Andry Rajoelina, 49 taona, voafidy indray hitondra an'i Madagasikara ao anatin'ny fepotoam-pitondràna haharitra 5 taona, taorian'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena natao tamin'ny 16 Novambra izay nanaovan'ireo mpirotsaka avy amin'ny fanoherana ankivy.
Vakio : Madagasikara: Mafampàna ny raharaha mialoha fifidianana filoham-pirenena
Ny 1 Desambra 2023, ny Fitsaràna Avo Momba ny Lalàm-panorenana (HCC) nomena andraikitra hanambara ny vokatra farany, no nanambara tamin'ny fomba ôfisialy ny fahalanian'i Rajoelina ho filoha indray, tamin'ny nahazoany vato 58,96% tamin'ireo vato nanan-kery. Somary nidina kely ny tahan'ny fandraisana anjara, 46 % raha ampitahaina amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena natao tamin'ny 2018 izay nahazoana taha 48,09%.
Tany am-piandohana, 13 ireo mpirotsaka no tafiditra tanaty hazakazaka, saingy taorian'ny ankivy ara-pifidianana nataon'ny mpanohitra, telo sisa ireo mpirotsaka no nanao fampielezankevitra, isan'izany i Siteny Andrianasoloniaiko izay nahazo 14,39% tamin'ireo vato; ary Marc Ravalomanana, mpirotsaka ankamamian'ny avy amin'ny fanoherana, izay tonga teo amin'ny toerana fahatelo niaraka tamin'ny 12,09% tamin'ireo mpifidy na teo aza ny antsony tany am-boalohany hanaovana ankivy an'ilay fifidianana.
Raha te-hahalàla misimisy kokoa momba an'i Madagasikara, vakio ny tahirin-kevitra manokana Madagascar, une société déstabilisée (fr.) (Madagasikara, fiarahamonina iray mitsingilahila)
Efa filoha hatramin'ny 2018, sambany tonga teo amin'ny fitondrana nandritra ny dimy taona i Rajoelina tamin'ny 2009 noho ny fikomiana nanaisotra ny filoha teo aloha Ravalomanana. Nandritra ny tafa fohy niarahany tamin'ireo mpanao gazety teo am-pivoahana ny lanonana nanambaràna ny vokatra ôfisialy, ary nohamafisiny androany ny fahavononany hiasa ho an'ny Malagasy rehetra :
Isaorako ireo rehetra nifidy ahy, ary na ireo tsy nifidy koa aza. Hanatontosa ny asako ao anaty fahamendrehana tanteraka aho ary tsy hitandro hasasarana ho fampandrosoana an'i Madagasikara
Fifidianana nataon'ny mpanohitra ankivy
Saingy hatrany am-piandohan'ny fampielezankevitra ho an'ny fifidianana ireo mpirotsaka avy amin'ny fanoherana no efa niampanga ireo tsy fanjariana mibaribary sy nitaky ny hanafoanana ny fifidianana, fa tsy nahitam-bokany. Avy eo izy ireo nanapaka hevitra ny hanao ankivy ny fifidianana ary nitaona ny mpifidy tsy handeha any amin'ny birao fandatsaham-bato. Taorian'izay ireo mpirotsaka folo ireo dia nanamafy fa tsy hanaiky izay valin'io fifidianana io. Tao anatin'ny fanambaràna iray niombonany, tamin'ny 24 Novambra, dia nilaza indrindra ilay fiarahamientana fa :
Tsy ho ekenay ny vokatr'io fifidianana tsy ara-drariny, feno hosoka io, ary tsy andraikitray izay rehetra tsy fitoniana ara-pôlitika sy sôsialy mety ho aterak'izany.
Ny andron'ny fifidianana ihany, ny 16 Novambra, ny Transparency International Initiative Madagascar, ny birao malagasy ho an'ny Transparency International (ONG miady amin'ny kolikoly), dia nampahafantatra tao anaty fampitam-baovao an-gazety iray fa toherina ilay fifidianana noho ireo tsy fanarahan-dalàna, herisetra, fanitsakitsahana ny zo maha-olona, ny fitobahan'ny vola tsy fanta-piaviana ary ny fiahiahiana fisiana kolikolim-pifidianana.
Taorian'ny fifidianana, ny HCC dia naharay fitarainana miisa dimiambinifoo tany ho any mifandraika amin'ireo fifanolànana ara-pifidianana, izay ny ankamaroany dia nambara fa “azo raisina saingy tsy mitombina”.
