Senegaly: Bassirou Diomaye Faye no atolotry ny antoko mpanohitra ho amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2024

Sarin'i Bassirou Diomaye Faye, Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube de Tv5monde

Tsy ao anatin'ny hazakazaka intsony i Ousmane Sonko, kandida voalohany mpanohitra amin'ny fifidianana filoham-pirenena any Sénégal, saingy nanolotra an'i Bassirou Diomaye Faye, sekreteran'ny antokony, ho kandidà misolo tena azy izy.

Raha maro amin'ireo firenena ao Afrika Andrefana no misedra fitohizam-panonganam-panjakana, manohy ny filalaovana demaokratika i Senegaly ary manomana fifidianana filoham-pirenena amin'ny volana Febroary 2024.

Mbola nametraka fisalasalana amin'ny mety hisian'ny fe-potoam-piasana fahatelo i Macky Sall filoham-pirenena amin'izao fotoana izao, voafidy tamin'ny taona 2012 sy voafidy indray tamin'ny taona 2019, saingy nanambara ny tsy filatsahan-kofidiany ihany izy nony farany taorian'ny fihetsiketsehana tany. Nanendry an'i Amadou Ba, Praiminisitra ankehitriny ho mpandimby azy sady kandidàn'ny antoko (Fiarahana ho an'ny Repoblika) Alliance pour la République (APR-Yaakaar) izy.

Vakio : Ao Senegaly, fifanenjanana eo amin'ny filoha Macky Sall sy ilay mpanohitra, Ousmane Sonko, herintaona mialoha ny fifidianana ho filohampirenena

Miampanga ny tsy fahaiza-mitantanan’ny filoha ireo fihetsiketsehana anti-Sall, notarihan'ny lehiben'ny mpanohitra Ousmane Sonko, filohan'ny antoko (Afrikanina Tia Tanindrazana ao Senegaly ho amin'ny asa, etika sy ny firahalahiana) Patriotes africains du Sénégal pour le travail, l'éthique et la fraternité (PASTEF) ary mahatonga an'i Sonko ho manana ny toerany amin'ny politikan'i Senegaly. Na izany aza, tsy afaka milatsaka izy satria nogadrain'ny rafi-pitsarana Senegaly tamin'ny Jolay 2023 noho ny fanolanana, fanalam-baraka ary fiantsoana fikomiana.

Mbola mifaninana ny fanilon'i Sonko

Satria handeha hifidy filoham-pirenena vaovao ny Senegaly amin'ny volana Febroary 2024, olo-malaza ara-politika maro no nanambara ny fikasany hirotsaka amin'ny fifidianana. Kandidà miisa 75 no nanambara fa hirotsaka ary tsy maintsy mahazo fanohanana araka ny lalàm-pifidianana ao amin'ny firenena, araka ny fanazavan'ity tatitra avy amin'ny media Africa24 ity:

Mazava ho azy fa tsy maintsy mahazo ny fanohanan’ny depiote 13 sy ben’ny tanàna 120 eo anivon’ny filankevitry ny departemanta eto amin’ny firenena ny kandidà tsirairay. Araka ny filazan'i Papa Ogo Seck, mpandinika ara-politika Senegaley, nitafatafa tamin'ny Africa24, fanamby lehibe ny fahazoana izany fanohanana izany:

“Pour recueillir les 0,6 % de l’électorat ou pour avoir le parrainage des maires, ça risquera d’être un peu compliqué surtout que l’on se rappelle qu’au début avant le discours du 3 juillet du président Macky Sall, l’ensemble des maires avait déjà été réunis donc il semblerait que quelque part, ce parrainage risque de poser beaucoup de difficultés en raison justement du caractère éminemment politique de ce parrainage.”

