Gazety aostraliana manohitra ny lalànan'ny governemanta momba ny tsiambaratelo amin'ny alalan'ny sivana ny lohatenim-pejiny

Ny lohatenim-pejin'ny gazety Aostraliana tamin'ny 21 Oktobra 2019. Sary avy amin'ny lahatsoratra Twitter tao amin'ny Klioban'ny Gazety Nasionaly ao Aostralia

Nandritra ny fampisehoana ny firaisankina tsy mbola fahita hatrizay dia namoaka tantara mitovy sy lohatenim-pejy nanasongadina ny fanentanana ‘zo hahafantatra’ ny sehatra fampahalalam-baovao Aostraliana ho setrin'ny hetsika ataon'ny governemanta manimba ny asan'ny mpanao gazety.

Nilaza ny fiaraha-mientana Zo Hahafantatra ao Aostralia fa nampivondrona ny hery ny vondrona fampitam-baovao mpifaninana mba hiaro ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety:

The media plays a vital role in telling the public what’s really going on. But journalists and whistleblowers in Australia live in fear of criminal charges, police raids and damaging court battles that threaten their professional careers and personal freedom.

Manana anjara toerana lehibe ny fampitam-baovao amin'ny filazana ny vahoaka ny tena zava-misy marina. Saingy miaina anatin'ny tahotra fiampangana heloka bevava ny mpanao gazety sy ny mpitsikera any Aostralia, amin'ny fanafihana ataon'ny polisy sy ny ady ara-pitsarana izay mandrahona ny asan'izy ireo sy ny fahalalahan'izy ireo manokana.

Nanamafy ihany koa ny fiaraha-mientana fa tsy natao ho tombontsoan'ny fampitam-baovao ihany ity fanentanana ity fa ho an'ny zon'ny vahoaka hahafantatra ihany koa:

Even though our coalition is made up of competing businesses, we still team up to protect Australians’ right to know. We do this because media freedom is critical for holding powerful people accountable and ensuring you know about issues like aged care abuse, secret spying on Australian citizens and mysterious land deals with foreign owners.

Na dia ahitana ireo orinasa mpifaninana aza ny fiaraha-mientana ataonay dia mbola miara-miasa izahay amin'ny fiarovana ny zon'ny Aostraliana hahalala vaovao. Manao izany izahay satria zava-dehibe amin'ny fitanana ho tompon'andraikitra ireo olona ambony ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao ary hanomezana antoka anareo hahalala ny olana toy ny fanararaotana amin'ny fikarakarana ireo beantitra, ny fitsikilovana miafina atao amin'ireo olom-pirenena Aostraliana sy ny misiterin'ny olan'ny fananan-tany miaraka amin'ny tompony vahiny.

Araka ny fikarohana nataon'ny fiaraha-mientana, ampiasaina matetika mba handrahonana, hanenjehana, ary hisamborana mpanao gazety ny lalàna manodidina ny 75 mifandraika amin'ny tsiambaratelo, ny fanafenantsoratra, ary ny fitsikilovana izay nolanian'ny governemanta Aostraliana .

Tamin'ny herintaona, nisy ny biraon'ny fampitam-baovao sasany no nanaovana bemidina noho ny famoahana vaovao momba ireo tsiambaratelo efa nikatona, ny fangatahana vaovao momba ny raharaham-bahoaka sasany toy ny fanararaotana beantitra, ny isan'ny ankizy any amin'ny toeram-pamonjana ho an'ny olon-dehibe, ary lavina ihany koa ny fanarahamaso ny vahoaka.

Nilaza i Paul Murphy, tale mpanatanteraka ny Fiombonan'ny Fampitam-baovao sy ny Fialamboly ary ny Zavakanto, fa manakatsakana ny asan'ny mpanao gazety ny lalàna sasany:

The culture of secrecy that has descended through these legal provisions restricts every Australian’s right to know and goes well beyond the original intent of national security.

Journalism is a fundamental pillar of our democracy. It exists to scrutinise the powerful, shine a light on wrongdoing and hold governments to account to the people, but the Australian public is being kept in the dark about matters that affect them.

Mametra ny zon'ny Aostraliana tsirairay hahalala vaovao ary mihoatra lavitra noho ny tanjona voalohany amin'ny fiarovana nasionaly ny kolontsain'ny tsiambaratelo izay teraka avy amin'ireo andinin-dalàna ireo.

Ny asa fanaovan-gazety no andry fototry ny demokrasiantsika. Misy izany mba hanadihandiana ireo olona ambony, ampisehoana ny asa ratsy ary hitanana ny governemanta mba hanao tatitra ho an'ny vahoaka, kanefa tazonina hatrany ao anaty maizina momba ny raharaha mikasika azy ireo ny vahoaka Aostraliana .

Nanakiana ny fampiasana ny lalàna momba ny fiarovam-pirenena mba hamerana ny fidiran'ny vahoaka amin'ny fampahalalam-baovao i Michael Miller, filoha mpanatanteraky ny News Corp Australasia:

It’s clear the national security justification doesn’t tell the whole story of a government’s secrecy obsession when it stops journalists telling you whether your parents or grandparents are at risk in a nursing home or whether the tax office might be raiding your bank accounts.

