Amin'ny 2024, hihovitrovitra miaraka amin'ny CAN andiany faha-34 i Afrika

Côte d'ivoire, mpandresy tamin'ny CAN 2015. Pikantsary tamin'ny fantsona  YouTube African Football

Hitodika any Côte d'Ivoire daholo ny mason'ireo mpankafy baolika kitra erantany, manomboka ny 13 Janoary hatramin'ny 11 Febroary 2024, fotoana hanatanterahana ilay fifaninanana ara-panatanjahantena goavana indrindra ho an'ny tanibe afrikàna, ny “Coupe d'Afrique des Nations (CAN)”.

Ny Repoblikan'i Côte d'Ivoire no firenena mpikarakara ny CAN andiany faha -34. Tany am-boalohany dia volahatra ho eo anelanelan'ny Jona sy Jolay 2023, nahemotra ho amin'ny fiandohan'ny taona 2024 ny daty hanaovana ity hetsika ity noho ny antony ara-toetrandro.

Tao anaty lahatsoratra iray an'ny Africanews taorian'ny fihaonana iray nataon'ny kaomity mpanatanteraka avy amin'ny Confédération africaine de football (CAF) natao tany Rabat, renivohitr'i Maraoka, nanazava i Patrice Motsepe, filohan'ny CAF hoe:

Ny Janoary sy Febroary 2024 no hotanterahana ny CAN. Tsy afaka atao ny handray risika hanao fifaninanana anaty oram-batravatra. Tsy tsara ho an'ny baolina kitra afrikàna sy ny sariny izany. Raisinay ny fanapahankevitra saingy resaka fanajàna ilay izy. Hevitra maro no nalaina ary nilaza taminay ny olona sasany fa misy ny fiovan'ny toetrandro, ary angamba tsy ho olana ny resaka orana. Saingy ireo torohevitra voaray dia ny hoe tsy afaka atao ny handray risika.

Araka izany dia nanery ireo mpitantana ny baolina kitra afrikàna ho amin'ny fanovàna tetiandro ny fiovàn'ny toetrandro.

Ireo hiady ny anaram-boninahitra

Hatramin'ny nametrahana ity fifaninanana ity, nivoatra tsikelikely ny isan'ireo ekipa mpandray anjara. Tamin'ireo andiany roa voalohany natao tamin'ny 1957 sy 1959 dia nahitàna firenena telo (Egipta, Etiopia ary Sodàna). Lasa efatra tamin'ny andiany fahatelo natao tamin'ny 1962, ary ny tamin'ny 1963 sy 1965 dia enina. Nanomboka tamin'ny andiany faha-32 natao ny 2019 tany Egipta, nitombo ho efatra ambiroapolo ny isa. Io fanapahankevitra io dia tonga tao anatina vanimpotoana iray izay niainan'ny baolina kitra afrikàna ny fihavaozana ho maoderina kokoa. Nanomboka nisary zoro tamin'ireo firenena goavana tamin'ny sehatry ny baolina kitra ireo firenena tsy dia nahoana loatra teo amin'ny sehatra kaontinantaly, dia ireo goavana izay nisy an'i Kamerona, Egipta, Ganà, Côte d'Ivoire, Alzeria, Maraoka ary Nizerià.

Indro anaty lahatsary ny hira fanevan'ny CAN 2023:

Ho an'ny CAN andiany faha-34, efatra ambiroapolo ireo mpifaninana. Notsinjaraina ho vondrona enina ahitana ekipa efatra avy ireny firenena ireny. Ny vondrona A dia nisy an'i Côte d'Ivoire,  Nizerià,  Guinée Équatoriale ary Guinée Bissau. Ny vondrona B dia nahitàna an'i Egipta, Ganà, Cap-Vert ary Môzambika. Raha tao amin'ny vondrona C kosa, nisy an'i Senegal, Kamerona, Guinée ary Gambia. Ny vondrona D dia niraisan'iAlzeria, Burkina-Faso, Maoritania ary Angôlà. Tonizia, Mali, Afrika Atsimo ary Namibia no nandrafitra ny vondrona E, fa ny tao anaty vondrona F dia ry Maraoka, Repoblika Demaokratikan'i Kôngô, Zambia ary Tanzania.

