Ahoana ny nananganan'ny vondron'antoko mitondra ao Ethiopia boky fampiasana handisoam-baovao

Tanoralahy iray ao Ethiopia miasa eo amin'ny solosaina am-birao. Sary nopihana tamin'ny 28 Novambra 2011, nandalo UNICEF tao amin'ny Flickr.

Nanjary niharihary ny fisarahana lalina misy eo amin'ny antoko mitondra ao Ethiopia — ny Manda Demaokratika Revolisioneran'ny Vahoaka Ethiopiana (ny EPRDF) —tao anatin'ny herinandro vitsivitsy farany izay rehefa nisy fitabatabana amin'ny Facebook vaky teo amin'ny samy mpikambana roa lehibe anatin'ny antoko izay tsy nitovy hevitra amin'izay mahatonga an'i Ethiopia ho firenena maoderina.

Ny fitabatabàna no nahitana hoe tahaka ny ahoana ny fampiasan'ny antoko mpikabana ao amin'ny EPRDF ny media sosialy — amin'ny alalan'ny lahatsoratra sy sary-sy-soratra — mba hanodikodinana ny hevi-bahoaka ary hampielezana fandisoam-baovao sy votoaty mandoro.

Ny EPRDF dia vondron'antoko efatra mifototra amin'ny foko. Ireo antoko efatra mpikambana rafetin'ny Antoko Demaokratika Amhara (ADP), Antoko Demaokratika Oromo (ODP), Hetsika demaokratikan'ny vahoaka Ethiopiana tatsimo (SEPDM) ary ny TMandam-Panafahan'ny Vahoaka Tigrayana (TPLF), no mitondra ny fitarihana faratampony an'i Ethiopia amin'izao fotoana izao.

Mandra-pahatonga ny taona 2018, ny TPLF no antoko nahazo laka tao amin'ny fiarahana, nihazona ny fahefana feno nihoatra ny 25 taona. Nitambatra ny ADP sy ny ODP mba hamaranana izany fanjakazakan'ny TPLF izany, na dia mbola manohy mifampidera taimby aza ny mpikambana ao aminy, ary tsy vety amin'ny fanarahana ny ady anatiny ny olona. Niakatra tampoka ny fifanenjanana hatramin'ny Avrily 2018, rehefa nanao fianianana amin'ny maha-praiminisitra azy i Abiy Ahmed avy ao amin'ny ODP.

Tamin'ny 4 Oktobra, nivoaka ho hitam-bahoaka ny ady anatiny nifanaovan'ny ODP sy ny ADP rehefa nifampigidraka noho ny fanamarihana nataon'ny filoha lefitry ny fanjakam-paritr'i Oromia, Shimeles Abdisa, tao Addis Ababa, nandritra ny takarivan'ny Irreecha (fankalazana fanao isan-taona manamarika ny fanombohan'ny lohataona) ireo mpikambana sy mpanohana ny ADP sy ny ODP.

Tao amin'ny fanamarihany i Abdisa manandratra ny fankalazana ny Irreecha ao Addis Ababa, izay fariparitany ho ilay toerana indrindra naharesy ny Oromos sy nalain'ny fitondrana taloha baraka:

The Oromo people were defeated right here, our humiliation started right here.

Teto no resy ny vahoaka Oromo, nanomboka teto ny fahafahanay baraka.

Tao amin'ny kabariny i Abdisa namelom-peo fandresena sy nanamarika ny andro fankalazana tao Addis ho fiaingan'ny tolon'ny vahoaka Oromo. Nahazatra azy ny nampiasa voambolana Amharic neftegna (“mpitambasy” amin'ny teny anglisy) hanondroana ireo saranga nanjaka naorina tamin'ny fiandohan'ny fanitaram-pajakana nataon'ny amperora Menelik II ny faritra atsimon'i Ethiopia tamin'ny faran'ny taonjato faha-19.

