Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Janoary, 2016
Ovy Avy Ao Però Ve No Ho Sakafon'ireo Olombelona Voalohany Ho Eny Amin'ny Planeta Mars?
Mety ho afaka hipetraka eny amin'ny planeta Mars ny ovy Peroviana, araka ny fanandramana niarahan'ny Nasa sy ny Foibe Iraisampirenena momba ny Ovy - "Centre International de la Pomme de terre - CIP".
Amsterdam: Sahand Sahebdivani Sy Ny Fiventesany Tantara Mahatalanjona (Ampahany 1)
Ao anatin'ity tafa misy andiany roa niarahany tamin'ny Global Voices, resahan'i Sahand Sahebdivani ny momba ireo fifankahitàna ara-kolontsaina, ireo vehivavy maherifo any anatin'ny angano Persiana, ny tanjaky ny fiventesana tantara ary ny hevitry ny fifangaroana, fifanakalozana kolontsaina.
Ny Antsipirihany Faran'izay Kely Indrindra Momba Ilay Lalànan'ny Fitorohana Ao Trinidad & Tobago: Mety Hahabe Asa
Natolotra teo anatrehan'ny Parlemanta ao Trinidad sy Tobago tamin'ny Novambra 2015 ny tolodalàna momba ny Fiarovana ny Mpitoroka. Bilaogera iray mpiady amin'ny kolikoly no mifanakalo hevitra momba ilay tolodalàna ary mihaika ireo mpisera ety anaty aterineto mba hirotsaka amin'izany.
Kere Ao Madaya : Ireo Sary Ao Siria Tsy Tian'ny Olona Hojerena Akory
Mivezivezy mameno tranonkala ireo sary mahatsiravina avy ao Madaya (Siria), ary mampiseho ny kalvery iainan'ireo olona 40.000 monina ao, iharan'ny hanoanana sy miandry fahafatesana.
Ahoana No Hiarovan'i Venezoelà Tsara Ny Zon'ireo Vazimba Teratany? Anontanio Fotsiny Ny Vondrom-piarahamonina Warao.
Na dia manana fikambanana mifofotra manokana ny androny ho amin'ny fahasambaran-dry zareo aza ireo vondrom-piarahamonina indizena ao Venezoelà, dia miatrika fitanilàna marobe isankarazany ry zareo
Fahatsiarovana Ireo Nanjavona Tao Orogoay Jerena Avy Amin'ny Mason'ny Mpakasary
Nandany 12 taona tany an-tsesitany i Juan Urruzola nandritry ny fitondràna jadona tao amin'ny fireneny. Nataony ho iraka tsy maintsy vitainy ny mampahatsiaro amin'ny alàlan'ny saripika ireo nanjavona nandritra io fitondràna io.
Famoretana Ataon'ny Milina Mibaiko Tenan'ny Ayatollah Amin'ny Twitter, Ireo Mpanao Gazety No Mizaka Ny Tsy Natao
Marobe ireo mpanangona vaovao no voabahana ao amin'ny Twitter noho ny nandefasany vontoaty mifandraika amin'i Khamenei sy ny fampielezankeviny.