Mazava fa tsy milaza ny zava-drehetra momba ny fandalàn'ny governemanta ny tsiambaratelo ny fanamarinana momba ny fiarovam-pirenena rehefa manakana ny mpanao gazety izany amin'ny filazana aminareo fa mety ho tandindonin-doza ny ray aman-dreninareo na ny raibe sy ny renibenareo any amin'ny toerana fikarakarana beantitra na mety misava ny kaontin'ny bankinareo ny biraon'ny hetra.

Nanazava ny antony hanohanany ny fanentanana ny lehibe mpanatanteraka ny Vondrom-piarahamonina Fampitam-baovaon'ny Aostraliana (ACM) Allen Williams :

Australians expect and deserve to know what's going on, and how and why the government decisions that affect their lives are made.

The communities we serve trust us to keep them connected and informed, so ACM is proud to support this campaign to protect the public's right to know.

Manantena ny Aostraliana ary mendrika ny hahafantatra izay zava-mitranga sy ny fomba ary ny antony nandraisan'ny governemanta ny fanapahan-kevitra izay misy fiantraikany eo amin'ny fiainan'izy ireo.

Matoky anay amin'ny fifandraisana sy ny fahazoan'izy ireo vaovao tsy tapaka ny vondrom-piarahamonina karakarainay,  noho izany dia afa-mirehareha ny ACM amin'ny fanohanana io fanentanana io mba hiarovana ny zon'ny vahoaka hahalala.

Anisan'ireo fitakian'ny fanentanana ny fanaovana antso ho fiarovana ny mpitsikera amin'ny sehatra sivily, ny fampiharana ny “fahafahana miasa” amin'ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao, ary ny zo hanohitra ny fampiharana taratasy fampiantsoana mpanao gazety sy vondron'ny fampitam-baovao.

Ireto ny sasany tamin'ireo sary Twitter nozarain'ny mpanao gazety tao amin'ny efi-panoratambaovaony tsirairay avy:

Niandry fotoana kely isika teo fa efa vonona ankehitriny… Manohana ny Fahalalahana An-gazety sy ny Zonao Ahafantatra ny Age sy Melbourne AFR.

Rehefa tsy tafiditra tao anatin'ny sarin'ny vondrona kanefa mbola te handray anjara kkkk

Rehefa tsy milaza ny marina aminao ny governemanta, inona no ho tantarain'izy ireo? Inona avy ireo tantara tsy nolazaina?

Manan-jo hahafantatra izay ataon'ny governemanta nofidinao amin'ny anaranao ianao. Saingy eto Aostralia, voasazy ny mpitsikera + tafihan'ny polisy ny mpanao gazety. Mila miova izany. Mijoro miaraka amin'ireo mpiara-miasa manerana ny firenena manohana ny hetsika manohana ny MEAA Zonao hahafantatra ny @ConversationEDU.

Nizara ny sasany tamin'ireo fanamby atrehin'izy ireo rehefa voafetra ny fidirana amin'ny torohay ny mpanao gazety tao amin'ny fitsarana :

Ny famoretana, ny fandravana didim-pitsarana, ny fitsarana mikatona, fampiharana didy tsy maharesy lahatra, ny fanakanana ny fahazoa-mijery antontan-taratasy – tsy governemanta mitazom-baovao ihany! Mifanandrina amin'ireo mpisolovava sy mpitsara isan'andro ireo mpanangom-baovao any amin'ny fitsarana .

Nandray anjara tamin'ny fanentanana ihany koa ireo mpaka sary :

Nanatevin-daharana ny vondrona ny sasany tamin'ireo mpaka sary sy mpikirakira fakantsary taorian'ny fakana sary ireo mpikamban'ny mpanao gazety,

Na dia ilay mpitady fialokalofana voatazona sady mpanoratra nahazo loka Behrooz Boochani aza dia nisioka ny fanohanany ny fanentanana:

Handeha hijoro miaraka amin'ny fampahalalam-baovao Aostraliana ho an'ny fahalalahana miteny. Fahavalon'ny demokrasia ny sasany amin'ireo mpanao politika Oz ary ny rafitra mihitsy no misy olana raha  mamorona ity karazana jadona kely ity. Io didy jadona io ihany koa no milalao ilay tsiambaratelon'ny fanaovana an-tsesitany ireo mpitsoa-ponenana

Noresahana vetivety tamin'ny praiminisitra izay niampanga ny governemanta teo aloha (mpanohitra azy ankehitriny) tamin'ny fandaniana ity lalàna manampim-bava ny gazety ity tao amin'ny parlemanta ny hetsi-panoherana nataon'ny fampitam-baovao. Nandritra izany fotoana izany dia nilaza ny polisy fa hamerina handinika momba ny politikany izy ireo amin'ny resaka fampitam-baovao mandritra ny hetsika ofisialy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.