Nyango Star, Ilay Endrika Famantarana Miendrika Paoma Mively Ampongamaroanaka Hanavotana ny Faritr'i Tohoku Ao Japana

nyango star japanese mascot

Nyango Star mively ampongamaroanaka amin'ny hira Japoney malaza “idol”/tarika mpihira metaly fusion BABYMETAL. Pikantsary avy amin'ny Nyango Star fantsona YouTube ofisialy.

Lasa nalaza tamin'ny fiandohan'ny volana Martsa teo ny sioka mampiseho ny endrika famantarana Japoney iray miendrika paoma mively ampongamaroanaka.

Hatramin'izao aloha, nisy nampita sioka in-91.000 ary nahazo ekeko miisa 113.000 ny lahatsary “Anpan March” hira avy amin'ny fandaharana malaza iray hoan'ny ankizy ao amin'ny fahitalavitra ahitana an'i Nyango Star mitendry ampongamaroanaka.

Tsy mihonona amin'ny feon-kira raoka fotsiny toy ny ‘Crimson’ (Kurenai, 紅) an'i X Japan izy, fa milalao ny Dian'i Anpan ho an'ny ankizy i Nyango Star eto!

Ity ny hira faharoa nataony. Topazo maso kely. Miha-haingana sy mafimafy kokoa ny fivelezana ampongamaroanaka.

Endrika famantarana ‘yuru-chara’ avy any Kuroishi, ao afovoanin'ny prefektioran'i Aomori, any avaratra atsinanan'i Japana, i Nyango Star. Ny teny hoe ‘Yura-chara’ dia fitambaran'ny teny Japoney hoe “mazava fo sy tsara fanahy” sady fanafohezana ny teny hoe  “toetra” na endrika famantarana.  Mirehareha amin'ny endrika famantarana iray na maromaro toy izany ny faritra rehetra ao Japana.

Araka ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Reddit :

Please know that Nyango star is a yuru-chara mascot from Japan representing Aomori prefecture that's part of the Tohoku-region which was devastated by the earthquake and subsequent tsunami in March 11th, 2011. So, anytime Nyango star makes public appearances it is to promote the region and help it recover from the tragedy. It isn't drumming for its personal gain but for its beloved home.

Azafady, fantaro fa endrika famantarana yuru-chara avy any Japana i Nyango Star izay misolontena ny prefektioran'i Aomori, ampahany amin'ny faritra Tohoku izay ravan'ny horohorontany sy ny tsunami tamin'ny 11 Martsa 2011. Noho izany, isaky ny miseho vahoaka i Nyango Star dia ny hampandroso ny faritra sy ny hanampiana amin'ny fahasitranan'ny feriny tamin'ny voina izay. Tsy mively ampongamaroanaka ho amin'ny tombontsoany manokana  izy, fa hanavotany ny tanindrazany malalany izay.

Nahazo ny bikany avy amin'ny paoma izay nampalaza an'i Aomori tao Japana i Nyango Star. Toa hita miendrika saka ihany koa ilay endrika famantarana. Raha atambatrao ny feo ataon'ny saka amin'ny teny Japoney (nyan) sy ny tontolo Japoney milaza ny “paoma” (ringo), dia mahazo ny anarana hoe Nyango ianao. Avy amin'ny anaran'ilay mpively amponga malazan'ny Beatles Ringo Starr ny sisa amin'ny anaran'ila endrika famantarana Aomori.

Ao anatin'ity lahatsary ity, hita mively ampongamaroanaka amin'ny hira “tena sarotra” “Crimson” (Kurenai, 紅) an'ny tarika mpihira rock malaza X Japan ao amin'ny foiben-kolontsain'ny mpianatra oniversite ao amin'ny prefektioran'i Aomori i Nyango Star .

Maro amin'ny lahatsarin'i Nyango Star mively ampongamaroanaka no azo jerena ao amin'ny tranonkala ofisialin'i Nyango Star, sy ao amin'ny pejiny TwitterInstagram ary YouTube. Azo jerena ao amin'ny bilaogin-kolontsaina pop Japoney Grapee ny fanazavana bebe kokoa amin'ny teny Anglisy momba an'i Nyango Star.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.