Amin'izao fotoana izao maro amin'ny foko Amahras no mahita ny Amperora Menelik II ho sariohatry ny fandresena sy fihaikana ny fanjanahantany eoropeana, raha Oromos maro kosa no mihevitra azy ho fototry ny fanaziogana azy ireo ara-piarahamonina sy ara-kolontsaina.

Niteraka setriny ny fampiasan'i Abdisa ny voambolana neftegna satria io no mahazatra anondroana ny miaramilan'ny Amperora Menelik II rehfa tonga teo amin'ny fahefana ny TPLF tamin'ny taona 1991.

Ny ampitso, tao amin'ny lahatsoratra Facebook iray, nampangain‘i Asemahegn Aseres, mpikambana ambony ao amin'ny ADP i Abdisa ho mampiasa fiteny misy ambadika hanindriana ny vahoaka Amhara, ka io indray no niteraka ny fahatezeran'i Taye Dendea, mpikambana ambony ao amin'ny ODP, izay mahita ny fiampangan'i Asemahegn ho fitsipahana ny fanaziogana ara-tsosialy sy ara-kolontsaina niaretan'ny Oromos.

Ny fampifanandrinana ny fanambarana nataon'i Aseres sy Dendea no manapongatra ny fahasamihafan'ny fandraisana ny zava-nitranga ara-tantaran'i Ethiopia eo amin'ny samy sangany ao amin'ny firenena. Raha mihevitra ny fananganana an'i Ethiopia maoderina ho tsy misy fahadisoana sy mpandala ny rariny ny ADP, mandray ny fananganana azy ho fizorana mankany amin'ny fanaziogana sy fanalam-baraka ny vahoaka Oromos ho eo ampelatanan'ny amperora Ethiopiana kosa ny ODP.

Manana zavatra  maro iraisana i Aseres sy i Dendea: Politisiana tanora izay maniry ny hanao laladavitra eo amin'ny sehatry ny politika ry zareo ary niara-nirona ny antoko ADP sy ODP nisy azy ireo mba handabohana ny fiambonian'ny TPLF tamin'ny avrily 2018.

Vao maika nampitombo laza azy ireo ny gidragidra tao amin'ny Facebook ary nampiditra onjam-pisaraham-bazana ara-politika vesaran'ny fandisoam-baovao.

Pikantsarin'ny lahatsoratr'i Aseres ao amin'ny Facebook. Pikantsary nopihana tamin'ny 16 Oktobra.

Niteraka firohotam-panohanana tao amin'ny pejy Facebook-ny tsirairay avy izao fifanandrinana izao, nahangona setriny, fanehoan-kevitra sy zara maro dia maro.

Pikantsarin'ny lahatsoratr'i Taye ao amin'ny Facebook. Pikantsary nopihana tamin'ny 16 Oktobra.

Ny pejin'i Taye, manana mpanjohy 56.432, nahazo zara tokotokony ho 5.000 sy niteraka fanehoan-kevitra 3.500, raha nahazo zara miisa 3000 eo ho eo kosa ny fanehoan-kevitra ao amin'ny pejin'i Asemahegn, manana mpanjohy 45.565 — samy tao anatin'ny 24 ora namoahan-dry zareo ny lahatsoratra izany.

Tsy mbola ampy ireo isa ireo handrefesana ny fisarahana ara-politika eo amin'ny olompirenena Ethiopiana. Na izany aza dia asehony ny fomba firesaka nasionalista roa miavaka tsara ao amin'ny media sosialy hahazoana ny fiamboniana eo amin'ny adihevitra amin'ny lasa sy ny hoavy ara-politika an'i Ethiopia.

Tsy mitsapa fotsiny ihany ny fiarahana ara-taktika teo amin'ny ADP sy ODP izany fifanakalozan-dresaka mangotraka izany, fa nahatonga “fihanaka” amin'ny fandrisihana ny mpankasitraka amin'ny fampiasana fandisoam-baovao, tantara mirehidrehitra, sary-sy-soratra ary lahatsary teo amin'ny media sosialy.

