Ny 10 septambra 2017, vehivavy an'arivony avy amin'ny sarangam-piainana rehetra no nivory tao an-drenivohitra Maleziana ao Kuala Lumpur hijoro ho fanoherana ilay antsoin'izy ireo hoe ny firongatry ny politika manapoizina ao amin'ny firenena.
Nanao ny “diabe volomparasy” ireo vehivavy ho fanamelohana ny fanavakavahana ara-pananahana, ny kolikoly, ny hosoka amin'ny fifidianana, ary ny herisetra atao amin'ny vehivavy. Nanasongadina ny tsy fahitana firy ireo vehivavy eo amin'ny sehatra politika ireo mpandahateny nandritra ny fihetsiketsehana, sy ny tsy fahombiazan'ny parlemanta tamin'ny fanavaozana na fanafoanana ireo lalàna manavakavaka ny vehivavy toy ny lalànan'ny fampanambadiana ankizy, sy ny fanorisorenana antserasera ireo vehivavy.
Namintina ny lohahevitry ny hetsika i Datuk Noor Farida Ariffin, mpitsara sady diplaomaty misotro ronono :
We as the women of Malaysia are dismayed at the erosion of democracy in Malaysia, through acts of violence perpetrated at political events, media or online. As the authorities have failed to address the problem, we as the women of Malaysia are taking a stand against this harmful rise of toxic politics.
What is more worrying is when a woman’s dignity and well-being can be sacrificed for the sake of politics and propaganda.
Amin'ny maha vehivavy eto Malezia anay dia sahiran-tsaina noho ny fanapotehana ny demaokrasia eto Malezia izahay, amin'ny alàlan'ny herisetra atao amin'ny hetsika politika, amin'ny fampitam-baovao na antserasera. Koa satria tsy vitan'ny manampahefana ny mamaha ny olana dia mijoro manohitra ity firongatry ny politika manapoizina mampiahiahy ity izahay amin'ny maha vehivavy eto Malezia anay.
Tena mampanahy ny fanaovana sorona ny fahamendrehan'ny vehivavy sy ny mahasoa azy ireo ho an'ny politika sy ny propagandy.
Namaritra ohatra sasantsasany momba ny politika manapoizina ao Malezia ireo mpikarakara ny hetsika . (Midika hoe vahoaka ny “Rakyat” .)
Nampihaona ireo olo-malaza maro izay nanakiana ny antoko mpitondra eo amin'ny fitondrana hatramin'ny taompolo 1950 ihany koa ny famoriam-bahoaka. Voampanga [mg] ho nanodina vola maherin'ny 600 tapitrisa dolara amerikana tamin'ny alalan'ny orinasa fampiasam-bola an'ny fanjakana ny praiminisitra amperin'asa. Niteraka hetsi-panoherana [mg] nanerana ny firenena io fahafintohinana nateraky ny kolikoly io. Nitarika nankany amin'ny faneriterena ny fahalalaham-pitenenana ihany koa ny krizy ara-politika izay naterany taorian'ny nanomezan'ny governemanta baiko ny fanakatonana [mg] sehatra famoaham-baovao maromaro nitatitra momba ity raharahan-kolikoly ity.
Nanoratra momba ny maha-zavadehibe ara-politika ny diabe volomparasy i Wait A Minute Now (Andraso Kely Aloha), tranonkala iray miahy tena:
It was quite a sight to behold. 1,000 people does not sound like a lot, but in Malaysia, where protesting is not looked upon kindly, it represents at least that many women who are brave and passionate enough to come out and make themselves heard. Women of all ages, colour, background, and sexual orientation waved placards and chanted slogans in hopes that the movement would be recognised as a call for change.
Tena tsy fahita firy izany. Mety hoe tsy betsaka angamba ny fahenoana ny hoe olona arivo, kanefa mampiseho izany farafaharatsiny ao Malezia, izay tsy tia loatra mahita hetsi-panoherana, fa mivoaka sy mampiaka-peo ireo vehivavy maro be herimpo sy fikirizana. Nanofahofa sora-baventy sy namerimberina hiaka ny vehivavy avy amin'ny sokajin-taona rehetra, tsy anavahana volonkoditra, fiaviana sy fironana ara-pananahana manantena fa ho ekena ho fitakiana fanovana ilay hetsika.
Kanefa nandrisika ny mpikarakara i Boo Su-Lyn, mpanao matoandahatsoratra, hiaiky fa mampahazo vahana ny mpanohitra politika ilay hetsika :
There is nothing wrong with supporting the Opposition; civil society leaders should just make clear their objectives about a regime change, instead of pretending that they are independent and impartial activists fighting for the rights of all Malaysians.
