Tontolo Arabo: Mitohy ny fitroàrana

Anisan'ny tatitra manokana ataonay ity lahatsoratra ity:


Fotoan'ny revolusiona izao manerana ny tontolo Arabo, miaraka amin'ny vahoaka mijoro sy miantso  fiovàna ara-politika, ekonomika sy ara-tsosialy. Fifanatonana, fanaovana fihetsiketsehana sy fanoherana manerana ny faritra no mameno ny fandaharam-potoanantsika, miaraka amin'ny vaovao mahavaky fo amin'ny fomba ataon'ny governemanta Arabo iray aorian'ny fampiasan'ny iray ny paikady mitovy hamdravàna ny fanoherana sy ny hampanginana ny  feon'ny mpanohitra.

Anti and Pro Gaddafi factions protest outside their embassy in Knightsbridge, London, UK. Image by Mario Mitsis, copyright Demotix (17/02/2011).

Mpanohitra sy mpanohana ny hetsik'i Gaddafi manao fihetsiketsehana manoloana ny masoivoho ao Knightsbridge, Londona, UK. Sary nalain'i Mario Mitsis, fizaka-mànana Demotix (17/02/2011).

Fitaovana lehibe ho an'ny vahoaka manerana ny tany hanarahana ny vaovaon'ny zava-misy eny ifotony ny tambajotra ara-tsosialy, araka izay voaangonin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny mpanara-maso akaiky teo amin'ny fivoarana haingana teo amin'ny toe-draharaha ary nandefa izany amin'ny fotoana itrangany  ho an'ny olona manerantany mba hahita maso ny zava-doza natao nanoherana ny zo hifamory sy ny fahalalahana maneho hevitra.

Ireto misy fihetseham-po avy amin'ny mpampiasa Twitter manaraka ny fandehan'ny revolisiona eo amin'ny faritra:

@taiwomise: 2011, taonan'ny REVOLISIONA Arabo!

@Liberty4arabs: tena goavana ny zavatra nahazo ny firenena arabo, miparitaka toy ny areti-mifindra ny revolisiona

@ozo: Tiako mihitsy ny mandre olona liana amin'ny resaka mikasika ny revolisiona Arabo any anaty trano fisotroana kafe. Mahatsiaro aho hoe toa mifoha izany izao tontolo izao.

@matvic: sarintany Twitter azo kitkitihana ahitana an'i
#bahrain #egypt #algeria #libya http://ow.ly/3ZH3t

@Mfungwa: Ejipta,Tonizia, Algeria, Libya, Uganda miaraka ary iray ihany isika rehetra! Afrikana.

@andrewshears: Miaraka amin'ireo vahoakan'i #Wisconsin, #Bahrain, #Libya, #Algeria… ny saiko aman'eritreritro (firy no mbola tokony ho ampiantsika eo amin'ny lisitra?) #wiunion

@HuriyaAkhdar: #Ejipta, #Tonizia #Algeria #Maraoka ampio i #Libya ary afaho amin'ny mpanao didy jadona i Afrika avaratra avy any Med hatrany amin'ny  ranomasina mena.

@khaake: .@StateDept, msiy dian-tongotra ratsy sy feno ra ny fanampiana ara-miaramilanao. Aok'izay ny fanampiana ara-pitaovam-piadiana an'ireo fanjakana mankahàla ny vahoakany! #Ejipta #Yemen #Bahrain #Algeria

@bgffrd: tsy renirano any #Egypt ihany ny fanoherana, fa koa any #Bahrain, #Libya, #Algeria, #Yemen, #Iran. Mihevera ianao fa hahazo lesona izy ireo manomboka izao.

@marayat41: Mandehana ry Yemen, mandehana ry Libya, mandehana ry Bahrain, mandehana ry Algeria , ny Tompo anie homba anareo rehetra

@Saphsaf: Tsy Intifada izy ity fa FAHAROMONTANA ARA-TSEZA – #Tonizia #Egypt #Yemen #Libya #Alzeria #Bahrain ary koa ireo maro  izay ho avy eo

@AhmadHKh: Andro hafa, & fanoherana hafa ihany koa any #Alzeria #Yemen #Libya #Bahrain mazava ny hafatra, leo ny tsy rariny & sy ny fampijaliana ny olona

@nadaAmourad: Tohano i #Bahrain #Yemen #Libya #Alzeria

@dipayand: Fironan'ny revolisiona Arabo. Sakano ny aterineto, Vonoy ny mpanao fihetsiketsehana, vonoy ny dokotera, sakano ny mpanao gazety, mifamoria eo amin'ny toerana iray ary mitenena hoe mandehana mandehana.

@SuperAmar: NYT: ny fakantsary mipetaka amin'ny finday no fitaovam-piadian'ny revolisiona. Mihevitra aho hoe handràra azy ireny  koa izao ny mpitondra arabo .

@Aubar: Tsy rariny mihitsy! Fa nahoana isika Pakistane mahantra no tsy afaka mitarika mpampiasa vola 3G na 4G !!!Miatrika ny revolision'ny onjam-peo izao ny tontolo Arabo http://bit.ly/gzCYkO

@MAdamohsen: Raha vorona aho, dia tsy holaniako anaty TRANOM-BORONA mihitsy ny fiainako rehetra!!! #Tunis #Ejipta #Libya #Yemen #Alzeria #Bahrain #Kuwait……………

لاتبرير لأي نظام يقوم بإطلاق النار على المتظاهرين!! #bahrain #ejipta #alzeria
@Dee_Nuwaylati: “tsy misy azo anamarinana ny fitondrana mitifitra mpanao fihetsiketsehana”

@ZimActivist: Tweeple any #Ejipta mamono vahoaka ny any #Libya #Alzeria #Yemen # Bahrain. Asandrato ny feonareo #Mubarak #Tahrirsquare

@_Capitalism_: kapitalisma aho ary zava-doza ny revolisiona Arabo satria maneho amin'ny ankizy hoe hatraiza no mahazava-dehibe ny revolisiona oharina amin'ny kilalao amin'ny video (jeux vidéos).

@Zoulfakar: Mbola misy ihany ve olona mino hoe fantson'ny revolisiona Arabo i #Aljazeera? Jereo ny fandrakofan-dry zareo ny fanoherana tany #Bahrain!

@bibas_: OOPPAA! miantso ny revolisiona Jasmine i Sina. #cn220 Fitroatry ny Arabo manerana izao tontolo izao

@sorin: Nitsambikina avy amin'ny tontolo Arabo hankany Sina ve ny revolisiona? Vaovao mikasika ny korontana manomboka any aminà tanàna 13 tamin'ny 02:00 hariva androany. #tcot #p2

@DulceVendetta: Revolisiona: Miverina ho azy eo amin'ny tontolo Arabo ihany ve ny taona 1848? ? http://www.globalresearch.ca/index.php?context=va&aid=23096

@luqmantalk: Na dia eo aza ny sisintany, sy ny fitondrana mpanao kolikoly dia tokana ihany ny vahoaka Arabo. Mandrehitra ny Tany Arabo manontolo ny revolisiona tany Tunis. #arab

Anisan'ny vaovaontsika manokana ity lahatsoratra ity:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.