Manodikodina hevi-bahoaka: ny raharaha EthiopianDJ

Nandritra ny taona maro ny mpikambana ao amin'ny EPRDF no nampiasa ny media sosialy hanodikodinana ny hevi-bahoaka ho amin'ny tombontsoany. Tamin'ny taona 2017, rehefa niporitsaka an-tserasera ny andian-dosie tena tsiambaratelon'ny EPRDF, andian'olona sy bilaogera maro dia maro voakarama no nampiasaina hanao fanehoan-kevitra fanaratsiana sy fandisoam-baovao momba ireo mpitsikera ny governemanta Ethiopiana.

Na izany aza, satria nihamafana ny fifanandrinana ara-potokevitra sy ady fahefana eo amin'ny samy mpikambana EPRDF, nikisaka avy amin'ireo mpitsikera ny governemanta ka lasa nifampitifiran'ireo mpiara-dia ny fandisoam-baovao.

Ohatra, tamin'ny 3 Septambra 2019 i Aseres nanao antsafa tsy dia voamarika loatra niarahana tamin'ny EthiopianDJ, izay manana mpanjohy 1.1 tapitrisa ary fantatra amin'ny fampielezana vaovao faikany, ireo sary-sy-soratra mirehidrehitra ary teorian'ny tetidratsy toy ny iray izay milaza fa tao anatin'ny tsikombakomba namono ireo manamboninahitra ambony miaramila sy ny mpitarika ao amin'ny faritra Amhara tamin'ny Jona 2019.

Tamin'ny tranga iray hafa ny EthiopianDJ namoaka sary izay nanafosafo tamin'ny famoahana manamboninahitry ny filaminana mandraoka saina maitso, maro ary mena avy amin'ny mpanaraka ny Fiangonana Ethiopiana Orthodoksa, mandritra ny fankalazana ny Meskel fanao isa-taona, raha niaritra kosa manoloana ny sainan'ny Oromo Liberation Front (OLF na Mandam-Panafahana Oromo). (ny saina maitso mavo mena dia ampiarahana amin'ny lasan'ny amperoran'i Ethiopia raha maneho ny fifaharana Oromo kosa ny saina OLF.)

Tena misy ny sary, fa mandiso lalana. Toeram-pankalazana roa samy hafa no nakana ny sary, mielanelana herinandro ny Meskel sy ny Irrechaa — na dia samy notontosaina teo amin'ny toerana mitovy ihany aza. Nandritra ireo fankalazana ireo, noraofin'ny mpitandro ny filaminana sy nesoriny izay heverin'ny governemanta Ethiopiana izay saina tsy ara-dalàna.

Heverina ho tsy ara-dalàna ny fanehoana saina mifandraika amin'ny vondrona mpanohitra sy ireo fitondrana Ethiopiana taloha amin'ny lanonam-bahoaka tahaka ny Meskel sy ny Irreechaa.

Tsy misy mihitsy fanondroana fa nahazo vola avy amin'ny EPRDF ny EthiopianDJ, fa asehony koa ny ohatra vaovao amin'ny teknikam-pandisoam-baovao nataon'ilay antoko mihalevona.

Pikantsarin'ny pejy Facebook EthiopianDJ nopihana tamin'ny 16 Oktobra. te-hametraka ny lahatsoratra fa namela ny saina Oromos hanofahofa ny sainam-pifaharana ny polisy.

Nisy nizara in-1000 io lahatsoratry ny EthiopiaDJ io ary nahazo fanehoan-kevitra 782.

Tsy misy lahatahiry maneho fa nisy kaonty mamaha-tena na raboto niteraka ireo fanehoan-kevitra ireo, saingy misy ny marika fikirakirana ny media sosialy any amin'ireo kaonty Facebook hosoka an-jatony manana anarana foroporonina izay tsy mitsahatra ny ny mamoaka lahatsoratra, mitia ary mizara votoaty mandoro.

