Filipina : miady mafy ny mba ho velona ireo toerana fampielezampeon'ny vondrom-piarahamonina na eo aza ireo fanafihana sy zava-tsarotra

Toerana iray fampielezampeon'ny vondrom-piarahamonina Radyo Lumad. Loharano: Facebook

Boky iray navoaka tamin'ny 2018 no nanadihady ireo fanamby natrehan'ireo tambajotran'ny vondron'ny fampielezampeom-piarahamonina any Filipina. Niresadresahan'ity mpanoratra ity ny iray amin'ireo vondrona mpanohana ilay tetikasa boky ny amin'ny maha-zava-dehibe ny fisian'ny fampielezampeom-piarahamonina ao amin'ny firenena iray izay  ny ankamaroan'ireo mpanao gazety maty novonoina tao dia mpampita an'onjam-peo  avy any amin'ny faritany ambanivohitra.

‘ Manamafy ny feon'ireo vahoaka : Ny Traikefa sy ireo Fanamby Atrehan'ny fampielezampeom-piarahamonina any Filipina no lohatenin'ilay boky izay navoakan'ny Fikambanana Iraisam-pirenenan'ireo Vehivavy miasa amin'ny fampielezampeo sy fahitalavitra ary ny “Kodao Productions”. [Fanamarihana : Kodao dia mpiaramiasa manome votoaty ato amin'ny Global Voices.]

Nozarain'i Jola Diones-Mamangun, tale mpanatanteraky ny Kodao tao amin'ny imailaka ny sasany tamin'ireo zavatra nisongadina tao amin'ilay boky sy ireo fanamby ankehitriny  atrehan'ny fampielezampeom-piarahamonina amin'ny fampitàna onjam-peo tamin'ny andron'ny governemantan'ny filoha Rodrigo Duterte. Voalohany, nohazavainy ny hevitry ny hoe fampielezampeom-piarahamonina :

Fampitàna onjampeo ho an’ny rehetra na ho an’ny ‘vondrona voafetra’ ataonà vondrom-piarahamonina iray mikasika lohahevitra iray izay manan-danja amin-dry zareo ary mandrakariva dia ampitaina amin’ny alàlan’ny fampielezampeo tsy matanjaka (fampitàna onjampeo ho an'ny rehetra) na amin'ny alàlan'ny fanamafisampeo eny anivon'ny vahoaka (fampitàna amin'ny vondrona voafetra) no atao hoe  fampielezampeom-piarahamonina.  Manana endrika tranompokonolona eo an-tanàna ary mampiasa ny endriky fandaharana anaty fampielezampeo izany. Matetika dia samy mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina ny mpampita onjampeo sy ny mpiresadresaka. Raha toa ka mahavita mametraka toerana fampielezampeom-piarahamonina ny vondrom-piarahamonina, dia mandefa andiana fandaharana mitovy amin'ny ataon'ireo foibe hafa fampielezampeo ry zareo (oh : Radyo Sagada). Raha tsy izany, dia afaka mametraka fanamafisam-peo eny anivon'ny vahoaka ao amin’ ilay vondrom-piarahamonina ry zareo ary matetika dia ora vitsy  monja no andehanan'ny fandaharana (oh : Radyo San Roque).

Ao anatin'ny faritry ny tandavan-tendrombohitra, izay fonenan'ireo vahoaka indizeny Igorot any amin'ny faritra avaratr'i Filipina no misy an'i Sagada. San Roque dia vondrom-piarahamonina mahantra an-tanàndehibe any Metro Manila, renivohitry ny firenena.

Nosinganiny ny fomba namoronan'ireo fampielezampeom-piarahamonina ny tambajotra tany am-piandohan'ny andian-taona 1990.

Efa nisy foibe fampielezampeom-mpiarahamonina tany Filipina taloha singy tamin'ny fiandohan'ny andian-taona 1990 no nanombohan'itpkl Louie Tabing, ny Tambuli, tambajotran'ireo foibe fampielezampeom-mpiarahamonina. Aziatika mpisava làlana, izany no nahafantaran'ny erantany azy tao anatin'ny tontolon'ny fampielezampeom-piarahamonina.

‘Manamafy ny feon'ny vahoaka : Ny Traikefa sy ireo Fanamby Atrehan'ny Fampielezampeom-piarahamonina Any Filipina’. Loharano: Kodao

Aingam-panahy avy tamin'ny lova napetraky ny Tambajotra Tambuli ny asan'ny Kodao, hoy izy. Nitantana tamin'ny fametrahana ny fampielezampeom-piarahamonina  maherin'ny 20 tany amin'ireo tanàna ambanivohitra mitoka-monina manerana an'i Filipina, niaraka tamin'ny fanampian'ireo sehatra samihafa toy ny fampianarana ambony, ny fiangonana, ny fikambanana tsy miankina (ONG) ary ireo vondrom-piarahamonina izy tenany, ny Tambuli.

Rehefa izay dia nofintininy ireo fanamby lehibe natrehan'ilay fampielezam-peom-piarahamonina  tato anatin'ny roapolo taona farany :

Ny faharetan'ny fijoroana no fanamby lehibe indrindra. Rehefa tsy nisy intsony ny famatsiambola ho an'ny Tambuli dia lasa nitsipozipozy ny ankamaroan'ireo fampielezampeo, nampalazo ho azy ny tambajotra ary nampitsahatra  tamin'ny làlany ilay tetikasa.

