Nosoratan'i Bidisha Saikia
Misy karazany marobe ny endrika herisetra mifototra amin'ny miralenta, mahasehaka ny lafiny ara-pihetsehampo, ara-tsaina, ara-nofo ary ara-batana. Hita anatin'ireo ohatra maro ny fanimbinana ny taovam-pananahan'ny vehivavy (FGM), ny famonoana atosiky ny resaka voninahitra, ny fampanambadiana an-tery sy aloha loatra, ary hatramin'ny fivarotana olona ho an'ny resaka filàna ara-nofo. Anatin'ireny, ny “intimate partner violence (IPV)” sy ny “non-partner sexual violence (NPSV)” (herisetra ataon'ny olona akaiky ny tena / herisetra ataon'olona tsy miaraka amin'ny tena) no endrika roa be mpahafantatra indrindra amin'ny herisetra iainan'ireo vehivavy — ary manerana ny tany dia ampahatelon'ny vehivavy eo ho eo no niaina, tamina fotoana iray teo amin'ny fiainan-dry zareo, ny iray na izy roa mihitsy amin'ireo endrika herisetra mifototra amin'ny miralenta ireo.
Ny “16 Andro Fikatrohana Hanoherana ny Herisetra Mifototra amin'ny Miralenta,” tarihan'ny fiarahamonina sivily ary tohanan'ny Firenena Mikambana, dia fanentanana iray eken'ny erantany izay manomboka ny 25 Novambra, Andro Erantany ho Fanafoanana ny Herisetra Atao amin'ny Vehivavy, hatramin'ny 10 Desambra, Andron'ny Zon'Olombelona. Mandritra io vanimpotoana manandanja io, mivondrona anaty fiaraha-miezaka iray ireo olontsotra, fikambanana ary vondrom-piarahamonina, mba hanaitra ny saina sy hiady amin'ny herisetra mifototra amin'ny miralenta. Ilay fanentanana dia sehatra iray matanjaka manao adisisika hisian'ny pôlitikam-piovàna, fampiroboroboana ireo hetsika fanabeazana, fanamafisana ny feon'ireo sisampaty, ary firotsahana mandray anjara anatin'ireo hetsika isankarazany izay manohitra ireo fenitra ara-tsôsialy.
Nandritra ireo taona vitsivitsy lasa, efatra mpitarika ho amin'ny fanovàna teo ambany fiahian'ny Nguvu Collective no nandray anjara navitrika tamin'io fanentanana io, tsy nitandro hasasarana niady nanohitra ireo endrika herisetra isankarazany nanerana an'i Kenya, Nizerià, Afrika Atsimo ary India.
Avy any Kenya, ny fanangonan-tsonia nataon'i Josephine Mwende Kamene dia manasongadina ny filàna maika ny fahazoana fitsaboana ara-pahasalamàna tsy mitanila ho an'ireo vehivavy mandritra ny fitondràny vohoka sy eo am-piterahana, tamin'ny fitondràna fanazavana momba ny zavamisy mampalahelo manodidina ny herisetra any am-piterahana. Mwende no mpamorona sady filoha mpanatanteraky ny AbleRise Africa Society, fikambanana iray miorina eny anivon'ny vondrom-piarahamonina manohitra ireo fenitra ara-tsôsialy no sady manao adisisika hisian'ny fampiatiana sy ny fitoviana. Ny herisetra eo am-piterahana iainan'ireo vehivavy dia mahafaoka endrika tsy firaharahiana isankarazany, tsy fananjàna, ary fanararaotana iainan'ireo vehivavy mandritra ny fiterahana, izay fanitsakisahana lalina ny zo sy ny fahamendrenan-dry zareo. Reny tokantena izy, Mwende dia teraka niaraka tamin'ny “paralysie cérébrale” hatrany am-bohoka ary niatrika fanavakavahana avy amin'ireo hôpitaly samihafa rehefa tonga ny fotoana hiterahany ny zanany.
Tamin'ny Aogositra lasa teo, Mwende dia nihaona tamin'ny sekreteran'ny minisiteran'ny fahasalamàna, Susan Nakhumicha, mba hampahafantatra ilay fanentanana ataony. Noraisina nodinihana ny traikefany sy ireo tolokevitra narosony rehefa niseho teo anoloan'ny Loholona tamin'ny 1 Novambra lasa teo ny kabinetran'ny sekreteran'ny fahasalamàna, Susan Nakumicha, mba hanasongadina ireo tetikasan'ny ministera ho fanatsaràna ny fahafahana mahazo fikarakaràna ara-pahasalamana ho an'ireo olona manana fahasembanana. Hatreto, Mwende hatrany no lohalaharana tamin'ny fanentanany hanomezana laka ny fikarakaràna ara-pahasalamana mampiaty an'ireo olona tratry ny fahasembanana, nanao ireo dingana hafa feno fahasahiana, toy ny fanoratana lahatsoratra fanehoankevitra momba ilay olana sy niresaka tamin'ireo fandaharana an'onjampeo teo an-toerana sy onjampeo nasiônaly, ary ireo songadina manokana sy tafa tanaty fahitalavitra.