Fandisoam-baovao miverimberina sy iniana

Lasa tondrozotra ho an'ny vondrona mpanohitra hamelezana ireo mpifanandrina aminy sy ny governemanta ny taktikam-pikirakirana ifamelezan'ny mpikambana amin'ny ady anatiny.

Tao anatin'ny tapabolana, vavolombelon'ny finiavana handiso vaovao momba ireo fety sy lanonana politika izay mitarika mankany amin'ny tsy fahafataram-baovao ny Ethiopiana mpiserasera.

Tranga iray miavaka, mpikatroka ao amin'ny fanoherana malaza iray antsoina hoe Eskinder Nega, no nisioka tononkalo ro andalana izay lazaina ho nosoratan'ny poeta sady mpiantsehatra malaza, Meron Getenet, izay nankatoa ny fitarihan'ny Praiminisitra Abiy Ahmed. Saingy hita avy eo ny poema fa hita tao amin'ny pejy Facebook an'ny mpisoloky iray mampiasa ny anaran'i Meron. Ny poezia, manakantsana sy manjera mivantana ny fitarihan'i Abiy Ahmed (fa tsy manonona ny anaran'i Abiy), dia mametraka ny fitondrany ho “tsy manana tondro arahina.”

Fanamarinana nataon'ny mpanora-gazety iray no nitatitra fa tsy izy ilay poezia tondroina ho nosoratan'i Meron, saingy efa nisy nampita in-76 ny hafatr'i Nega ary mbola tsy voafafa.

Tamin'ny tranga an-tserasera iray hafa, nisalasala ny amin'ny fahadiovan'ny Filankevi-Pifidianam-Pirenen'i Ethiopia (NEBE) ny mpikatroka Oromo activist Jawar Mohammed, izay manana mpanjohy 1,7 tapitrisa ao amin'ny Facebook, raha mandefa fanontaniana any amin'ny ben'ny tanànan'i Addis Ababa (mpikambana ao amin'ny ODP) ny mpanolo-tsaina ara-pifandraisana ao aminy heo rahoviana ny arabe izay mikatona noho ny fankalazana ny Irreecha no hisokatra indray.

Tao amin'ny lasa lahatsoratra iray lasa lavitra indrindra, nozarain'i Jawar ny pikantsarin'ny sioka miaraka amin'ny fisalasalana amin'ny tsy fitongilanan'ny NEBE ao amin'ny pejiny Facebook.

Raha jerena amin'ny fisaraham-bazana ateraky ny fankalazana ny Irreecha ao Addis Ababa, misy mihevitra fa mba tsy mandeha ra kosa izany siokan'ny mpanolotsaina ara-tseraseran'ny NEBE. Saingy mandiso lalana ihany koa ny lahatsoratra Facebook an'i Jawar.

Mandrehitra ny ahiahy mialoha ny fifidianana daholo ireo trangam-pandisoana sy tsy fahafantaram-baovao ao anatin'ny fikasan'i Ethiopia hanatontosa fifidianana ankapobeny mialoha ny fotoana ao anatin'ny folo volana.

Pikantsarin'ny lahatsoratr'i Jawar Mohammed misalasala amin'ny fahadiovan'ny filankevi-pifidianana.


Ny lahatsoratra etoana dia ao anatin'ireo andiany mamakafaka ny fitsabahana ny zo nomerika amin'ny alalan'ny fomba tahaka ny fanakatonana tambajotra sy ny fandisoambaovao mandritra ny fotoana isian'ny kihon-dalana ara-politika ao amin'ny firenena Afrikana fito ahitana an'i: Alzeria, Ethiopia, Mozambika, Nizeria, Tonizia, Ogandà, ary Zimbabwe. Ny tetikasa dia vatsian'ny Africa Digital Rights Fund avy ao amin'ny The Collaboration on International ICT Policy for East and Southern Africa (CIPESA).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.