Olana faharoa ny momba ireo lalàna izay toa natao hanakivy ny fametrahana foibe fampielezampeon'ny vondrom-piarahamonina tsy miankina. Ohatra,  na misy maherin'ny zato aza ireo fampielezampeo Radyo Natin manerana ny tangoronosy amin'ireo foibe fampielezampeo -tsy matanjaka- an'ny  Manila Broadcasting Company (MBC), dia tena vitsy ireo foibe fampielezampeo tena izy ho an'ny vondrom-piarahamonina tahaka ny Radyo Sagada. Tsy rariny raha ny tambajotra lehibe toy ny MBC omena hatetik'onjampeo sady ao amin'ny onjam-peo AM no ao amin'ny FM miaraka, nefa efa tsy azo atao intsony , ohatra ny mametraka foibe fampielezampeo any amin'ny faritr'i Metro Manila, na Cebu, na Iloilo, Davao sy ny hafa. Dia ahoana raha mba te-hanana ny foibe fampielezampeo azy manokana koa ireo Domagaty ao Antipolo ? [Domagaty dia vahoaka indizeny avy any amin'ny faritanin'i Rizal. Faritra any Rizal i Antipolo, ary any atsinanan'i Metro Manila].

Fahatelo, satria izy ireny tsy natao hitadiavam-bola, fananana sy ny vondrom-piarahamonina ihany no mitantana azy ary ampian'ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana, dia  matetika iharan'ny fanafihana sy ny fanenjehana, izay mitarika ny fikatonany na ny tsy fahafahany mijoro ireo foibe fampielezampeom-piarahamonina. Nodorana ny Radyo Cagayano ary notafihana tany Baggao,Cagayan ireo mpiasa tao aminy tamin'ny 2006, tsy tomombana noho ny fandrahonan'ny mpitandro filaminana sy ireo mpanao politika ny fahafahana miasa feno nataon'ny Radyo Sugbuanon ; nikatona noho ny  fandrahonana sy ny fanenjehana tamin'ny Janoary 2019 lasa teo ny Radyo Lumad. Ireo ONG izay manampy azy ireo dia haratsiana ary ny sasany aza novonoina na nogadraina.

Any anatin'ireo vondrom-piarahamonina, izay misy mponina manohitra ny fidirana sy ny fanitarana ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany  na manohitra ny fankatoavana ireo tetikasa goavana izay mety handrava ny tranony na ny fivelomany, no misy ny Radyo Cagayano, Radyo Lumad, ary ny Radyo Sugbuanon. Niaraka niasa mandrakariva tamin'ireo vondrom-piarahamonina norahonana hafindra noho ny fanapariahany ireo olana sy ny fanomezana sehatra ireo mponina ao an-toerana mba hanaovan'izy ireo ny fitakiany  ireo foibe fandefasana onjampeo ireo. io iraka io no ataon'ity ‘fanamafisana ny feon'ny vahoaka ‘ ity, izay nitarika ireo fanafihana mahatsiravina mikendry ireo izay milaza ny marina amin'ny fitondrana.

Nohamafisiny fa ny ‘zon'ny vahoaka amin'ny serasera ‘ no tokony ho isan'ny ady goavana ho an'ny fampandrosoana marina sy demokrasia tsy manavaka any Filipina :

Tsy fanamby bitika izay azo vahana amina  famahàna olana tsotra ireo. Tsy maintsy misy ny fiovàna rafitra sosialy any Filipina raha tiana hahomby tsara  ny foibe fampielezampeom-piarahamonina. Tsy maintsy arahana ao anatin'ny fehizoron'ny zon'ny olona amin'ny serasera izany. Raha toa ka tsy afaka mampiasa ny haino aman-jery natao ho an'ny daholobe ireo voahilika voahilikilika, dia tsy maintsy avela hiteny amin'ny feony izy ireo ( izay mifanohitra amin'ny filazana fa tsy manam-peo ry zareo ary ireo mpisera amin'ny tambajotra no manome iray ho  azy ireo.)

Nampangainy ny governemanta Duterte, izay tonga teo amin'ny fitondrana tamin'ny 2016, ho nampirongatra misimisy kokoa ny fanafihana natao tamin’ny gazety tsy miankina, isan’izany ny foibe fampielezampeon'ny fiarahamonina.

Nitarika ny tsy fahatomombanan’ny fampijoroana ny Radyo Sugbuanon sy ny Radyo Lumad ka nahatonga ny fikatonany tany aoriana ny fandrahonana tamin’ny andron’i Duterte.

Nilaza izy fa mihevitra ny hanome dika amin'ilay boky ho an'ireo sekoly mandalina ny serasera ifotony manerana ny firenena ny Kodao mba hampiasaina ho fanovozam-pahalalàna. Nolazainy ihany koa fa mety ho iray amin'ny fanentanana hamporisihana amin'ny fampiroboroboana ny lalàna iray hampiroborobo ny foibe fampielezampeom-piarahamonina any Filipina ilay boky.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.