Ilay 16 Andro Fikatrohana dia mandeha mihoatra lavitra ny fanentanana ho tonga saina tamin'ny alàlan'ny fandrisihana hanao hetsika azo tsapain-tànana, na ho an'ireo olontsotra, na ho an'ireo vondrom-piarahamonina.
Tato anatin'ny taona vitsy, ilay mpikatroka sady mpisolovava mpiaro zon'olombelona, Sagina Walyat, avy any India, dia nanao adisisika foana ho an'ny zo araka ny lalàna ho an'ireo vehivavy an-tanandehibe sy any ambanivohitra. Mba hitondràna fanohanana ho an'ireo vehivavy tratry ny fahasahiranana, ny governemanta indiàna dia nametraka laharana isankarazany hahafahan'ireo vehivavy mitady fanampiana, indrindra fa ny 181 sy 1091, mba hiantohana ny fahafahana miditra malalaka hahazo fanohanana. Kanefa nandritra ny taona maro, nisy fitontonganana nibaribary tsikaritra tamin'ny isan'ireo antso nataon'ireo vehivavy nila fanampiana tamin'ny 1091, araka ny voarakitry ny angondrakitry ny pôlisy ao Delhi, raha mitaha amin'ireo antontanisa tamin'ny 2021. Anisan'ny antony naroson-dry zareo ho nahatonga io fitontonganana taorian'ny 2021 io, anefa, ny firongatry ny herisetra an-tokantrano nandritra ny COVID-19, ka nampitomboin-dry zareo ny isan'ireo mpisafo mandehandeha eraky ny faritra ahitàna ny maro indrindra amin'ireo olana. Setriny, natombok'i Walyat ny fanentanana iray nandrisihana ny Ministeran'ny Solika sy ny Entona Voajanahary; ny Trano Fonenana sy ny Raharaha An-tanandehibe mba hanaparitaka ireo laharana fiantso filàna fanampiana ho an'ireo vehivavy ho apetaka amin'ireo tavoahangin'entona LPG, izay 305 tapitrisa no tokantrano mampiasa azy manerana ny firenena.
Ny fikambanan'i Walyat, ny Beacon of Rights, dia manokan-tena ho an'ny fampiroboroboana ny vehivavy sy ny zo maha-olona, tanjona amin'izany ny hitondràna fiantraika amin'ny rariny ara-tsôsialy amin'ny fifantohana ny fanabeazana sy ny fahasalamàna ara-pananahana ary ny zo (SRHR) ho an'ireo vehivavy eny ambanivohitra. Katsahan'ilay fikambanana ihany koa ny hampihenàna ny elanelana misy amin'ny fahaizana mamaky teny sy manoratra eo amin'ny lahy sy ny vavy ao India miaraka amin'ny fanentanana sy fanohanana iray an-tsitrapo amin'ny resaka lalàna. “Ireo 16Andro Fikatrohana ireo, izaho dia miantso tontolo iray izay hahafahan'ny tsirairay, na lahy izy na vavy, miaina tsy misy herisetra sy fanavakavahana,” hoy i Walyat.
Priye Diri, avy ao Nizerià, dia tanora iray feminista mpamokatra sarimihetsika no sady manampahaizana manokana amin'ny fampandrosoana, manana traikefa momba ny herisetra ara-nofo sy mifototra amin'ny miralenta (SGBV) sy ny fisorohana. Tao Abuja renivohitra, nanao fanentanana izy hitakiana ny fanesorana fitakiana lazambidy (faktiora) amin'ireo sisampaty tamina herisetra ara-nofo sy noho ny mahalahy na vavy. Hoy izy, “Amin'ny maha-mpitondra teny voalohan'ny SGBV ahy, isanandro aho mandre tantaran'ireo vehivavy sy ankizivavy izay sisampaty tamina SGBV; rehefa mifanome tànana amin-dry zareo aho mba hahafahan-dry zareo manatona fitsaràna, hitako ny sandan'ny fitsaràna sy ny dona mety ho entiny mandrakizay amin'ny fiainana.” Nomen'i Diri andraikitra ny Masoivoho Nasiônaly Fampandrosoana ny Fiahiana Ara-Pahasalamana Fototra mba hitondra ny fanangonan-tsoniany sy hiresaka momba ny hahafahan'ireo ivontoerana fiahiana ara-pahasalamana fototra ao Nizerià hiantoka ny tsiambaratelo sy ny fikarakaràna rehefa mandray an-tànana ny tranga herisetra mifototra amin'ny miralenta ry zareo.
