Nogadrain'ny Fitsarana Emira Arabo Mitambatra Ilay Mpanao Gazety Jordaniana Tayseer al-Najjar

Tamin'ny volana Jona 2016, ny fanentanana ‘Ny Fahafahany no Zony’ niantso ho amin'ny famotsorana an'i Tayseer al-Najjar, izay nampidirina am-ponja any Emira Arabo Mitambatra nanomboka tamin'ny volana Desambra 2015.

Tamin'ny 15 Martsa, nogadrain'ny fitsarana Emirà Arabo Mitambatra telo taona an-tranomaizina i Tayseer Al-Najjar Jordaniana mpanao gazety, ary nampandoaviny lamandy 500.000 dirhams (tokony ho 136,000 dolara amerikana) noho ny faniratsirana ny fanjakana tao amin'ny lahatsoratra Facebook izay navoakany tamin'ny taona 2014 raha mbola nipetraka tao Jordania izy.

Tao amin'ny lahatsoratra, nitsikera ny toeran'ny Emirati tamin'ny ady Israeliana tany Gaza tamin'ny taona 2014 i al-Najjar , izay nahafatesana Palestiniana maherin'ny 2.200 ary olon-tsotra ny ankamaroan'izany. Olom-pirenena Israeliana miisa enina sy miaramila miisa 64 ihany koa no maty nandritra ny ady. Araka ny Foiben'ny Zon'Olombelona ao amin'ny Emirà , nanoratra i al-Najjar hoe :

Message to some journalists and writers who do not like the Gazan resistance […] There is no two rights in one case, but the right one is the Gazan resistance and all else is bad – such as Israel, the UAE, [Egyptian President Abdel Fattah el-] Sisi and other systems that are no longer ashamed of shame itself

Hafatra ho an'ireo mpanao gazety sy mpanoratra sasany izay tsy mankasitraka ny fifaharan'i Gaza […] Tsy misy zo miisa roa amin'ny tranga iray, fa ny fifaharana Gazaita ihany no hany marina, ary diso ny an'ny hafa rehetra, toy ny an'i Isiraely, Emira Arabo Mitambatra, [ny Filoha Ejipsiana Abdel Fattah el-] Sisi sy ny rafitra hafa izay tsy mahalala menatra intsony.

Horoahina ihany koa, raha vao avy manefa ny saziny i Al-Najjar, izay notazomin'ny manampahefana Emirà Arabo Mitambatra tamin'ny volana Desambra 2015, ary niandry ny fitsarana azy nandritra ny herintaona mahery. Nahita azy ho meloka ny Fitsarana Fiarovam-pirenena ao Abu Dhabi tamin'ny “fanompana ny marika famantarana ny fanjakana” tao amin'ny media sosialy. Eo ambanin'ny Lalànan'ny Heloka An-tserasera taona 2012 andininy faha-29 ao Emirà Arabo Mitambatra, ny famoahana fanambarana, toro-hevitra, vaovao na tsaho “miaraka amin'ny fikasana hanao esoeso na hanimba ny laza, voninahitra na ny satan'ny fanjakana, ny andrim-panjakany sy ny mpitondra ao aminy dia heloka saziana vonjimaika an-tranomaizina miaraka amin'ny fandoavana onitra

Matetika ny Emira Arabo Mitambatra no mandefa ireo mpisera any am-ponja noho ny fanehoan-kevitra am-pilaminana . Fa ny manahirana momba ny raharahan'i Al-Najjar dia ny fampidirana am-ponja azy noho ny fanambaràna izay nataony  talohan'ny nifindrany mihitsy tao amin'ny firenena mba hiasa ho mpitati-baovao ara-kolontsaina ho an'ny gazety ao an-toerana.

Mpanoratra, mpanao gazety sady mpikambana ao amin'ny Fikambanan'ny Gazety Jordaniana, niasa tao amin'ny sampana ara-kolontsaina tao amin'ny gazety Al-Dostour mivoaka isan'andro ao Jordania i al-Najjar. Tamin'ny Aprily 2015, nifindra tany Abu Dhabi izy izay nanombohany niasa ho mpitati-baovao ara-kolontsaina ho an'ny gazety al-Dar, izay sampan'ny foibe ara-Kolontsaina sy ny Fampitam-baovao Aljewa an'ny governemanta..

Notànan'ny manampahefana Emirà Arabo Mitambatra i Najjar tamin'ny Desambra 2015, taorian'ny nandraran'izy ireo azy saika hiondrana am-piaramanidina ho any Jordania tao amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisampirenena Abu Dhabi hitsidika ny fianakaviany. Notànana tsy nahazoana vaovao izy efa ho roa volana teo, ary nijanona tany am-ponja tsy nisy fitsarana nandritra ny herintaona mahery.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.