ity!

Natao ho an'ny Fanjakana Britanika ny fiarandalamby Class 800 ao Kudamatsu izay fitaovana ho ampiasaina ho amin'ny Fandaharan'asa Fitaterana Haingam-pandeha Mampitohy Tanàndehibe roa.

Class 800 no fiarandalamby ao amin'ny fiantsonana 1 @NetworkRailPAD, hiainga tsy ho ela ho any #greaterwest. [andrefana]

Raha ao Japana sy any amin'ny Fanjakana Britanika no hanamboarana ireo fiarandalamby, izay orinasa  antenaina mba hamorona asa maherin'ny 700 dia nilaza mivantana ny governemanta Japoney fa atahorana hametraka olana amin'ny fampiasam-bola Japoney toy izany any amin'ny Fanjakana Britanika amin'ny hoavy ny Brexit .

Nampiseho ny halehiben'ny tangoron'olona nivory mba hitazana ny fiarandalamby ho alefa any amin'ny seranan-tsambon'ny Kudamatsu ireo tati-baovao:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.