Ny 19 Aprily 2011 no nanamarika ny faha-3 taonan'ilay Tantara malazan'ny Factory: ny firehetana tao amin'ny Factory, toeram-pandihizana iray tao Quito tamin'ny 2008, tamin'izay no nisy fampisehoana Gothic-rock. 19 no maty vokatr'ilay firehetana ary 24 no naratra mafy. Anisan'ireo maty ny mpikambana manontolo tao amin'ny tarika mpiangaly gadona rock Zelestial, ary mandrak'androany dia mbola miaina miaraka amin'ny takaitra nentin'io loza io ny ankabezan'ireo sisam-paty.
Na nisy aza ny fitsaràna sy ny fanamelohana tamin'io zava-nitranga io, ny fianakaviana sy sakaizan'ireo tra-doza kosa dia mitohy mifandray hatrany mitaky ny marina, sady ambonin'ny zavatra rehetra, ny tsy fanilikilihana ny mpanao rock rehetra avy amin'ny karazany samihafa, mamela azy ireny ho tonga miaraka ary manao fampisehoana na tanàna aiza na aiza fa tsy hoe fotsiny any amin'ireo faritra mihataka tsy azo antoka loatra ara-pandriampahalemana.
Tamin'izany fotoana dia niasa saina momba ilay zava-nitranga ireo Ekoatoriana mpitoraka bilaogy, toa an-dry Sick boy tamin'ny Wild child's Journal (Gazetin'ny Ankizy kinaoly), izay nanakiana mafy [es] ny ‘sensationalisme’ sy ny fitsaràna an-tendrony ataon'ny fiarahamonina an'ireo mpankafy ny Gothic rock:
El contexto de “un show publico cualquiera que terminó en tragedia” se ha trastocado hacia “una secta que buscaba la muerte”, o “jóvenes confundidos q adoraban a Satán”, o hasta “piromaniaticos terroristas”, bla bla bla… […] Un simple gusto musical pasa a ser prejuicio de unos cuantos que nos creen dementes, y que sin una “ayuda profesional” quizás terminemos matándonos entre nosotros o haciéndole daños a terceros… así el rockero retratado como antisocial capaz de cometer atrocidades cobra fuerza…
Alexis Cuzme of De Ciudad Hecatombe (avy any Hecatombe City) dia mikitika koa [es] ilay lohahevitra, ary ambonin'izany, dia milaza ny fahasarotana atrehan'ireo izay mikarakara fampisehoana toy ireny:
Muchos de los organizadores de conciertos rockeros prefieren hacerlos subterráneos, en salas más o menos acondicionadas para albergar a cien o hasta doscientos espectadores, no buscan los permisos legales porque es un trámite donde la burocracia deja ver su poder, y sobre todo porque siempre habrán interminables y absurdos peros para que se evite un concierto de rock (el prejuicio en su mejor forma).
Ny 19 Aprily lasa teo, dia nisy fanomezam-boninahitra lehibe tao amin'ny Plaza Grande of Quito ary ezaka ho fanentanana ny olona mikasika ity olana ity izay nataon'ny fianakaviana sy naman'ireo tra-doza:
Iray tamin'ireo mafàna fo no nahita fa ilaina ny mitondra fanehoan-kevitra momba azy io:
Ho toy ny ampahany amin'ireo hetsika tao anatin'ireo telo taona misesy nangirifiriana, nisy fampisehana rock lehibe natao, Factory nunca más 2011 [es] (Tsy misy Factory intsony), ary resaka an-databatra boribory. Ankoatra ireo fanomezam-boninahitra any anaty bilaogy sy lahatsary any.
Ity tranga ity [es], tahaka ny iray izay mahatafiditra ny klioba República Cromañón ao Buenos Aires, Arzantina, ny iray misy ny klioba Utopía [es] ao Lima, Pero, sy ny maro hafa, dia porofon'ny tsy maha-manara-penitra sy ny maha-tsy tompon'andraikitra ny goragora amin'ny karazana fampisehoana sy fialamboly maro ho an'ny tanora any Amerika Latina, tsy anavahana ny sarangam-piarahamonina misy azy ireny.
-Nandray anjara tamin'ny fandikàna sy fametahana teny asisika tamin'ny lahatsary tao anatin'ity lahatsoratra ity ry Milton Ramirez, Helen Siers sy Cati Restrepo.