Nofoanan'ny onjam-peo iray ao Rosia ny tafatafa nifanaovana tamin'ireo mpikatroka LGBT taorian'ny fandrahonana ny tonian-dahatsoratra

Mpikatroka tao Madrid manohitra ny fanitsakitsahana ny zon'ny LGBT ao Rosia // gaelx,  CC BY-SA 2.0 

Nanafoana ny tafatafa hiarahana amin'ireo mpikatroka LGBT ny Echo of Moscow any Yaroslavl, sampan'ny Echo of Moscow eo an-toerana,  tambajotra radio tsy miankina ela indrindra ao Rosia, rehefa nahazo fandrahonana fankahalana pelaka, nanoratra tao amin'ny Facebook ny tonian-dahatsoratry ny radio, Lyudmila Shabuyeva:

Вчера поступили угрозы в адрес наших сегодняшних гостей и нас, если мы проведем эфир на тему ЛГБТ.

Я отменяю эфир.

Naharay fandrahonana ho an'ny vahininay sy ny tenanay manokana izahay omaly raha miroso amin'ny fandaharana resadresaka momba ny LGBT. Ka nofoanako ny fandaharana.

Araka ny filazan'ny gazety tsy miankina Novaya Gazeta, nomanina hivoaka ny marainan'ny alarobia 23 Janoary ny fandaharana hiarahana amin'ireo mpikatroka LGBT ao Yaroslavl. Vao haingana ireo mpikatroka ireo no nanao fihetsiketsehana tao amin'ny kianja lehiben'ny tanàna ho fanoherana ny fanenjehana ireo olona pelaka ao Rosia, indrindra ao amin'ny repoblikan'i Chechnya. Nanasa azy ireo ity onjam-peo ity mba hiresadresaka momba ny hetsi-panoherana sy ny traikefan'izy ireo amin'ny maha-pelaka ampahibemaso any Rosia provinsialy.

Niteraka fanararaotana fankahalana pelaka tao anaty fanehoan-kevitra ny fanambarana voalohany nataon'i Shabuyeva momba ny fandaharana, ka anisan'izany ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo manampahefana ao an-toerana, saingy tsy nampihemotra azy izany, hoy izy tamin'ny Novaya Gazeta. Na izany aza, ny alina mialoha ny fandaharana, nilaza i Shabuyeva fa nisy vahiny niantso azy tamin'ny telefonina avy amina “laharana tsy fantatra ary nilaza taminy fa raha mbola miroso amin'ny fandaharana napetraka izy, dia hiharan'ny daroka baseball eo ivelan'ny onjam-peo ireo vahininy. Mety hiatrika olana ihany koa izy, satria nandrahona azy ilay olona tsy fantatra. Natahotra ny fiarovana ireo vahininy i Shabuyeva ka nosoloina fandaharana hafa izay nokinasa.

Ny hetsi-panoherana ao amin'ny kianja lehiben'i Yaroslavl dia ampahany amin'ny hetsika nasionaly #saveLGBTinRussia izay mikendry ny hanaitra ny saina momba ny fanenjehana feno herisetra mihatra amin'ireo pelaka ao amin'ny repoblika Chechnya. Notontosaina tao an-tanànan'i Rosia ihany koa ny fihetsiketsehana sy famoriam-bahoaka tahaka izany.

Miantso ny zanany (olom-pirenena) ny Firenena mba hiady amin'ny fankahalana vahiny sy ny famoretana ao Rosia maoderina. Aoka hamoha anao ny antsony!
[hoy ny vakin'ny soratra: NY DEPARTEMANTAN'NY FITSARANA AO ROSIA DIA TSY MAHITA PELAKA AO CHECHYA, AO IZY IREO: ANY AM-PONJA SY ANY AM-PASANA. #SAVELGBTINRUSSIA HOMOPHOBIA = FASCISM

Tamin'ny Avrily 2017, nitatitra ny Novaya Gazeta fa nanatontosa hetsika feno herisetra tamin'ny famoretana ireo LGBT ny manampahefana ao Chechnya, repoblika Miozolomana mikorontana any amin'ny faritra atsimon'i Rosia tarihan'i Ramzan Kadyrov, sefon'ny ady teo aloha. Nilaza ny tatitra vao haingana fa nihamafy ny “fanadiovana”, ary farafahakeliny, lasibatra roa no namoy ny ainy ary am-polony no nogadraina tsy ara-drariny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.