“Mety ho somary sarotra ny hanangonana 0,6%-n’ny mpifidy na ny fahazoana ny fanohanan’ireo ben’ny Tanàna, indrindra raha tsaroantsika fa tany am-boalohany, talohan’ny kabarin'ny filoha Macky Sall tamin’ny 3 jolay, dia efa tafavory avokoa ireo ben’ny tanàna ka mety hiteraka fahasahiranana be izany fanohanana izany any amin'ny toerana iray, noho ny toetra ara-politika misongadina amin'ity fanohanana ity.”

Tsy kandidà amin’io fifidianana io intsony i Sonko satria nesorina tao anatin’ny lisi-pifidianana noho ny fiampangana azy. Nofoanan'ny mpitsara ao amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ziguinchor (any atsimon'ny firenena) tokoa io fanesorana io, saingy tsy afaka misoratra anarana intsony ao amin'ny lisi-pifidianana ity mpanao politika ity. Tamin'ny 19 Novambra 2023, nanome tsodrano an'i Bassirou Diomaye Faye i Sonko mba ho kandidàn'ny antoko. Marihina fa nogadraina vonjimaika ihany koa i Diomaye Faye noho ny fanevatevana mpitsara.

Saingy nilaza tao amin'ny Tv5monde i El Malick Ndiaye, sekretera nasionalin'ny seraseran'ny PASTEF hoe:

Si ce n'est pas Ousmane, ce sera Diomaye. Si ce n'est pas Diomaye ce sera un autre…

Raha tsy Ousmane, dia i Diomaye. Raha tsy Diomaye dia ho olon-kafa…

Mampiseho mazava izany paikady izany fa hanao hatrany izay hananany mpifaninana amin'ny fifidianana filoham-pirenena taona 2024 ny antoko voalohany amin'ny mpanohitra.

Ao amin'ity tatitry ny Tv5monde ity, manazava ny fomba fiasan'ny antoko ny iray amin'ireo mpitantana ny Pastef:

Famoriam-bahoaka ao ambadik'i Diomaye Faye

Heverina ho manetsika ny ampahany amin'ny mpifidy Senegaly ny safidin'i Bassirou Diomaye Faye. Manaporofo izany ity ranty tao amin'ny tambajotra X (twitter taloha) an'i Fatima Tall, Senegaly iray ity:

#Sénégal Mandritra izany fotoana izany, mihoatra ny firaketana rehetra amin'ny fanetsehana ny fanohanan'ny mponina ho an'i Bassirou Diomaye Faye! Manohana ara-tsonia sy ara-bola amin'ny fanentanam-pifidianan'i PR Sonko ny senegaley!

Mo meun, mo eup dolé, mo guuneu kharagne!
Daniouy Gagné ♥️ pic.twitter.com/iD79ZrnsSO

Toy izany koa, olona maromaro no misafidy ny kandidà Bassirou Diomaye Faye avy amin'ny zanaka ampielezan'i Senegaly, araka ny nambaran'ny biraon'ny antoko any Frantsa Pastef France Officiel amin'ity ranty X ity:

🇸🇳✨ Fahombiazana namirapiratra ny andro Fanohanana an'i Bassirou Diomaye Faye tany Frantsa!
Namaly faobe tamin'ny antso ny ampielezana Senegaly, nampiseho fanetsiketsehana niavaka ho an'ny kandidà @DiomayeFaye

Ny fanohanana ara-tsonia an'i @DiomayeFaye dia midika hoe manohana…

Raha miasa mafy amin'ny fanangonana fanohanana araka izay tratra ireo mpitolona, ny fanontaniana lehibe dia ny hoe hanana lanja ara-politika mitovy amin'i Sonko, izay mbola mijanona ho safidy ho an'ny mpanatanteraky ny antoko ve i Bassirou Diomaye Faye.