Niampanga ny filoha teo aloha ho nanao hosoka, ny mpirotsaka avy amin'ny fanoherana Siteny Randrianasoloniaiko ary nilaza tamin'ny AFP fa nametraka fangatahana “ho fanafoanana ireo hetsika ara-pifidianana rehetra natao nanerana ny firenena”, saingy nolavina ny fangatahany. Hoy izy:
Fangatahana roa no napetrako mba hangatahana ny fanafoanana ny fifidianana sy fanesorana an'i Andry Rajoelina satria nangalatra izy, nividy ny vaton'ny mpifidy.
Ireo rehetra fangatahana ho fanafoanana ny fifidianana noho ireo tsy fanarahan-dalàna maro isankarazany nandritra ny androm-pifidianana sy ireo tsy fetezana tsikaritra tany anatin'ireo fitànana an-tsoratra nampitaina tany amin'ny Commission Électorale Nationale Indépendante (CENI) – Vaomiera nasiônaly mahaleotena misahana ny fifidianana- dia tapitra nolavin'ilay fitsaràna avo avokoa no niafaràny, fitsaràna izay ametrahan'ireo avy amin'ny fanoherana fanontanina ny mbola mety ho maha-ara-drariny azy.
Ahiahin'ny sehatra iraisam-pirenena
Tamin'ny alàlan'ny fampitam-baovao an-gazety, nivoaka ora vitsy monja taorian'ny namoahana ny fandresen'i Rajoelina, nilaza tao amin'ny tambajotra X (Twitter taloha) ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) fa handinika ireo vokatra:
🔴 Communiqué
Les partenaires internationaux de #Madagascar, prennent acte de la publication par la Haute Cour constitutionnelle des résultats définitifs de l’élection présidentielle du 16 novembre 2023 proclamant vainqueur M. Andry Rajoelina.
📰 : https://t.co/Io8HzwNbwZ pic.twitter.com/7Q6p1IRV2X
— La Francophonie (@OIFrancophonie) December 1, 2023
🔴 Fampitam-baovao
Ireo mpifanome tànana iraisampirenena amin'i #Madagasikara, dia handinika ilay famoahan‘ny Fitsaràna Avo Momba ny Lalàm-panorenana ny vokatra ôfisialin'ny fifidianana ho filoham-pirenena natao tamin'ny 16 Novambra 2023 nanambaràna an'Atoa. Andry Rajoelina ho mpandresy.
📰 : https://t.co/Io8HzwNbwZ pic.twitter.com/7Q6p1IRV2X
— La Francophonie (@OIFrancophonie)1 Desambra 2023
Kanefa, ilay fikambanana izay ivondronana firenena 88 (Fanjakàna sy governemanta) manerana izao tontolo izao, dia mametraka ihany ahiahy no sady miantso fifampiresahana:
Voamariky ny OIF ny fisamantsamahan'ny fiarahamonina malagasy, ary ambarany ny ahiahiny lalina momba izay hiseho aorian'ny fifidianana miaraka amin'ny ambana ambony mety hisian'ny hetsipanoherana sy ireo fifanenjanana maharitra. Voamarikay tokoa fa tsy voavory ireo fepetra rehetra hisian'ny fampiatiana tao anatin'ny zotram-pifidianana, nisy ireo mpirotsaka sasany nanapaka hevitra ny tsy handray anjara tamin'ny fampielezankevitra sy ny fifidianana, nitaky fanavaozana ireo rafitra sy andrim-panjakana natao handray an-tànana sy hanara-maso ny fifidianana. Araka izany dia antsoinay ireo rehetra mpisehatra, ireo mpiara-miombona antoka, mba handray anjara amin'ny famerenana sy fifampitokisana eo amin'izy ireo sy ny fanamafisana ny Tany Tàn-dalàna.
Tao anatin'ny fampitàna an-gazety nataony, ny Transparency International Initiative Madagascar nilaza ihany koa fa tsy mahagaga raha ireo vokatra, ary mariky ny fandresen'ny kolikoly, ny vola, ary ny fanaovana izay danin'ny kibony manoloana ny demaokrasia ny fandresena azon'i Rajoelina. Heveriny fa:
Ny fanekena ireny voka-pifidianana ireny dia midika ihany koa fanekena ny fanararaotana ny fahantrana fara-tampony ho toy ny teknika farany ho entina mahazo fandreseana amin'ny fifidianana eto Madagasikara, ary tsy azo leferina izany.
