Mozambikana mpanora-gazety sy mpikatroka lasibatry ny fandrahonana amin'ny taom-pifidianana

Afisin'ny fifidianana 2019 ao Mozambika. Saripikan'ny mpanoratra, nahazoana alalana.

Tamin'ny 15 Oktobra, nandrotsa-bato hifidianana filoha, parlemanta ary governoram-paritra ao anatin'ny fifidianana ankapobeny fahaenina hatramin'ny nisian'ny lalampanorenana antoko maro nankatoavina tamin'ny taona 1992 ny Mozambikana.

Fanoheram-pifidianana

Mitsipaka hatrany ny voka-pifidianana ny antoko mpanohitra lehibe indrindra, ny antoko RENAMO, hatramin'ny taona 1994. Ampangainy ho mangala-bato ny FRELIMO. Mitsipaka izany ny governemanta.

Mandritra izany fotoana izany, asongadin'ireo iraky ny Ivontoeram-pifidianana ho amin'ny demaokrasia lovainjafy eto Afrika sy ny Vondrona Eoropeana ny tsi-fetezana ao amin'ny lisitry ny mpifidy ary melohiny ny heritsetra izay lazainy ho manimba ny fanentanana.

Na izany aza,nanambara miaraka ny iraka mpanaramaso avy amin'ny Vondrona Afrikana,ny vondron'ny firenena mpiteny paortiogey ary ny SADC fa “nizotra araka ny tokony ho izy sy tamim-pilaminana” ary “manaraka ny fenitra iraisampirenena” ny fifidianana ary “maningana” ireny trangan-kerisetra izany ka tsy mahasakana ny fahafenoan'ny fizotram-pifidianana.

Ny voka-pifidianana ampahany no mampiseho ny filoha Filip Nyusi ho mitarika ho amin'ny ifidianana azy indray mahazo vato mihoatra ny 75%. Heverina hahazo ny roatokon'ny seza ao amin'ny antenimiera tokandoha sy ny governoram-paritra rehetra miisa 10 ny antoko FRELIMO, izay nitondra an'i Mozambika hatramin'ny taona 1992.

Tamin'ny fifidianana tamin'ity taona ity, nandrakitra tranga maro nandrahonana sy nanindriana tamin'ny fitsabahana tamin'ny asany , ka anatin'izany ny fandrahonana amin'ny alalan'ny SMS nahazo ny mpanora-gazety sy ny mpikatroka ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona.

Omalin'ny fifidianana, nilaza tao amin'ny Twitter ny FORCOM fikambanan'ny radio fa nahazo fandrahonana tamin'ny SMS ny iray amin'ny mpanao gazety ao amin-dry zareo, Naldo Chivite. ‘’Chivite, mila mitandrina ianao amin'izay holazainao amin'ny talata [androm-pifidianana]. Efa be loatra ny noresahanao momba ny fifidianana ao Nampula [faritany iray any avaratra atsinanan'i Mozambika] ary efa nanaiky izany izahay,’’ hoy ny fivakin'ny hafatra, araka ny FORCOM.

Tamin'ny famoahana an-gazety, nilaza ny fikambanana fa efa nametraka fitoriana tany amin'ny polisy ry zareo ary nangataka ny hiarovana ilay mpanora-gazety, ary nilaza fa mandika ny zo halalaka amin'ny fanehoan-kevitra ny fandrahonana toy izany.

Nifampiresaka tamin'i Chivite ny Global, nolazain'i Chivite fa mpikambana ao amin'ny antoko politika iray izay tsy nomarihany manokana hoe iza no ahiahiany ho nandefa ilay fandrahonana. Nampiany fa efa nahazo fandrahonana tahaka izany ihany izy tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2014.

Naorina tamin'ny taona 2004 ny FORCOM izay tsenankevitry ny vondrona mpampiely feo ao Mozambika. Mahatratra hatramin'ny 45 any ho any ny vondrom-piarahamonina radio mpikambana ao aminy.

Tranga hafa nahatafiditra an'i Tomé Balança, mpampiely ao amin'ny Radio Chuabo FM. Araka ny talen'ny radio, Zito Ossumane, nisy olona maromaro tsy fantatra niditra an-keriny tao an-tranon'i Balança tamin'ny androm-pifidianana, ”nampijaly azy sy nandrahona azy hamono ho faty,” hoy i Ossumane ao amin'ny Twitter. Nilaza i Ossumane fa na izy tenany aza dia efa nandray antso fandrahonana tamin'ny andro fifidianana:

Nialohavana antso maro izay noraisiko amin'ny maha-mpitantana fampitam-baovao ahy izany mba hanajanonana ny fampielezam-peo sy hitsaharana amin'ny fiasana ao amin'ny tranonkala @Jornal_Txopela sy @ChuaboFm mandritra ny androm-pifidianana.