Manomboka ny 13 Janoary dia samy hifaninana ireny firenena ireny mba hanandrana handrombaka ilay anaram-boninahitra tompondakan'i Afrika eny an-tànan'i Senegal. Eny tokoa, nandritra ny andiany 2021 nokarakaraina tao Kamerona dia sambany i Senegal no voahosotra ho tompondakan'i Afrika nanoloana an'i Egipta izay efa im-pito tompondakan'i Afrika, . Ho averin'i Senegal hiadiana sy andramana hotazonina indray izany ilay amboara azony.

Hatramin'ny 1968, isaky ny roa taona no anaovana ilay fifanintsanana (taona ankasa). Saingy niova ny raikipohy nanomboka tamin'ny 2012: ny 2013 no hatao ny fiadiana amboara – taona tsy ankasa. Io dia fanahapankevitra taorian'ny finiavan'ireo mpitarika ny CAF hanamaivana ny tetiandron'ireo ekipa ao amin'ny tanibe mandritra ireo taona hiadiana ny ho Tompondaka Erantany izay isaky ny efatra taona no atao, taona ankasa.

Andrasana ireo kintan'ny kitra afrikàna

Ho an'ireo kintana goavan'ny kitra afrikàna dia fotoana ihany koa io fifanintsanana io mba hanamafisan-dry zareo ny fanjakàny eo amin'ny sehatra kaontinantaly. Ireo kintana toa an-dry: Sadio Mane, lohalaharana mpanafika ao Senegal sy ao amin'ny klioba saodiànaAl-Nassr, Mohamed Salah, lohalaharana mpanafika ao  sy ao amin'ny klioba anglisy Liverpool, Victor Osimhen, lohalaharana mpanafika ao amin'ny klioba italiàna Naples sy Nizerià izay voafidy ho ny mpampidi-baolina mendrika indrindra tamin'ireo fifanintsanana ho an'ny CAN2023, niaraka tamin'ny  baolina folo tafiditra ho an'i Nizerià, dia samy mbola hampiseho ny talentan-dry zareo. Azo tanisaina ihany koa ry Andre Onana, mpiandry tsatokazo kameroney sy ao amin'ny klioba anglisy Manchester United, Wilfried Zaha, lohalaharana mpanafika ao  Côte d'Ivoire sy ao amin'ny klioba tiorka Galatasaray, Riyad Marhez avy ao Alzeria sy ao amin'ny klioba saodiàna Al-Ahli FC.

Ankoatra ireo kintana efa voamarina fa ho avy dia  andrandrain'ireo mpanaraka ny kitra afrikàna ihany koa mandritra ilay fifaninanana ny hahita ireo tanora vao misondrotra. Tsy lany talenta vao mihitsy tokoa aloha raha ilay kaontinanta: ny tranonkalam-baovao momba ny fanatanjahantena 90min dia milaza fisiana tanora folo mety ho tafiditra anatin'ny tantaran'ilay fifaninanana. Ao anatin'io lisitra io ireo tanora mpilalao toa an'i Farès Chaïbi avy any Alzeria, Karim Konaté sy Simon Adingra avy any Côte d'Ivoire, Amir Richardson avy any Maraoka, ary maro hafa.

Vonona ve ireo fotodrafitrasa?

Toeram-pilalaovana miisa enina miparitaka amina tanàna dimy ao Côte d'Ivoire no voatondro handraisana ilay fifaninanana. Ao Abidjan (renivohitra ara-toekarena ao atsimon'ny firenena), toeram-pilalaovana roa: Alassane Dramane Ouattara d’Ebimpe manana toerana 60 000 sy ny toeram-pilalaovana Félix Houphouet Boigny manana toerana 45 000. Ao Yamoussoukro (renivohitra pôlitika ao afovoany-atsimo), ny toeram-pilalaovana Charles Konan Banny manana toerana 20.000. Ny toeram-pilalaovana “Stade de la Paix” ao Bouaké (afovoan'ny firenena) manana toerana 40 000; ny toeram-pilalaovana Amadou Gon Coulibaly manana toerana 20 000 ao Korhogo (tanàna any avaratry ny firenena) ary ny toeram-pilalaovana Laurent Pokou manana toerana 20 000 ao San Pedro (any atsimon'i Côte d'Ivoire).