Madagasikara dia anisan'ireo firenena mahantra indrindra eto an-tany, tamin'ny 2022 dia 75% ny taham-pahantràna voavinavina.
Fanehoankevitr'ireo mpampiasa aterineto
Tsy tara amin'ny fanehoankevitra mafàna avy amin'ireo Malagasy mpampiasa aterineto ireo tambajotra sôsialy, toa an'i Herizo Raza, mpampiasa ny X izay manoratra ao amin'ny kaontiny hoe:
Ne pouvons-nous pas poursuivre Andry Rajoelina ou le gouvernement pour suppression des votes d'environ 40 à 50%, car ils ont quand même persisté à poursuivre et à donner le feu vert à une élection même s'il y avait eu une fraude totale sans autre candidat que lui-même.
— Herizo Raza (@HzoHerizo) December 4, 2023
Tsy azontsika atao angaha ny manenjika an'i Andry Rajoelina na ny governemanta noho ny nanafoanany ireo vatom-pifidianana efa ho 40 hatramin'ny 50%, satria izy ireo ihany no nisisika hanohy sy hanome alàlana fifidianana iray na dia nisy aza ny hosoka midadasika tsy nahitàna mpihazakazaka afa-tsy izy tenany ireny ihany.
— Herizo Raza (@HzoHerizo) 4 Desambra 2023
Hajo Andrianainarivelo, mpirotsaka avy amin'ny fanoherana manoratra ao amin'ny kaontiny X fa sarin'ady fotsiny ilay fanapahankevitra avy amin'ny HCC:
Les nombreuses #irrégularités constatées font de cette election une farce. Le Collectif et toutes les forces vives de la Nation se rejoignent dans des #revendications légitimes. La décision de la HCC sera une mascarade inacceptable. Notre combat continue.🇲🇬 pic.twitter.com/wOopt7FqyR
— Hajo Andrianainarivelo (@MrHajoA) November 30, 2023
Ireo #TsyFanarahanDalàna marobe tsikaritra dia mahatonga io fifidianana io ho toy ny somonga. Mifanome tànana ao anatin'ireo #fitakiana ara-drariny ny fiarahamientana sy ireo hery velona rehetra eto amin'ny firenena. Somonga tsy azo leferina ny fanapahankevitra noraisin'ny HCC. Mitohy ny tolontsika.🇲🇬 pic.twitter.com/wOopt7FqyR
— Hajo Andrianainarivelo (@MrHajoA) 30 Novambra 2023
Ao amin'ny pejy Facebook Vaovao vao mafana androany (VMA) vondrona iray ahitàna mikambana 56 000, natokana hizaràna ireo vaovao malagasy, misy mpampiasa iray tsy mitonona anarana manoratra hoe:
HCC Ambohidahy : Ny kandidà Andry Rajoelina no lany filohampirenena (58,96%) 🇲🇬
📌Androany 01 desambra no nanatanterahana ny lanonam-pitsarana ampahibemaso mikasika ny vokapifidianana filohan'ny repoblika ny 16 novambra lasa teo 🗳
📌Tsy misy didim-panjakana nanafoanana ny fananan'ny kandida Andry Rajoelina ny zom-pirenena Malagasy
📌Nisy nofoanana ny vato azon'ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko tamina birao fandatsaham-bato maherin'ny 10, noho ny fitoriana napetraky ny Kandidà Andry Rajoelina.
Zarao @ namana na vondrona (GROUPES) misy anao
Ny fanokanana ny filoha vaovao dia voalahatra ho ny 16 Desambra 2023 miaraka amin'ny fanotronan'ireo filoham-panjakàna afriàna marobe. Miomana ny hanao fetibe fankalazana manetriketrika ao amin'ny kianjabe Barea Mahamasina ao Antananarivo, renivohitry ny firenena, ireo mpanara-dia an'i Rajoelina.
Ny fanontaniana goavana dia ny hahafantarana raha ho vitan'ireo mpanohitra ihany ny hanetsika ny mpifidy sy hikarakara hetsi-panoherana, na ho vitan'i Rajoelina ihany ny hanatontosa ny andraikiny tsy ho voahelingelin'ireo fiampangàna ho nanitsakitsaka ny dingana sy lalàm-pifidianana.