Tamin'ny 18 Janoary, nahazo hafatra manindry sy mandrahona ho faty tamin'ny alalan'ny media sosialy i Fátima Mimbire, mpikatroka sady mpiasa taloha tao amin'ny Centre d'Integrité Publique (CIP). Ny CIP no fikambanam-piarahamonina sivily manampy amin'ny fanarahamaso ara-pifidianana ao Mozambika.

Araka ny Amnesty, ‘’nanandra-peo hanaovana herisetra aminy ao amin'ny media sosialy ny mpitolon'ny FRELIMO fantadaza.’’ Mpikambana ao amin'ny parlemanta Alice Tomás niantso ny hanolanana (hanaovana azy ankeriny) tamin'izany fotoana izany: ‘’Be resaka loatra ravehivavy ka tokony haolana lehilahy matanjaka sy mahery miisa 10 hampianatra lesona azy,’’ hoy ilay MP (mpikambana parlemantera) ao amin'ny Facebook.

Tsy vao sambany ao Mozambika izany fandrahonana izany, indrindra fa amin'ny alalan'ny SMS sy ny media sosialy. 

Tamin'ny fifidianana monisipaly tamin'ny herintaona, mpanora-gazety, fikambanam-pampitam-baovao ary mpiaro ny zon'olombelona maro no nandray hafatra fandrahonana noho ny famoahana an-tserasera mivantana ny vola-pifidianana, sy noho ny anjara asany amin'ny fanarahamaso ny efi-pifidianana, hoy ny Amnesty. Any amin'ny faritanin'i In Tete, nahazo fandrahonana ho faty i Aparicio Jose de Nascimento, tonian'ny gazety mivoaka isa-kerinandro Malacha noho ny famoahany an-tserasera ny voka-pifidianana.  

Araka ny MISA-Mozambique, manery ny mpanora-gazety hialokaloka any amin'ny toerana tsy fantatra ny fandrahonana izay mandeha any amin'ny WhatsApp any. Nanomboka nahazo fandrahonana ny mpanora-gazety tamin'ny marainan'ny 11 Oktobra 2018 rehefa namoaka ny voka-pifidianana monisipaly tany Moatize izay nahitana ny fandresen'ny mpanohitra ny gazetiny. 

Nilaza tamin'ny Global Voices izy fa nampitandremin'ny olona akaiky azy fa mandeha any amin'ny vondrona WhatsApp any an-takonana any fa tokony ho alaina an-keriny izy. 

Tamin'ny fifidianana teo aloha, fitaovana lehibe nanana ny lanjany ny finday sy ny fifandraisana aterineto ho ezaka fanarahamaso ny fifidianana tao Mozambika. Nampiasa ny fakantsariny ny olompirenena mpanaramaso handraketana izay rehetra olana na tsy fanarahan-dalàna amin'ny androm-pifidianana ho fandraisany anjara hampangarahara ny fizotram-pifidianana.

Tsy tahaka ireo firenena manodidina azy, tsy ahitana fandraketana famerana fidirana tambajotra mandritra ny fifidianana sy amin'ny mampanonjanonja ny politika i Mozambika. Malawi izao ohatra, manapaka amin'ny ampahany ny aterineto sy ny media sosialy mandritra ny fotoam-panisana taorian'ny fifidianana 21 May, raha nametra ny fidirana amin'ny media sosialy i Zimbabwe tamin'ny janoary, fa notapahiny tanteraka ny tambajotra tany amin'ny faritra sasany, ho setrin'ny fihetsiketsehana anti-governemanta.

Na izany aza, mampiseho fanitsakitsahan'ny zon'ny mozambikana hahazo vaovao sy haneho hevitra ny fandrahonana, na an-tserasera io na amin'ny alalan'ny SMS sy ny antso. Mandray anjara ireny hampitombo ny tontolon'ny tahotra sy ny tsindry atao amin'ny mpanora-gazety sy mpikatroka manao ny asany tsy mila fitsabahana amin'ny fotoana ilaina ny fitokisan'ny vahoaka izay taterina. 


Ny lahatsoratra dia ao anatin'ireo andian-dahatsoratra mamakafaka ny fitsabahana amin'ny zo nomerika amin'ny alalan'ny fomba tahaka ny fanakatonana tambajotra sy fandisoam-baovao mandritra ireo fotoan-dehibe ara-politika mitranga any amin'ny firenena afrikana fito: Alzeria, Ethiopia, Mozambika, Nizeria, Tonizia, Ogandà, ary Zimbabwe. Tohanan'ny Africa Digital Rights Fund avy ao amin'ny The Collaboration on International ICT Policy for East and Southern Africa (CIPESA) ara-bola ny tetikasa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.