Tsy mitovy ny hevitr'ireo manampahaizana mikasika ny fiantraikan'ny fidiran'i Afrika ho mpikambana amin'ny G20

Mpikambana sasantsasany amin'ny G20 tonga tamin'ny fihaonambe G20 tany New Delhi, tany India. Sary an'ny tao amin'ny Flickr (CC BY-ND 4.0 DEED)

Ny Sabotsy 9 Septambra, teo ambany fitondran'i India, dia nambaran’ny G20 ny fanapahankeviny handray ny Firaisambe Afrikana (UA) ho mpikambana maharitra vaovao.

Araka ny nasongadin'i Amrita Chima, Lehiben'ny biraon'ny DW News any Delhi,  dia nitarika ity hetsika ity i India mba hanatsarana ny fisoloantena, miaraka amin'ireo firenena G20 rehetra nanohana tsy nisy nitsipaka an'ilay fanapahankevitra, satria notsipihan'izy ireo ny maha-zava-dehibe ny tonga dia hahitàna indray mandeha ny toekarena vao misondrotra sy efa miorina ao anivon'ny G20. Manova ny G20 ho “G20 miampy iray” ny fampidirana ny AU, ary firenena 55 no manohana ny fandraisana azy ho mpikambana.

Ny filohan'ny UA, Azali Assoumani, dia naneho ny fahafahampony tamin'ny fankatoavana ny fidiran'ny UA ao anivon'ny G20.

Notsipihan'i Assoumani fa ny fampiatiana ny UA ao dia hanamafy ny feon'ny maro an'isa erantany ao anivon'ny G20, manome hirika, araka izany, ho an'ny tanibe afrikàna mba hampandrosoana ny fandaharanasany eo amin'ny sehatra iraisampirenena. Tamin'ny fanekena ny fanamby anatiny ao Afrika, noantitranteriny ny maha zava-dehibe ny fahamaroana lafy sy ny fiaraha-miasa amin'ireo firenena G20 hafa mba hamahàna ireny olana ireny.

Ny G20, na Vondrona 20, dia sehatra iray iraisana governemanta maro misolo tena ireo toekarena  tena manankarena indrindra eran-tany. Tany ampiandohana, dia firenena 19 manana ny fiandrianany sy ny Vondrona Eoropeana (UE) no nandrafitra ilay vondrona. I Afrika Atsimo irery no firenena Afrikana mpikambana vaovao vao haingana ao amin'ity vondrona ity.

Ny Vondrona Afrikana misy mpikambana 55 dia afaka milaza fa manana harin-karena 3 000 miliara dolara sy mponina manodidina ny 1,4 lavitrisa.

Tao anatin'ity lahatsoratra eo amin'ny AP News ity, Ebba Kalondo, mpitondra tenin'ny filohan'ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikana dia nanasongadina fa nandritra ny fito taona mahery ny UA no nanao adisisika tsy nitsahatra ho an'ilay fidirana ho mpikambana feno. Tamin'ny volana Jona tamin'ity taona ity, dia nanoratra ho an'ireo mpitarika ny G20 ny Praiminisitra Indiana, Narendra Modi, nanosoka hevitra ny amin'ny mahamety ny hankatoavana ny maha-mpikambana ho an'ny Vondrona Afrikana mandritra ny Fihaonambe an-tampony amin'ny volana Septambra.    

Ho setrin'ity vaovao lehibe ity, ny Dr Ayoade Olatunbosun-Alakija, tao anaty tafatafa nifanaovany tamin'ny DD India (fantsona fampitam-baovaom-panjakana Indiana), dia nilaza ny fihetseham-pony lalina sy ny fanantenany noho ny fampidirana an'i Afrika ao anatin'ny jeopolitika maneran-tany ary nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny famakiana ny fahanginana sy ny fampitana ny feon'ny Afrikana ho eo amin'ny laharana voalohany. Nohamafisiny fa : “Misy fiovàna mihovitrovitraa mitranga anaty jeopolitika maneran-tany.”

Raha Afrikàna marobe no  nankalaza ity fanapahankevitry ny G20 ity ho toy ny hirika iray hahafahan'i Afrika manamafy ny dindony dia tsy mitovy ny hevitr'ireo manampahaizana mikasika ny tena ho fiantraikany. Ny sasany manantena fitomboana ara-toekarena sy fiarahamiasa mahomby, raha toa kosa ny hafa maneho ny fisalasalany, mametra-panontaniana amin'ny fahombiazan'ny UA sy ny fahafahan'ny G20 hiatrika ireo fanamby tokamiavaka ao Afrika.

