Shina: Lasa Malaza Be Ny Pandaman vs. Christian “Batman” Bale

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2011)

Ny vaovao nivoaka omaly hoe naverina tany am-ponja ilay mpisolovava mpiaro zon'olombelona Gao Zhisheng noho ny fandikany ny lalàna mifehy ny famotsorana azy ambany fepetra nefa notazoninataminà toerana niafina izy nandritra ny 20 volana – ”Noheverinay fa maty izy”, hoy ny vadiny He Geng dia mamerina antsika indray amin'ny fanontaniana hoe hahazoan'ireo gadra tombontsoa amin'ny fisehon-javatra mafy dia mafy toy izany ve ny tsindry ataon'ny vahiny.

Toa loharanom-pifandirana lehibe teny anivon'ireo shinoa mpikatroka sy avara-pianarana zana-bahoaka nandritra izay volana vitsivitsy farany izay ilay olana, zavatra resahina ao anatin’ity lahatsoratra ity mikasika ny andrana tsy nahomby nataon'ilay mpilalao sarimihetsika ao Hollywood, Christian Bale, mba hitsidihana miafina ihany koa an'i Chen Guangcheng, ilay mpisolovava mpiaro ny zo, .

Nanainga izany fanontaniana izany ihany koa i Tom ao amin'ny bilaogy Seeing Red in China  tao anatin'ny lahatsoratra iray omaly, ”Nitsidika an'i Linyi i Christian Bale – Misy dikany amin'ny governemanta shinoa ve ny tsindry avy amin'ny vahiny?':

Ahian'ny mpandinika maro ny fandrakofana vahiny hoe hamela ny Antoko hanasokajy ireny zava-mitranga ireny ho toy ny vokatry ny fitsabahan'ny vahiny, nefa misy lavaka be tsy mitsahatra mitombo eo amin'ny zavatra lazain'ny governemanta sy ny zavatra inoan'ny olona (toy izay porofoin'ny adihevitra momba ny fanarahamaso ny habakabaka ao Beijing). Efa nisy tany amin'ireo toerana roa ireo avokoa ny fanambarana ”fitsabahan'ny vahiny” ary notoherin'ireo mpikatroka shinoa mafy tokoa. Amin'ny tranga iray, nilaza ny mpaneho hevitra iray ambony dia ambony fa novatsian'ireo hery vahiny vola i Chen ary nifanatrika ela be tamin'ny tovovavy iray nanao solomaso miady amin'ny masoandro izy, mariky amantarana ireo mpomban'i Chen, izay nitaky porofo tsy azony nomena izy. Haingana be dia nioaritaka teny amin'ny sehatra fifanakalozan-kevitra Shinoa ilay lahatsary.

Ny tena zava-dehibe tamin'ny tohankevitr'i Chen Min, izay itambaran'ny maro aminy, dia ny hoe manana fahafahana hanampy amin'ny fanatsarana ny toe-javatra iainan'ireo gadra politika toa an'i Chen sy Gao kokoa noho ireo vahiny tsy mahafantatra ny antsipirihany ny feon'ny Shinoa eo an-toerana.

Fa ao anatin'izany ihany: mandrosoa, polisy mpamafy dipoavatra:

Pandaman on a school bus about to crash

Pandaman ao anaty fiara-fitaterana mpianatra izay efa hivadika

Pandaman in Wukan

 Pandaman any Wukan

Pandaman with Ai Weiwei and friends

Pandaman miaraka amin'i Weiwei sy ny namany

Pandaman any amin'ny Times Square

Manapitra an'i Batman i Pandaman

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.