Tamin'ny Septambra 2023, nisy orambe iray nahatondraka ny toeram-pilalaovana Alassane Dramane Ouattara d’Ebimpe nandritra ny lalaom-pirahalahiana iray nihaonan'i Côte d'Ivoire sy Mali. Afaka hita ao anatin'ity ranty iray tao amin'ny X (Twitter taloha) ity ny endrik'ilay toeram-pilalaovana:

Nofoanana ny lalaom-pirahalahiana nihaonan'i Côte d'Ivoira sy Mali noho ny fahatondrahan'ny toeram-pilalaovana Alassane Dramane Ouattara d’#Ebimpé namboarina ho isan'ny fikarakaràna ny CAN amin'ny Janoary ho avy izao #CIVMAL pic.twitter.com/32zEgLXlos

— Azur Entertainment (@AzurEntertainm1) 12 Septambra 2023

Mba hisorohana ireo fanelingelenana mety hitranga amin'ny hoavy, noraisin'ireo manampahefana ny fanapahankevitra hanampy tafo amin'ilay toeram-pilalaovana izay mitondra ny anaran'ny filoha amperinasa amin'izao fotoana izao ao amin'ny firenena, araka ny asehon'ity ranty iray ity ao amin'ny X an'ny Prom'Ivoire, pejy iray mpampita vaovao ivoariàna :

Ny tafon'ny Stade Olympique Alassane Ouattara d'Ebimpé 🇨🇮❤️ pic.twitter.com/0pPko28P04

— PROM’IVOIRE 🇨🇮 (@Prom_Ivoire) 30 Novambra 2023

Toy ny efa vonona ny zavatra rehetra ao Côte d'Ivoire ho fanatanterahana ny fanamby hikarakaràna ilay goavana indrindra amin'ireo fifaninanana ara-panatanjahantena ao Afrika. Eny anivon'ny fiarahamonina ivoariàna, ny baolina kitra no fanatanjahantena malaza indrindra ary manana lanja lehibe. Ireo klioba kitra ao amin'ny firenena dia, tany aloha tany, nanjakazaka tamin'ny kitra afrikàna ary efa voahosotra ho tompondaka tamina fifaninanana isankarazany teo amin'ny kaontinanta, ohatra ny Asec Mimosas, Africa Sports, Stella Club. Côte d'Ivoire dia mamokatra ihany koa mpilalao goavana ho an'i Afrika, toa an-dry Didier Drogba, Yaya Touré, Laurent Pokou, Habib Kolo Touré, Didier Zokora izay heverina ho toy ny ivoariàna mpilalao mendrika indrindra hatrizay.

Ity CAN andiany faha-34 ity dia ho soa fanararaotra ihany koa ho an'ny firenen'i Alassane Ouattara mba hanohizana ny  fahavitrihany ara-toekarena. Hahita tombony amin'izany  ireo mpivarotra madinika, amin'ny alàlan'ny famarotana ny asatànany amin'ireo vahiny, toy izany ihany koa ireo orinasa vaventy satria matetika ireny fihaonana goavana ireny dia sady fotoana fanaovana fifampiraharahana ara-barotra. Tamin'ny Septambra 2023, François Albert Amichia, minisitry ny fanatanjahantena sy ny fialamboly ao Côte d'Ivoire dia nilaza fa orinasa 350 no vonona hampifamatotra ny anaran-dry zareo amin'ilay hetsika.

Ireo zo amin'ny fampitàna TV ny CAN 2023 dia efa nomena ho an'ny vondrona fahitalavitra tôgôley New World TV izay afaka kosa indray manome zo fampitàna ho an'ireo media hafa, isan'izany ireo ao Côte d'Ivoire. Milaza io vondrona io fa:

New World TV no solontenan'ny CAF amin'ny fitsinjaràna ny zo ho afaka hiditra maimaimpoana, miaraka amina lisansa omena ireo fantsona nasiônaly avy amina firenena 46, sy ho an'ireo zo aloa vola, ka ny fahafahana miditra amin'izany dia ilàna ireo “décodeurs ” avy amin'ny New World TV

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.