Tsy misy maharatsy ny fanohanana ny mpanohitra; tokony hanambara mazava ny tanjon'izy ireo momba ny fanovana ny fitondrana ny mpitarika ny fiarahamonim-pirenena, fa tsy mody milaza izy ireo fa mpikatroka mahaleotena sy tsy mitongilana izay miady ho an'ny zon'ny Maleziana rehetra.
Nisy tokoa ny mpitarika ny mpanohitra tao amin'ny famoriam-bahoaka, saingy mpikambana ao amin'ny fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena sy vehivavy sivily izay manohana ny fanandratan-teny avokoa ny ankamaroan'ireo mpandray anjara.
Nampiasaina ny tenirohy #WanitaBantahPolitikToksik (Vehivavy manohitra ny politika manapoizina) mba hampiroboroboana ny hetsika sy hampiraisana ireo Maleziana amin'ny fanoherana ny politika manapoizina.
Ireto ambany ireto ny sary sasantsasany nandritra ny diaben'ny 10 Septambra sy ny hafatra firaisan-kina avy amin'ireo mpisera Twitter Maleziana:
Sexism is often used to silence women from voicing out their issues. #WanitaBantahPolitikToksikpic.twitter.com/iFE1OyrCJz
— Azrul Mohd Khalib (@azrulmohdkhalib) September 7, 2017
Matetika ampiasaina mba hampanginana ny vehivavy tsy hilaza ny olany ny fanavakavahana ara-pananahana .
You would be a fool to underestimate young women ?pic.twitter.com/AntlOK6zXI
— shark wasangka ✊? (@liy) September 10, 2017
Adala ianareo raha manamaivana ny zatovovavy
We are here together for a purpose and with hopes for Malaysia to be free from toxic politics #WanitaBantahPolitikToksikpic.twitter.com/MqHHYEZ0FH
— Sisters in Islam (@SistersinIslam) September 10, 2017
Miara-mivory eto isika ho amin'ny tanjona iray ary amin'ny fanantenana ho an'i Malezia ho afaka amin'ny politika manapoizina
Demand for non discrimination on any basis – including sexuality – is on the ground at today's march! #WanitaBantahPolitikToksikpic.twitter.com/LZQzqgtvvX
— jacsmk ✊? (@jhybe) September 10, 2017
Eny an-kianja amin'izao diabe androany izao ny fitakiana tsy mila fanavakavahana amin'ny endriny rehetra – anisan'izany ny ara-pananahana!
if u wanna live in a better world/country, u needa first hv respect w ppl around u, especially women #WanitaBantahPolitikToksik
— hannah♡ (@heyitshannah171) September 7, 2017
Raha te hiaina ao amin'ny tontolo/firenena tsara kokoa ianao, dia mila manaja ny olona manodidina anao aloha ianao, indrindra ny vehivavy
We were at #WanitaBantahPolitikToksik in KL today and it was glorious ??✨pic.twitter.com/QuoHq4UkW2
— WAMN Media ? (@WAMNmedia) September 10, 2017
Tao amin'ny #WanitaBantahPolitikToksik tao KL izahay androany ary tena feno famirapiratana izany
As 50% of voters, women have the right to shape the national agenda. We reject toxic politics. #WanitaBantahPolitikToksikpic.twitter.com/d3vfXcIliU
— Wanita Ungu Malaysia (@wanitaungu) September 7, 2017
Amin'ny 50% -n'ny mpifidy, manan-jo hanangana ny fandaharam-pirenena ny vehivavy. Mandà ny politika manapoizina izahay.
“Women, stand up!” #WanitaBantahPolitikToksikpic.twitter.com/furPk0qTXv
— Wanita Ungu Malaysia (@wanitaungu) September 10, 2017
“Ry vehivavy, mitsangàna!
“Stand up for yourselves, women!” – @violetteuzumaki@eternize_l#WanitaBantahPolitikToksikpic.twitter.com/cO0VqrwJyt
— Wanita Ungu Malaysia (@wanitaungu) September 10, 2017
“Mitsangàna ho anareo ry vehivavy!” -
At the #WanitaBantahPolitikToksik rally in KL today (Women Against Toxic Politics) pic.twitter.com/2GDB4h9krp
— Kate Ng (@etaKatetaKate) September 10, 2017
Tao amin'ny famoriam-bahoaka #WanitaBantahPolitikToksik tao KL androany (Vehivavy manohitra ny Politika Manapoizina)