Raha mihatsara ny filaminana ao El Salvador, mihemotra kosa izy eo amin'ny fahalalahan-gazety

Nosakanan'ny tao amin'ny Presidansa ny fidiran'ny El Faro sy Revista Factum nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanora-gazety. Loharano: El Faro/Victor Peña. Nahazoana alalana.
Tiam-bahoaka ny Prezidà Nayib Bukele ao El Salvador. Tonga tao amin'ny Prezidansa ilay mpandraharaha tia Twitter tamin'ny 1 Jona 2019, tsy manana foto-kevitra politika mazava niainga avy tamin'ny fahadisoam-panantenana naharitra am-polony taona tamin'ireo governemanta nifandimby na avy amin'ny ankavanana na avy amin'ny ankavia. Taona maro naha-ambony toerana ny kolikoly, herisetram-pikambanan-jiolahy, tsy fisian'asa ary famindra-toerana ankaterena no nahatonga ny vahoaka hino fa i Nayib Bukele no mety ho kapiteny hitondra an'i El Salvador any amin'ny lalana marina.
Nihena avy amin'ny 8,9 isaky ny mponina 100.000 tanelanelan'ny Janoary ka hatramin'ny Mey 2019 ny tahan'ny famonoana olona ka nankany amin'ny 5,6 tanelanelan'ny volana Jona ka hatramin'ny volana Aogositra araka ny lahatahiry nasionaly, izay mampanome toky an'i Bukele amin'ny drafi-piarovana nataony araka ny fomba miaramila. Mihoatra kely ny 50 isanjaton'ny mponina no mahita ny ady amin'ny heloka bevava ho fahombiazana indrindra vitan'i Bukele, raha mahatsikaritra fiovana tsara hatramin'ny nandraisany ny birao kosa ny 90 isanjato.
Tamin'ny andro nanambaràny ny paikady iadiana amin'ny kolikoly iraisampirenena, fisantarana andraikitra iray hafa tiam-bahoaka, tsy navelany hiditra tao amin'ny valandresaka ho an'ny mpanora-gazety ireo mpanao mpanora-gazety famotorana. Nisy fifanasana vangy imasom-bahoaka avy eo teo amin'i Bukele sy ireo mpanora-gazety tratran'ny sivana.
Nisioka i Bukele fa “zaza bekonetaka” ireo mpanora-gazetin'ny El Faro sy Revista Factum (ny voambolana “vístimas” solom-boambolana fanesoana víctima, amin'ny teny espaniola no nampiasainy) arynohazavainy fa tsy navela niditra ireo satria ratsyfitondra-tena tamin'ny valandresaka teo aloha. Namaly y mpanora-gazetin'ny El Faro tamin'ny nahafahany nilaza izany teo aloha fa notapahana ny mikrôny raha nanontany izy ka voatery niteny mafy raha hamoaka ny fanontaniany.
Nanampy betsaka ny El Faro sy ny Revista Factum tamin'ny famoahana ireo tsikombakomban-kolikoly sy tsi-fisaziana teo aloha ary eo am-pamotopotorana ny lasa ara-bola ny filoha sy ny fangaraharan'ny governemanta ry zareo amin'izao fotoana izao. Manadihady ihany koa ry zareo ny rafitra ara-keloka bevava ao amin'ny firenena, manampy ny mpamaky amin'ny haavo sy haivan'ny herisetran-jiolahy ao El Salvador.
Ho an'ny maro amin'ny mpanaraka an'i Bukele, voampanga ho mitongilana miady amin'ny filoha ireo fampitam-baovao nomerika ireo. Mpikambana ao amin'ny antoko ankavanana vao niforona, ohatra, ny iray amin'ny mpanorina ny Revista Factum. Amin'ny ankapobeny ireo fampitam-baovaon'ny El Salvador no hita ho efa eo am-pelatanan'ny tombontsoa politika iray na tsy miankina.