Araka ny tatitry ny VOA, mino ny manampahaizana sasany fa ny fidirany ao amin'ny G20 dia hanome an'i Afrika fahafahana hitombo ara-toekarena, fampiasambola sy fiarahamiasa amin'ireo toekarena lehibe hafa. Na izany aza anefa, misalasala ny hafa, mihevitra ny toeran'ny UA ho sahala amin'ny marika famantarana fotsiny fa tsy tena misy lanjany. Milaza izy ireo fa ny G20 dia tsy manana fahafahana hiatrika amim-pahombiazana ireo fanamby vao haingana izay manakana ny fandrosoan'ny demokrasia ao Afrika, toy ireo fanonganam-panjakana ataon'ny tafika sy ny fifidianana tsy ara-dalàna, ary mino fa ny fidiran'ny UA ho mpikambana ao  dia natosiky ny fifandrafiana ara-jeopolitika fotsiny.

Tao anaty tafatafa iray nataony ho an'ny CGTN Africa, ny Dr Sizo Nkala, avy amin'ny Centre for Africa China Studies ao amin'ny Ajerimanontolon'i Johannesburg, dia nizara ny heviny mikasika ny mety ho fiantraikan'ny firafitry ny UA amin'ny ho fahombiazany ao anatin'ny G20. Ho an'i Dr. Sizo, ny fanamby fototra amin'ny fidiran'i Afrika amin'ny G20 dia ny toetra maha-fikambanana governemanta maromaro ny UA, mifanipaka amin'ireo fikambanana mihoatra lavitra noho ny maha-firenena, toy ny Vondrona Eoropeana. Ny tombontsoa isan-karazany ananan'ireo Firenena Afrikana mpikambana, manomboka amin'ireo firenena lehibe toa an'i Nizeria ka hatrany amin'ireo firenena madinika kokoa toa an'i Eswatini (Swaziland), dia manasarotra ny fananganana marimaritra iraisana mikasika ny resaka G20. Nitanisa ohatra maro izy, tahàka ny fifandirana eo amin'i Rosia sy Okraina, ny fiovana toetrandro sy ny fifandirana isam-paritra izay manahirana mafy tokoa an'ireo firenena Afrikana ny hahatongavana amina hevitra iraisana. Nofintininy fa:

Mahaliana ny hahita ny fomba hitondràn'izy ireo ny maha-mpikambana azy ao anivon'ny G20 sy hahatongavany amina hevitra iraisana. Angamba ny Vondrona Afrikana mety ho afaka hamorona rafitra hahafahana mifampidinika amin'ireo firenena mpikambana ao aminy mialoha ireo Vovonana antampony G20 mba hiantohana ny fahombiazany.

Nanamarika ny lahatsoratra iray an'ny Amani Africa fa ny tsy fisiana mpisolo tena Afrikana tao amin'ny G20 dia niafara tamina fanapahankevitra tsy mahomby, mitarazoka sady mitongilana mankany amin'ireo firenena mpampindram-bola, araka izany dia manakana ny fampandrosoana ara-toekarena an'i Afrika. Asongadin'ity lahatsoratra ity ihany koa fa ny fampidirana ny AU ho ao amin'ny G20 dia hanome sehatra an'i Afrika hamahana ireo olana tahaka ny fitobahan'ny vola tsy ara-dalàna sy ny fiovaovan'ny toetrandro, no sady hanonitra ny anjara andraikitra mihenan'ny Firenena Mikambana amin'ny fandrafetana ny politika ara-toekarena. Nasongadiny ihany koa fa ny fampidirana an'i Afrika ho mpikambana ao anaty G20 amin'ny alalan'ny UA dia hanova ny satany avy amin'ny mpitaty fotsiny ho lasa mpandray anjara mavitrika ao anaty fandraisana fanapahankevitra ara-toekarena sy ara-bola manerantany, izay manamafy amin'ny ampahany ny voalazan'i Dr. Ayoade Olatunbosun-Alakija nandritra ny tafatafa teo amin'ny DD India voalaza tery aloha.  

Koa satria ny AU mandray ny andraikiny amin'ny maha- mpikambana vaovao azy ao amin'ny G20 izay lasa G20 miampy iray manomboka izao, ny fotoana no hanambara hoe hatraiza ny  halehiben'io fampidirana io no ho fiovàna goavana ho an'ilay tanibe eo amin'ny sehatra manerantany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.