Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Febroary, 2019
Ejipta : Niakatra tribonaly miaramila ilay mpisera Facebook

Gaga sy tafintohina ny ankamaroan’ireo mpisera Facebook Ejipsiana rehefa niakatra fitsarana miaramila ny iray tamin’izy ireo ; Ahmad Hassan Bassiouny ; noho ny nananganany vondrona namoaka ny dingana arahina amin'ny raharaha miaramila tsy maintsy atao.
Mifototra Amin'ny Inona Ireo Fiampangana Ho Maniratsira Ao Afovoany-Atsinanana? (Tsy fivavahana fotsiny izany)

Voaheloka ho faty noho ireo zavatra nosoratany teo amin'ny Tranonkala i Mohamed Cheikh Ould Mohamed, maoritaniana blaogera , iray vaovao nidiran-doza noho ny nataon'ny governemanta izay mampiasa ny "fivadiham-pinoana" ho toy ny antony mba hamoretana ny lahateny politika rehetra.
Nipoitra ny fanavakavaham-bolokoditra tao Portiogaly taorian'ny nivoahan'ny lahatsary iray nampiseho ny herisetra nataon'ny polisy
Fanehoan-kevitra maro no hita tao amin'ny tambajotra sosialy, nanohana ny mpifindra monina ny sasany ary ny hafa indray nihevitra fa mety ny fomba nandaminan'ny polisy ny raharaha.
Voampanga ho “nikasi-tanana zatovolahy” tao Kashmir ilay lehiben'ny tafika nomena mari-boninahitra
Resabe taorian'ny fiampangana ilay lehiben'ny tafika Indiana nomena mari-boninahitra ho nikasi-tanana zatovolahy iray tao Kashmir.
Ireo Syriana mialokaloka ao Libanona miatrika tafiotran-dranomandry mahery vaika sy fepetra tsy manaja ny mahaolona any an-toby
"Marary ny olona. Feno rano na aiza na aiza. Tsy afa-matory izahay amin'ny alina. Efa toy izany telo andro izay. Mipetraka izahay amin'ny alina, manaramaso ny ankizy nefa tsy afa-manao na inona na inona ho azy ireo."
Gresy: Niteraka fanovana ny herisetran'ny polisy amin'ireo vehivavy mpifindra monina
Nikorontana noho ny fanagadrana mpifindra monina fahatany sy ny tolotra fanehoan-kevitra karamain'ny governemanta sosialista vaovao hatramin'izao mba hanaja ny fahavononany hanova ny polisy i Gresy.
Notsoahan'ny mpampanoa lalàna Azerbaijani ny fiampangana niteraka resabe an'ilay gadra politika
Nidera ny fanafahana ho toy ny fandresen'ny vahoaka ireo mpikatroka.
DoGooder.tv: Vohikala Fizaràna Lahatsary ho an'ireo Tsy Mikatsaka Tombontsoa Manokana
Vohikala iray natao ho an'ireo lahatsary miaro fotokevitra ny DoGooder.tv. Amin'ny alalan'io, afaka mampiroborobo ny fotokeviny aminà mpijery voafaritra ireo fikambanana tsy mikatsaka tombontsoa manokana: mpijery efa liana amin'izay tiany ambara, sy mitady fomba hahafahany manampy.
Mihahenjana ny adim-pahefana ao Venezoelà, voasakana ny aterineto sy voasivana ny fampitam-baovao

Miverimberina ny fanakanana ny fidirana amin'ny aterineto ary voasivana ny onjam-peo raha miha-henjana ny krizy politika ao Venezoela.
Mety hiatrika fiampangana heloka bevava ny Ben'ny tanànan'i Odessa taorian'ny nanehoan'ny mpiambina azy herisetra tamin'ny mpanao gazety iray tao an-toerana
Tsy ity ihany no tranga vao haingana indrindra nahitana an'i Trukhanov na ny olona eo ambany fahefany nanao herisetra tamin'ireo mpanao gazety.