Manameloka ny fandrarana na izany aza ny fikambanana iraisampirenena tahaka ny Inter-American Commission on Human Rights (Vaomiera iraisain'ny Amerikana momba ny Zon'Olombelona) sy ny Committee to Protect Journalists (komity mpiaro ny mpanora-gazety). Efa namela ireo mpanao gazety avy eo i Bukele hanatrika ny valandresaka, saingy nantsoiny ho “adala” araka ny hita ato amin'ity lahatsary ity, ny fanontanian'ny mpanora-gazety iray momba ny fangaraharahana ao amin'ny Revista Factum. Nalaza haingana dia haingana io lahatsary io tamin'ireo mpanohana ny fihetsiky ny filoha.
Manazava ny fanahiany tao amin'ny seho iray tao amin'ny radio salvadoriana Pencho y Aída i Carlos Dada, mpanorina ny El Faro.
“100 días son muy pocos para juzgar a un gobierno, de lo que podemos hablar es de los primeros síntomas de los parece un problema, un problema de culto a la personalidad, un problema de narcisismo, intolerancia a las voces críticas; ojalá esto cambie”: @CarlosDada @_ElFaro_
— Pencho y Aída (@PenchoyAida) September 23, 2019
“Fohy loatra izany zato andro izany hitsarana ny governemanta. Afa-miresaka isika momba ireo fambara voalohany amin'izay mety ho olana amin'ny fanindrahindrana tafahoatra olona iray, olana ara-pitiavantena, ary ny tsy fahazakana ireo feo mitsikera. Antenaina mba hiova izany.”
Noheverina ho toerana mba metimety ihany amin'ny mpanao gazety i El Salvador ao Amerika Afovoany, saingy nihemotra izy—nivarina toerana 15 izy tao amin'ny Tondrom-Pahalalahan-gazety 2019 raha oharina tamin'ny 2018.
Na dia tsy vaovao aza ny fifampihenjanan'i Bukele amin'ny gazety—efa tafiditra izy tamin'ny fandrindrana “troll center” [foibem-panasoketana] avy amin'ny findainy nifamaliany tamin'ny La Prensa Gráfica sy ny El Diario de Hoy tamin'ny taona 2015—dia mbola nihamafy kokoa izany tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izay.
Manaraka tsara ny fitahirany ireo mpanohana an'i Bukele ary manaisotra fitokisana, na, amin'ny tranga ratsy kokoa aza, manompa ny mpanao gazety sy izay rehetra manao sompirana tsy fitokisana ny fitondran'i Bukele. Mampiasa fomba fiteny ny filoha mampisaraka ireo manohana azy—ny “90 isanjato manohana azy any amin'ny biraom-pifidianana”, sy ireo 4 isanjato izay “tsia.” Milaza moa i Bukele fa “maharikoriko ireo 4 isanjato” satria mitsikera ny tafika mitam-piadiana.
Mety hampihemotra ny hafa hiteny izay ao an-dohany ao amin'ny firenena ny fampamenarana imasom-bahoaka. Nihaika ny fironan'i Bukele mankany amin'ny fametrahana anaty rafitra miaramila an'i El Salvador i Karla Castillo, Salvadoriana iray mpikatroky ny zon'olombelona, tao amin'ny Facebook ary lasa nalaza haingana dia haingana ilay paositra. Olona an'arivony no nitsikera ny heviny sy ny tenany tamin'ny alalan'ny fanompana sy fandrahonana azy.
La Secretaría de Prensa de la Presidencia de la República de El Salvador acaba de compartir una serie de imágenes en Twitter, como parte de la celebración de independencia. Un show de represión de la Fuerza Armada, frente a la tarima presidencial. Yo no sé ustedes, pero a mí me da tristeza y miedo al ver estas imágenes. El presidente Nayib Bukele podría marcar la diferencia al celebrar la independencia con tantos actos culturales y artísticos, educativos, incluso. Pero él prefiere hacer una demostración de terror. Más incomprensible es verlos disfrutar del show. No, esto no es independencia, esto es instaurar miedo en la población.