Amin'izao fotoana izao i Diri dia miasa mamokatra lahatsary fohy iray izay kasainy ho alefa alohan'ny faran'ny taona, hanasongadinana ny vesatra baben'ireo niharan'ny SGBV ao Nizerià. Eritreretiny ny hiditra amin'ny fiarahana miasa amin'ny ministera miandraikitra ny vehivavy, sy ny ministeran'ny fahasalamana ao Abuja, renivohitra. Tsy ela akory izay ny governemanta amerikàna no nankasitraka ny asany tamin'ny fanomezana azy ny Loka Mandela Washington Fellowship, noforonin'ny filoha Barack Obama tamin'ny 2010.
Avy any Johannesburg, Afrika Atsimo, Innocent Madonsela, 34 taona, dia tohina noho ny fisian'ny Funelani nganeno/Ukuthwala (fiteny Zulu ilazàna ny endrika “fampanambadiana an-tery”) ao amin'ny fari-piadidian'i Nkomazi any atsinanan'ny faritanin'i Mpumalanga. Fomba fanao io izay hakàna an-kery ny ankizivavy ary aolan'ireo lehilahy efa zokinjokiny, izay mitondra azy avy eo ho any an-tranon'ny ray aman-dreniny miaraka amina tolotra fanomezana ho an'ny mariazy takalozana antontam-bola sarintsariny. Dia manaiky ny fianakaviana roa tonta hiditra amin'ilay “fampanambadiana” tsy ara-dalàna sy tsy misy taratasy ary tsy nakàna ny fankatoavan'ilay zazavavy.
“Tsy ao amin'ny vohitra misy ahy ihany no misy io fomba fanao io; vao haingana, nisy ireo tatitra azo momba ireo ankizy mbola kely zara raha 10 taona nefa mitondra vohoka tamin'ny taona lasa, ka ny tao KwaZulu-Natal dia naharaketana fitondrana vohoka niisa 26.515 tamin'ireo ankizivavy 10 sy 19 taona tao anatin'ny valo volana,” hoy i Madonsela. Ankizivavy mihoatra ny 20 no nampiany tato anatin'ny 12 volana lasa. Tafiditra amin'ny ezaka ataony ny famonjena ireo ankizivavy sy fanomezana azy ireny toerana azo antoka. Niasa ho toy ny fiara mpamonjy voinan'ilay vohitra izy, mitatitra ireo ankizivavy hamonjy ny hôpitaly akaiky indrindra (64 km) rehefa sendra ny fiterahana atahorana haningotra ny aina sy ny fitondràna vohoka misy fahasarotana. Tiany ho azo antoka fa ho tonga any amin'ireo ankizivavy rehetra marefo ny fanampiana, ary izay no nanosika azy hanomboka ilay fanangonan-tsonia iray nanaingàna ny Kaomisiônan'ny Zon'Olombelona mba hirotsaka an-tsehatra sy hiaro ireo ankizivavy kely ary hampitsahatra io fomba fanao io.
Ny fanentanan'i Madonsela no namadika io adisisika io ho lasa resaka nasiônaly ary marobe ireo mpiara-mitantsoroka no nampandraisiny anjara, isan'ireny ny pôlisy afrikàna tatsimo, ny Kaomisiônan'ny Zon'Olombelona, ny Kaomisiônan'ny Miralenta ary ny Filankevitr'ireo Mpitarika Fombandrazana, mba hampitsahatra io fomba fanao io sy ny fitondràna vohoka eny anivon'ireo tsy ampy taona ao Nkomazi. Olona efa maherin'ny 10.500 no namaly ilay fanangonan-tsonia, ary tsy mitsahatra mitombo.
Tanaty fihaonan-tanjona niavaka, Josephine Mwende, Sagina Walyat, Priye Diri, ary Innocent Madonsela no samy tafavondrona na teo aza ny elanelan-tany, ny fitoviam-pijerin-dry zareo rahateo no herim-panovàna mahagaga asehon-dry zareo amin'ny maha-mpitarika an-dry zareo eo anivon'ny Nguvu Collective. Voafatotry ny fanolorantena iraisany, ireo mpitarika fanovàna ireo no ohatra velon'ny mety ho fahafahana manova mifandraika amin'ny fanatratrarana miaraka ny fizakàntena sy ny fiovàna sôsialy.