Terak'i Ndiaganiao, kaominina ao amin’ny faritra andrefan’i Senegal afovoany, 43 taona, ny kandidà vaovaon’ny antoko Pastef . Nahazo diplaoma tao amin'ny Sekolim-Pirenena momba ny Fitantanam-panjakana (ENA) any Sénégal izy rehefa nahazo mari-pahaizana maîtrise momba ny lalàna tao amin'ny Oniversite Cheikh Anta Diop. Nizotra arakasa amin'ny fitantanan-ketra izy. Amin'ny fananana horirana mitovy amin'ny an'i Ousmane Sonko, niarahan-dry zareo nanangana ny sendikan'ny mpiasan'ny hetra sy ny fananan-tany talohan'ny nananganana ny antoko Pastef. Teo amin’ny lafiny politika indray dia voataonan’ny rainy izay mpikambana ao amin’ny Antoko Sosialista izy.

Manome fanadihadiana amin'ny antsipiriany momba ny fanendrena an'i Faye ity lahatsary avy amin'ny France24 ity :

Ahoana ny amin’ireo kandidà hafa?

Ankoatra ny fanambaràn’i Bassirou Diomaye Faye ny firotsahany hofidiana amin’ny fifidianana ho avy dia tokony hoheverina ireo kandidà hafa matanjaka.

Kandidà matotra amin'ny fitantanam-pirenena faratampony Idrissa Seck ao amin'ny antoko politika Rewmi (izay midika hoe “firenena” amin'ny fiteny wolof). Imbetsaka izy no minisitra teo ambany fitarihan'ny filoha teo aloha ary filohan'ny filankevitra ara-toekarena, sosialy ary tontolo iainana ao Sénégal nandritra ny fitondran'i Macky Sall.

Imbetsaka minisitra ihany koa teo ambany fitarihan'i Abdou Diouf, filohan'i Sénégal teo aloha i Khalifa Sall ao amin'ny famoriana ara-politika Taxawu Sénégal. Nosamborina sy nogadraina noho ny fanodinkodinam-bolam-panjakana izy tamin'ny taona 2017 fony izy ben'ny tanànan'i Dakar sady solombavambahoaka ihany koa. Nahazo ny zony ara-politika indray i Sall rehefa nahazo famelan-tsazy avy amin'i Macky Sall tamin'ny taona 2019.

Afaka mitondra lanja amin'ity fifidianana ity ihany koa ny kandidà fahatelo amin'ny anaran'i Karim Wade ao amin'ny Parti démocratique sénégalais (PDS). Zanakalahin'i Abdoulaye Wade, filohan'i Sénégal teo aloha, i Karim ka nanararaotra ny maha zanaky ny filoha azy. Mpanolo-tsainan'ny filoham-pirenena, minisitra tamin’ny fotoana nitondran-drainy, fa voampanga ho nanao kolikoly, nanangon-karena tsy ara-dalàna sy nanodinkodina volam-panjakana tamin’ny taona 2013 anefa izy ka voaheloka higadra enin-taona. Hahazo famelan-tsazy ihany koa izy tamin’ny taona 2016 amin’ny alalan’ny didim-panjakana, avy eo nahazo famotsoran-keloka tamin’ny taona 2022 avy amin'i Macky Sall.

Vakio ihany koa : Ao Sénégal, mitombo ny anjara toeran'ny tanora amin'izao ankatoky ny fifidianana filoham-pirenena izao: antsafa nifanaovana tamin'ny mpikaroka Gilles Yabi

Manana anjara lehibe ho an'ny mpifidy Senegaly 6,8 tapitrisa mahery (isan'ny mpifidy nandritra ny fifidianana mpanao lalàna 2022) ity fifidianana filoham-pirenena ity. Manosika ny tanora maro hisafidy ny lalan’ny fifindra-monina tsy ara-dalàna an-dranomasina tokoa ny fahantrana sy ny tsy fananan’asa. 21,9 % ny tahan’ny tsy fananan’asa tamin’ny faran’ny taona 2022. Araka ny tatitry ny Transparency International, laharana faha-72 amin'ny firenena 180 ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.