Y para los que defienden estas práctica, les recuerdo del informe que la misma Procuraduría General de la República lanzó hace unas semanas, donde se demostró que las mismas autoridades abusaron de su poder para cometer asesinatos violentos. El informe cuenta al menos 116 víctimas.
Una cosa es utilizar a la fuerza pública, en el marco de su deber, otra muy diferente es hacer un show de entretenimiento con eso. Esto es institucionalizar el terror como una práctica y legitimar el uso, incluso el disfrute, de la represión.
Vao nizara andian-tsary indrindra ny sekretarian'ny fampitam-baovao fiadidian'ny Filoha tao amin'ny Twitter ho ampahany amin'ny fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena. Fampisehoana iray ny famoretan'ny Tafika mitam-piadiana, eo anoloan'ny lampihazon'ny filoha. Tsy haiko aloha ianareo, fa mahatsiaro malahelo sy matahotra aho mahita ireo sary ireo. Mety ho nanao zavatra miavaka ho fankalazana ny fahaleovantena amin'ny alalan'ireo hetsika ara-kolontsaina, artistika ary eny fa na ara-panabeazana aza ny Filoha Nayib Bukele. Saiky tiany kokoa ny maneho fampisehoam-pampihorohoroana. Ary vao maika tsy azo mihitsy ny mahita azy ireo mankafy ilay seho. Tsia, tsy fahaleovantena izao, fa natao izao hiteraka tahotra amin'ny mponina.
Ary ho an'ireo izay miaro izao fomba izao, mampahatsiahy anareo aho ny tatitra izay nataon'ny Lehiben'ny Fampanoavana ampahibemaso herinandro vitsivitsy lasa izay, izay mampiseho fa na ny manampahefana azadia mihoatra amin'ny fahefany hanao herisetra. Farafahakeliny 116 ny lasibatra voaisan'ny tatitra.
Zavatra iray ny mampiasa ny herin'ny governemanta ao anatin'ny sehatry ny adidiny, fa zavatra iray hafa ny mampiasa hery ho fampisehoana fanalana andro. Mametraka ho ao anaty fomba ny fampihorohoroana izany ary mametraka ho ara-dalàna ny fampiasana azy, eny fa na dia amin'ny ao anatin'ny fankafizana famoretana aza.

Sary nomarihan'i Karla Castillo tao amin'ny paositra Facebook. Nalaina avy ao amin'ny kaontiny Facebook ary nahazoana alalana.
“Mahatsiaro voatohina ny olona satria i Bukele irery ihany no fanantenany,” hoy i Karla Castillo tamin'ny Global Voices tamin'ny alalan'ny telefaonina. “Ka izay rehetra fitsikerana ny filoha dia tsikera mankany amin-dry zareo sy ny fanantenan-dry zareo.” Ny mampanahy azy amin'ny Filoha dia ny “hamehan'ny hafa hanaraka ny fitarihany”.
Na dia mino aza izy fa manana fikasana tsara hanarenana ny firenena ny filoha, nilaza izy fa mety “manana teti-panorona hamiliviliana ny saim-bahoaka” ilay rangahy io. Mihevitra izy fa iray amin'ireo tetipanorona ireo ny manao izay hahatonga ny gazety ho fahavalo ary misoroka ireo fanontaniana mety mahadikidiky. Tetipanorona iray hafa, araka ny filazany, ny hanangana vinam-pirenena iray izay tsy mbola misy ary manaratsy ireo hevitra manohitra.
“Mazava loatra fa tiako ny firenena hivoatra, efa niaina izany tantaram-pamonoan'olona maharikoriko izany ny namako,” hoy izy. “Saingy tiako ny zavatra raha vitaaraka ny rariny sy ny hitsiny.” Mihevitra izy fa na ny famelezana ny fahalalaham-pitenena fotsiny aza dia efa endrika herisetra rahateo.
“Nanoratra manokana tamiko ny olona tany an-takonana tany misaotra noho ny fitondrako ny feo, satria tsy mahasahy mitsikera ny filoha ankarihary ry zareo noho ny fanafihana an-tserasera,” hoy ny filazany.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...